Nanao rango-pohy ilay « feuille de route  » i Mamy Rakotoarivelo, Yves Aimé Rakotoarison : nipoitra indray ve ny JODASY ?

Jodasy BIS

Jodasy BIS
Jodasy BIS

Giana sy nahatsiaro tena ho kamboty indray ny mpitolona teo amin’ny kianja Magro Behoririka io hariva io, nipoitra indray ve ny Jodasy sy mpamadika ny tolona? Heno sy hita tamin’ny fahitalavim-pirenena fa nanao sonia ny « feuille de route-n’i Dr Simao » ny ankolafy Ravalomanana notarihan’ny SG Tim, Ingahy Mamy Rakotoarivelo, Yves Aimé Rakotoarison sy ireo niaraka taminy. Nambarany tamin’izany fa nanao « rangom-pohy  » izy mirahalahy ireo. Nolazain’ny Depioté Leriva Manahira teo amin’ny kianja fa tsy tokony ho gaga raha mahita sary mpamadika amin’ny fahitalavitra ianareo rahariva, isika dia tsy miala amin’ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy hirotsahany ho fidiana filoham-pirenena, aleo handeha izay tsy tamana hoy izy. Ny dikan’izany kabary izany dia tsy nifampieran’ny ankolafy Ravalomanana ny fandehanana hanao sonia teny Ivato, nosokajiana ho mpamadika daholo izay rehetra teny ? araka ny efa nentina teto manko dia tsy misy noraisin’i Dr Simao ny tolo-kevitra sy fanitsiana natao koa inona no nampimpingampinga ireto solotenan’i Marc Ravalomanana nakeny Ivato ? Na hanadio tena toy inona aza izy ireo fa rango-pohy milaza ny fahavononana hamaha krizy iny nataony iny dia tsy hahafoana ny ahiahy intsony any anatin’ny olona izany. « Naninona raha nohazavaina mialoha ny anton-dia teny ? Efa nankalazain’ny ny Dr Simao ihany koa manko fa tsy hisy fanovana intsony io sori-dalana io koa nahoana no nanaiky nanao sonia imasom-bahoaka ireto zanak’i Dada?

Jodasy BIS
Jodasy BIS

Ny tsikaritra teny amin’ny kianjan’ny Magro io hariva io dia nataon’i mpitarika azy ho « zanaky kala hafa » ny zanak’i Dada efa niaritra ny hafanana sy hatsiaka, lakrimozena, figadrana sy fisamborana, misy mihitsy ny namoy ny ainy nandritra ny roa taona ngarangidina izay.

Na Yves Aimé na i Mamy Rakotoarivelo dia isan’ireo mpanefoefo amin’ny mpitarika ny tolona koa ahiana ho misy ramatahora na fanambazana vola be indray izao kisonisonia izao !Ankoatran’izy mirahalahy dia isan’ireo tonga teny Ivato ihany koa i Fetison Rakoto Andrianirina, ny solombavam-bahoaka voafidy teny amin’ny boriboritany fahahefatra , Dep Felix, ny Me Hanitra, Benja Andriamihanta, Ravatomanga roland, Serge Ratovonirainy, Eric mpanentana, Apolineaire, sns…

.

Jodasy BIS
Jodasy BIS

Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS
Jodasy BIS

23 pensées sur “Nanao rango-pohy ilay « feuille de route  » i Mamy Rakotoarivelo, Yves Aimé Rakotoarison : nipoitra indray ve ny JODASY ?”

  1. ra nijery ny interview nareo dia nahatsikaritra fa samihafa ny zavatra voalaza teny, aoka tsy hampisaraka ny mpitolona fa hivondrona hatrany. ny fanambaran’i Yve Aimé no somary hafa…

  2. Aoka re atao mazava tsara e! TSY FEUILLE DE ROUTE NO NOSONIAVINA TAY IVATO FA FANEKENA FA HIARAKA HANATANTERAKA NY FANAOVANA NY « FEUILLE DE ROUTE » FARANY NY REHETRA!
    tadido tsara ny filazan’i Filoha RAVALOMANANA: ny Chefs de file 4 ihany no manao ny sonian’ny feuille de route farany (finale), fa ny rangom-pohy dia tsy midika n’inon’inona!
    AZA METY ARIRARIRAN’NY FOZA ISIKA FA IZANY IZAO IZAO ATAONY IZAO! TANDREMO! TANDREMO! TANDREMO!
    Aoka hatoky ny mpitarika ny tolona isika fa ny ataon’y foza izao dia ny hiparitahantsika

  3. marina mihitsy ry Ziry,

    zaran´ireo foza nisy nosoniavií mamy rakotoarivelo hamafazana ny lainga haingana

    Mbola tsy mahalala Foza nagaha isika

  4. Je répète ici ce que je viens de dire sur l’autre page :
    S’agissant d’une feuille de chou, elle ne mérite pas de faire couler tant d’encre.
    Le dernier mot appartient à Ravalomanana et non pas à Fetisahona ou à Ra je ne sais qui.
    Maintenant, JODAS BIS ou JODAS Iskariota, on n’en a rien à cirer !!!!!!!!!!!!!!!!
    Any amin’i DADA NY LAKLE. POINT !

  5. mazava ny tenin’i Fetsion tao @ Tv+ omaly alina ary nohamafisin’i Dr Simao hoe La mouvance Ravalomanana n’a pas signée la feuille de route »

    Mazva ny teni’i Mamy R; ,hoe j’ai signé la fiche de présence.
    Fa ny an’i Yves R. no nilaza hoe nanao ny sonia satria izany no efa niandrasan’i movance Ra8

  6. Mefions nous quand meme des LOHASOLA car ils ne resistent pas trop aux tentations des milliards exemple concret: Alain Andriamoseza et ………..Le probable Yves Aimé

  7. Tsy rangom-pohy (paraphe) ve no napetrak’i Yves ê!

    Omaly, tao aorianan’ny vaovao, dia nisy fandaharana face-à-face: Fetison contre Alain Ndremaseza, tao amin’ny Tv Plus.

    – tena SQ ihany koa raha ireny A. Ndremaseza ireny, no santionan’i mpisolo vava gasy (aiza kou i Khadafi no lazainy fa tsy nanongam-panjakana!)
    Soa fa teny gasy no nifampiresahana, i Fetison aza no matetika mamerina ao an-tsaina ny zava-boalaza in-jato amin’arivony, ary woua woua woua – sosososo-poana / miakatraka-poana ilay tarehin-dramanavy Ndremaseza!

    – tamin’ny alalan’io face-to-face io dia henontsika tsara ny nambaran’i Fetison mahakasika ny VOALAZAN’I SIMAO hoe: « la mouvance Ravalomanana n’a pas paraphé la feuille de route »

    Mba mangataka an’i Solo Razafy raha afaka manolotra eto ny oronan-tsary maharakitra io débat t@ sivy ora alin’ny omaly io: LESONA HO AN’IREO AVOCAT (tsy mendrika ny fiantsoana azy toa itony ‘CHAUVE-SOURIS alias ALAIN ANDRIAMISEZA’:) MANAO TSINOTSINONA NY DROITS FONDAMENTAUX.

  8. Mety marina fa fandrebirebena ny saimbahoaka ny vaovao alefa hanakiviana ny vahoaka malagasy. Aoka tsy hinohino foana izay mivoaka fa ny fahakivian’i magro no tanjon’i FATY satria tsy nahavoa daholo ny tetika nataony hatrizay.

  9. Ziry Onésime,
    Vu la mauvaise foi manifeste dont le FATy a toujours fait preuve, ainsi que l’esprit retors de ses « commanditaires », oui, les vrais légalistes se doivent de faire attention.
    Comme préalable à un début de poursuite des négociations, le Dr Simao aurait dû annoncer publiquement que sa « dernière feuille de route » ne convenait pas aux trois mouvances, et qu’elle n’a plus aucune valeur ! Et geste à l’appui, il aurait dû la DECHIRER DEVANT TOUT LE MONDE !!!
    Les trois mouvances doivent montrer qu’il existe une solidarité entr’ elles, et que le déplacement de Rakotoarivelo à Ivato est tout à fait inutile, voire dangereux !
    Simao avait déjà fait la remarque une fois, que le clan Raharinaivo et consorts n’est pas du tout représentatif du TIM, et qu’ils ne sont pas habilités à représenter la mouvance Ravalomanana ; une raison de plus pour ne pas exacerber la suspicion qui s’installe petit à petit chez les légalistes !
    Autre chose ! je suis consterné quand je lis quelque part  » Comment terminer cette transition de manière noble ? » ou quelque chose de ce genre, et question posée par des « intellectuels ».
    De quelle transition ? Nous sommes en plein « régime putschiste » ! Rajoelina n’est qu’un délinquant vis-à-vis de la Communauté internationale ! Aussi, de quels droits osent-ils les putschistes, imposer quoique ce soit au peuple malgache ?
    Je ne vois pas beaucoup de ces soi-disants intellectuels, qui s’insurgent contre de telles déclarations !
    La crise a-t-elle, ramolli leurs cerveaux ?

  10. Nanao paraphe i Y. Aimé
    samy manana ny tempérament-ny ny olona
    fa toa i M. Rakotoarivelo no tena avalisé comme étant porte-parole.

    Mitovy hevitra amin-dRakoto ery ambony.

    Na izany aza, midera sy mankasitraka antsika rehetra tonga tsy tapaka eny amin’ny Magro!

    IZAHAY ALOHA DIA TSY TE-HAHALALA IZAY TOHIDRESAKA EO
    raha sanatria tsy tafody alohan’ny fanapahan-kevitra définitif ny prezidà Marc Ravalomanana

    Tsy misy dikany eo imasonay izany, i Dada ihany – na tian’ireo pouxtshista na tsia, any amin’i Dada ny lakile!

  11. Bonjour daholo !
    Mitoy hevitra aminao aho r’i HoAiza……nefa……
    Raha amin’ny fiheverako, dia tsy ho afaka ny hilatsaka ho fidiana intsony SEM Ravalomanana tao aorian’iny Feuille de route iny !

    Ny zavatra mety hampiova ny rehetra dia :

    1) Albert ZAFY sy ny faniriany handrodana ny FAT

    2) Ny fodian’i Dada, ka HAMPIHETSIKA NY VAHOAKA hamono iny feuille de route iny

    3) Hitambatra amin’izay ireo hetsika isan-karazany : MFM-TIM (Ra8 fa tsy Raharinaivo))- FRDL- ary izay miaramila MAHASAHY mandà ny FAT.

    Ny tiako holazaina dia mbola averiko ihany,
    – fa miankina betsaka amin’ny miaramila ny hilaminan’ny raharaham-pirenena na tsia, ka anjaran’ireo Hetsika ireo no mifandamina aminy , na manao proposition aminy.

    ary ny farany izay tena goavana,
    4) dia ny fandroahana ireo miaramila frantsay miantsona ao Dago !
    Fa ireo no tena mpanohana an’i Domelina !

  12. Ntsoooooo reto zanak’i dada vendrana toa azy mora fitahana.Hahhahahahahaha.Mora arodana ny fitondrana mora arodana ny tolony.Fa mba misy vidiny ve ianareo ireto?

  13. Mora ShhhhhhhhhoushoushouP toa an’i Ndremaseza seza koa itony

    Misy azo vidian’i Ntsooooon-tsotsoka anga ny eto?

    Tsy misy raha manjara toa an’i Shhhhhhhhh! ny eto gasikara raha izany ry Njara an!
    TAY daholo ireo…

  14. Mitselika kely fotsiny !
    Tena Shhhhhhoushhhhhhhoutrabe angaha ‘ty ianao ry HoAiza ?
    Any amin’i Dada ny lakile. Tsy mila feuille de déroute, na feuille de shhhhhhhou !
    Rehefa tsy mamokatra ny any, hitondra an’izay mety ny aty !
    Les vrais légalistes ne plieront jamais devant l’injustice !
    Quand l’injustice devient force de loi ou de valeur, pour les putschistes, lutter est plus qu’un devoir !
    A la poubelle la solution malgacho-malgache sous l’égide de la SADC !! Piège tendu par les red-ears dès le début !!
    Il faut porter sérieusement cette affaire auprès des instances internationales (UE, UA, ONU )!
    Ils ne pourront pas acheter tout le monde !
    La stabilité des pays africains, dépend de la résolution de la crise malgache !!
    Ho an’ireo mpiray tanindrazana mipetraka aty ivelany ! Aza dia variana mihinana mofo sy dibera ary kaonfitira, zidefri, sôsisao ary môrtadela isa-maraina ianareo, fa mba jereo ny fianankaviana any an-tanindrazana ê ; indrindra ny hoavin’io firenena io !

  15. Misy adino kely ry HoAiza,
    Tsy taitra isika fa mbola ho voan’ny hoe « feuille de brouillon » indry iny ê !
    Tsy azo ekena iny, ary na ny mpitondra firenena hafa ankaotry ny SADC aza tsy hanaiky an’io feuille de shhhhhhhhhit io !
    Ny zavatra tsara fotsiny, dia ny nahafantarana hoe : Iza no hazo boboka, na bobo mitomany ho vazaha ( plus royaliste que le roi ) ao an-tanàna ao ?

  16. Rahoviana ny fitsenana an’i Ravalo manarak’eto?
    TAY izay milaza fa misy dikany na ny pitiny aza ny fiainana eto amin’izao
    (ireo fara aman-dimby no ifantohan’ny eritreritra voalohany ao anat’izany ihany koa)

  17. Mr Mamy Rakotoarivelo , en personne ,est venu expliquer les choses au Magro cet après midi ( lui qui n’y met pratiquement jamais les pieds ) : Il N ‘ a Pas signé.

  18. Le PHATy et ses commanditaires ne sont pas à une traîtrise près !
    Comme annoncé dans mon post de 10h05, j’avais prévu qu’ils ne manqueraient pas d’air pour mener leurs conneries jusqu’au bout !
    D’après les nouvelles, Simao autoriserait désormais le domelina à former SON PREMIER MINISTRE, et SON GOUVERNEMENT !!!!
    Mitsangàna daholo hoa, dia fatory tsara ny fehikibo !!

  19. Kintana,
    « Les PHATy ne manqueraient pas d’air pour mener leurs conneries jusqu’au bout » mais à quel prix ???
    Combien restent-ils sur les 50 milliard qu’ils ont reçu du coup d’état ? Et, en France, le gouvernement ne cesse d’augmenter les prix que le vent de révolte risque de souffler sur le territoire français, peut-être bien avant 2012 !!!
    On va rire !

  20. Le chêne a comme réputation d’être un arbre solide ! S’il est impossible de le secouer, plein de petits trous à sa base finiront par avoir raison de lui !
    Il finira par tomber !
    Un p’tit trou, des p’tits trous, encore des p’tits trous !
    Fa nankaiza aloha ‘ty GBD ê ? Lasa nitolona any Dago ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *