Mby aiza ny fanovana?

Filoha Ravalomanana

Filoha Ravalomanana
Filoha Ravalomanana
Mby aiza ny fanovana?

Tsy hamoa fota-mandry akory, maro tamin’ireo mpanao politika Malagasy no nanakiana sy namingana ny fitondrana nijoro ara-dalana nisy teto.Natao tamin’ny fomba rehetra ny handrodanana izany, i Andry Nirina Rajoelina no nitarika izany ary dia nisy ihany koa ireo Malagasy sasany roboka nanampy azy noho ireo « kobaka am-bava » sy « fafy lainga » isan-karazany. Roa taona izay no lasa, mampametra-panontaniana ny hoe : « mby aiza ny fanovana nitarihana ny olona? »
Hatreto aloha dia tsy nisy vokatra tsara hoan’ny vahoaka Malagasy izany , ireo andiana mpanao politika niaraka tamin’i Andry TGV nanao fanonganam-panjakana no nahazo tombotsoa lehibe amin’izao fotoana izao.Faharavana sy fahapotehana, tsy ny fanana ihany fa hatramin’ny toe-tsaina no vokatry ny tolon’i TGV.Sahy milaza ve izy ireo ankehitriny fa tsy tompon’andraikitra amin’izany? Tsy afa-bela amin’ny faharendrehin’i Madagasikara i Andry TGV sy ireo mpiara-dia azy.Raha tsy maimay ny hanao fanonganam-panjakana toy ireny manko izy ireo dia azo inoana fa efa mba lasa lavitra i Madagasikara, efa mba azo tsapain-tanana manko ny fampandrosoana tamin’izany.
Ankehitriny, rebireben’ireo antonko politika mpomba ny FAT ny saim-bahoaka, efa hita sy niaraha-nahita fa tsy hahazo fankatoavana mihitsy ny « lalana tokan-jotra » hitondran’izy ireo ny firenena, dia io mbola mikiry biby teny Ivato indray ireo antoko politika « foza » (mitombo sy manaranaka maro amin’ny fotoana fohy manko ny fozaorana).

Ireto ny vokatry ny tolona nataon’i Andry Rajoelina :

An-tapitsisa ny vahoaka Malagasy miaina ao anaty fahantrana, ana hetsiny ny tanora very asa, tsy afa-mianatra ny ankamaroan’ny zaza Malagasy noho ny fahantrana, maro ireo tsy afa-mitsabo tena ara-dalana intsony, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, mitombo ny kolikoly, misara-bazana ny fiaraha-monina, tsy voahaja ny zo fototra maha olona, mitombo ny fanagadrana tsy ara-drariny, potika ny harem-pirenena, sns..izay no vokatry ny fanovana e!

Rehefa tsy tafavoakan’i Andry ny famoahana ny firenena amin’izao krizy izao maninona no tsy mihetsika ny hery velona samihafa? Inona no anadrasan’ireo manam-pahaizana? sy ny vahoaka?
Misy farany anefa ny zavatra rehetra, ny filoha Ravalomanana efa nanome lesona tsara hoan’ny firenena, « rehefa hita tsy lasa intsony dia mba aok’izay » hoy ny tarika Jeneraly koa tsy aleo mametra-piala rehefa hita fa tery ny lalana toy izay hanao lalam-poza eo?

4 pensées sur “Mby aiza ny fanovana?”

  1. Mora dia mora ny mandrava sy mandrodana, saingy ny adala sy ny tsy vory saina ihany no tia manao izany.Tena marina io
    Sarotra ary ela ny manamboatra sy ny manangan-javatra, soa fa misy olon-kendry tsy matahotra ny misikina hanantanterahana izany satria io no hivelomana eto an-tany : hanao soa ho an’ny mpiara-monina.

  2. Hafa iany ny Président lanimbahoaka, tsy matahotra fotaka. Fa ity TeZeVendrana TSY MANDRAY RAVIN-DENA, mi SNOBY, mitazona MIKRÔ no hainy, lanjaina no tiany. Fa ireto ANDEVO mety milanja azy no A D A L A, MANETRY tena.
    Raha ny taranak’ireo nety niverina ho ANDEVO ireo no mijery ireo Vidéos ireo any aoriana dia ASA FOTSINY !
    ANDRIAMITRA Ô, aza ampahalalaina izay hitranga aho fa matahotra !
    Les paroles s’envolent mais les écrits et photos restent !!!!!!!!!!!!!!!

  3. Mahita ireto anjizy miaraka ami’ny filoha ravalomanana izay midina eny ambanivolo dia tsy adino koa i Ramatoa Ravalomanana Lalao amin’izao andron’ny vehivavy izao.Dia miarahaba ny vehivavy mpiara-mitolona rehetra ihany koa.Hiroso hatrany amin’ny fitoviana tanteraka anie isika.

  4. Merci pour la propagande de cette homme qui s’enfuit de son pays par la petite porte et qui suptilise des millions a son peuple
    Honte honte et pas de pitié pour ce dictateur

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *