Nahomby ny fankalazana ny andron’ny 29 Martsa !

Ambohijatovo 29 martsa 11

Ambohijatovo 29 martsa 11
Ambohijatovo 29 martsa 11

Nankalaza am-pahamendrehana ny datin’ny 29 Martsa ireo mpitolona hiverenan’ny ara-dalana tamin’ity androany ity.Vao nigadona ny tamn’ny iray ora sy sasany fotoana nifanomezana dia rakotra vahoaka marobe ny nanodidina an’Ambohijatovo.Tonga tsikelikely ihany koa ireo mpitarika, koa niainga hametraka ilay fehezam-boninkazo ny izy ireo, notarihan’ny Filoha Zafy Albert sy ny filoha nasionalin’ny antoko Monima Atoa Monja Roindefo.Tafapetraka soa aman-tsara izany koa dia nihazo ny kianjan’ny finoana hihaino toromarika ny vahoaka.Teny an-dalana de rakotra herim-pamoretana ny tanana, mampatsiahy ny « miaramilam-potaka » sy ny « sonegaly mahazo baiko » tamin’ny fotoan’androny.

Nanaitra ny mpitolona ny nidiran’ny filoha teo aloha Ratsiraka teo amin’ny kianjan’ny Magro, nisafidy ny tsy hanao kabary politika moa i « deba » fa nangataka ny hiarahan’izy sy ny vahoaka ilay hira « tolom-panafahana »

Taorian’izay dia nifanesisesy ny kabary, nosantarin’ireo andriambavilanitra izany, Ihanta Randriamandranto dia nilaza fa ahazo namana ny vahoaka ary fiandohana ihany io.Tanjona telo hoy izy no kendrena dia ny famohahana ny gadra sy tsy fanafoanana ny fisamborana, ny fiverenan’ny filoha roalahy an-tanindrazana, fiverenana ny zo sy lalam-panorenana.

Nampatsiahy ny tantara ny mpampianatra mpikaroka sady mpitari-tolona,

Jean Louis Rakotoamboa : « vono moka ny natao ny frantsay teto tamin’ny 1947 » hoy izy. Mino aho hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny Teza fa faly ny razana manana taranaka tia tanindrazana.

Isaorana manokana ny prezida profesora Zafy Albert tsy milavo lefona ary tsapa fa mbola enjana ny tolona satria manao bodongerona i Andry ampian’ny frantsay hoy hatrany izy.

I Tabera Randriamanantsoa indray dia nanambara fa rehefa ny Tia Tanindrazana no mandray andraikitra dia mahomby izany. Isaorana ny miaramila nampiseho ny sarin’ny 1947. Ireny sary ireny no mampiseho fa tsy mbola afaka ny malagasy. “Vendredi magnifique” io ao aorianan’ny 31Marsta io ary rahampitso dia andro lehibe vaovao indray hoy Tabera.

I Manoela kosa dia nanao kabary fampitandremana, tapitra androany ny 15 andro tokony hitazomanana an’i Mamy Rakotoarivelo hoy izy koa miandry ampitonina izahay ny hamoahana azy. Tapitra ihany koa ny 2 taona “directoire miltaire” ka ho hita eo ny tafika raha ho any ny vahoaka na ho any Rajoelina hoy ity Tanoran’I Marc Ravalomanana ity.

Marihana moa fa araka ny vaovao voaray eto am-panoratana dia nahazo fahafahana vonjimaika I Mamy Rakotoarivelo rehefa tapitra ny fe-potoana nihazonana azy teo amin’ny BC Anosy, ireo mpiara-miasa aminy telo lahy kosa dia hiakatra fampanoavana anio Alarobia.

Ireto ny sary :

Jereo eto 29 mars 2011 An-tsary 1/2.
Jereo eto 29 mars 2011 An-tsary 2/2.

.

Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (1/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (2/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (3/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (4/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (5/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (6/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (7/8).
Jereo eto Ambohijatovo 29 mars 2011 (8/8).

.

Jereo eto Magro 29 mars 2011 (1/6).
Jereo eto Magro 29 mars 2011 (2/6).
Jereo eto Magro 29 mars 2011 (3/6).
Jereo eto Magro 29 mars 2011 (4/6).
Jereo eto Magro 29 mars 2011 (5/6).
Jereo eto Magro 29 mars 2011 (6/6).

.

1 pensée sur “Nahomby ny fankalazana ny andron’ny 29 Martsa !”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *