Niseho masoandro ny « Jiolahy Politika »

Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres

« Zana-baratra »

Niseho masoandro io maraina io tao amin’ny Hotel Colbert indray ireo mpanao politika mpamadika palitao.Asa na nasesi-doza inona na efa jiolahy politika mihitsy ry zalahy ireto fa dia nandefona ivoho ny filoha Ravalomanana sy ny vahoaka mpanara-dia azy indray izy ireo. Raha nifandroritana tamin-dRaharinaivo Andrianatoandro ny antoko naorin’ny filoha (TIM) dia izao roitin’i Yves Aimé Rakotoarison sy ny ekipany indray ny ankolafy Ravalomanana. Raha mbola nanamafy hatrany Ingahy Mémé sy Raharisaina Hery fa tsy miala ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, hono, kanefa tsy manaraka ny tondro zotran’ny filoha Ravalomanana, ny tondrozotran’i Simao sy ny rango-poza no mahamainka an-dry zalahy, dia ny fitadiavana seza indrindra indrindra amin’izao fananganana governemanta vaovao izao. Raha tsiahivina dia efa nisy ihany koa ny mpamadika tany aloha tany dia ny ekipan’i Sylla sy ireo namany. Azo am-bara ve fa zana-baratra i Dada ?

Les Traitres
Les Traitres

Mouvance Yves Aimé : mouvance matahotra higadra !

 

Amin’izao fanaovan’ny FAT enjika sy ramatahora ireo mpomba ny Filoha Ravalomanana izao dia hita fa nialokaloka ato amin’ity « mouvance Yves Aimé » ity ireo olona matahotra higadra, isan’izany ireo voarohirohy amin’ilay radio piraty sy ireo notondroin’i Rolly Mercia ho tompon’antoka amin’ny korontana rehetra teto.

Mby aiza ny tanjona ?

Raha hiverenana ny foto-kevitra nijoroana tamin’ny tolona dia tsy nisy tratra akory ireo tanjona napetraka, dia izao nifidy hivily lalana ireto « be saina sy tsy vory saina ireto » ?

Azo eritreretina ve fa hamerina ny filoha Ravalomanana raha ny fisamatsamahana sy ny famotehana azy toy izao no ataon’ireo jodasy aminy ? Efa nisy ve ny demokrasia sy fahalalahana maneho hevitra eto Dago ? efa tafavoaka ve ireo gadra politika sy ireo nampijalian’ny FAT?

Araka izany tsy ao an-tsain’ireto zanaka maditra ireto izany fa ny seza sy ny vola hatrany no tanjony.

Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres
Les Traitres

27 pensées sur “Niseho masoandro ny « Jiolahy Politika »”

  1. Mora mora ianao Solo Razafy fa efa diso mangotraka loatra ny rano mbola arehitrareo indray ny afo efa midedadeda sarotra vonoina.
    Ny mpamadika mijanona mpamadika fa tsy aleo ve miandry kely fa tsy mety ilay tonga dia manao toradefona be.
    Malahelo ny fo mahita ny toejavatra miseho any antanindrazana fa efa be dia be izay vaovao ratsy izay t@ ity herinandro ity. Ilay vaovao faran’izay ratsy aza mbola ts nivoaka akory na mety tsy hivoaka mihintsy fa aleo isika miandry milamina. 2 taona aza aritra
    Ny foza no fahavalontsika fa ny zanaka antrano raha manondrana dia azo ahintsy na diso lalana aza.

  2. vo tamin’ny alatsinainy i PDT RAVALOMANANA NO NIRESAKA we aza misy mifampiresaka @ Simao intsony ianareo rehetra. de io ny alakamisy fa nankany daholo ry vendrana isany nanao paraphe hono. de gaga ny tena ary mieritreritra we fa iza no tena mibaiko ato @ ty mouvance ty eh

  3. Tout à fait d’accord avec GTT Philippines. certains veulent enrichir les débats sur ce site. Évitons de nous embarquer dans une discussion oiseuse et parfaitement stérile. « A trop discuter, on perd la vérité » (Syrus) !!!

  4. Izany hono ry lerony â !
    Hoan’ny iray aminareo ireo : Tadidio ry lery ny resaka nifanaovana, momban’ny 2002 sy ny hoavin’ny ankizy â !

  5. Kintana,
    Na misy JUDAS 2 na 12 dia mitohy ny tolona, na misy mpitarika na tsy misy.
    I kala renimalala efa mi s’arracher les cheveux !

  6. Babyfoot et GTT philippines,

    Ne défendez pas l’indéfendable!!!! ouvrez plutôt les yeux et respectons tous les malagasy qui ont sinçèrement soutenu le président RAVALOMANANA.
    Pour ma part,je ne me tairais jamais devant la situation à Mada,mais pour ce qui est de se fier aux stratégies,ou des idées de la mouvance RAVALOMANANA auxquelles j’ai crues,c’en est un peu trop je pense,il va falloir me convaincre fort!!! et bonne chance à tous les amis combattants,et vive MADAGASCAR.

  7. J’AI TOUJOURS DIT ET DEFENDU QUE CHAQUE CITOYEN MALAGASY A LE DROIT DE SE PRESENTER AUX PRESIDENTIELLES: POURQUOI PAS RAVALO?
    LA SITUATION ACTUELLE PERMET D’AFFIRMER QUE LA HAT A PEUR DE LUI.
    SI VRAIMENT LA HAT VEUT JOUER LA TRANSPARENCE, QU’ELLE ACCEPTE QUE RAVALO OU AUTRES SE PRESENTENT. AUTREMENT, DANS 5 ANS, CE SERA TOUJOURS LA MEME SITUATION CAR RAVALO NE SERA PAS ENCORE TROP VIEUX A CE MOMENT LA.

  8. Ravelojaona,
    Mitohy ny tolona na misy mitarika na tsia ne veut pas dire « défendre l’indéfendable ». Des JUDAS, il y en eu et il y en aura encore et toujours ! Le peuple ne baissera pas les bras, au contraire, il risque même de sortir de ses gonds et commettre irréparable et là, les ressortissants français auraient intérêt à fermer leur porte à double tour, éviteraient de se promener sans escortes limitant leurs déplacements. Adieu les piques-niques sur les plages désertes, les petits tours aux marchés de fleurs et j’en passe !
    Renimalala veut le beurre, l’argent du beurre et le sourire de la crémière mais, en agissant de la sorte, elle ne protège pas ses ressortissants à l’étranger.

  9. Ces politiciens qui se sont pavanés au Carlton se targuent de représenter les 2/3 de la Mouvance Ravalomanana ! Mais au fond ils ne représentent qu’eux-mêmes. Le peuple qui soutient le Pdt Marc Ravalomanana ne soutient que Marc Ravalomanana mais non pas les traîtres ! Bon, puisque la démocratie consiste à penser, à s’exprimer, à agir librement ces messieurs l’ont fait librement mais ce qui est choquant c’est qu’ils osent encore mentir : ils se disent derrière le Pdt Matc Ravalomanana mais pour ne pas le soutenir mais pour le poignarder dans le dos ! Ils revendiquent la paternité de « DADA », ils disent qu’ils oeuvrent pour son retour au pays seulement pour le livrer pieds et poings liés à Andry Rajoelina ! Celui qui a apposé son « rango-poza » sur la fameuse « feuille e route » du Dr Simao l’a fait, non pas pour le peuple mais en vue de quelques sièges et, à défaut, pour quelques strapontins !

    Pourquoi ne pas avoir suivi immédiatement M. M. Raharinaivo Andrianantoandro et Vivato Rakotomaditra Rakotovao ?

  10. Alao aloha ho hita ny fiafaran’ity feuille de route ity vao manao résumé isika.
    Ny tsy azoko mantsy dia nahoana no tsy ny chef de mouvance no manao sonia fa ny porte parole ? Nahoana no tsy heno ny filoha Marc Ravalomanana ?
    Tout m’échappe et m’interpelle. J’attends la suite pour y voir plus clair.

  11. Ao amin’ny site-n’ny TIM, GTTidf, raha maika te-hiaino ny Filoha Ravalomanana ianareo !
    MyDago mbola handefa izany eto koa !

  12. Marina aloha fa hoe: aleo mitsoboka mba hahita ny alalin’ny rano
    Nefa ho azo antoka ve fa tsy hanara-drenirano raha tany ty ka haratiratindry zareo ny vola
    Fatra-piteny tokoa fa 2/3 ny mpomba no tonga teny, izany stat izany aloha dia aleo hipirina (sanatria ve tsy manao ny sara-babem-bahoaka tonga tsy tapaka eny amin’ny Magro ho inona)
    _

    Eo ihany ny hoe: matahotra fadiranovana ny HAT,
    I LaFrantsa no hita fa tsy mamela te hahazo foana an’i Madagasikara…

  13. HoAiza,
    Sans Ravalomanana ces fameux 2/3 ne représentent rien du tout ! Parmi eux des amis ou « futurs ex-amis » ! Dommage !
    Au sein d’un groupe politique, plus que dans tout autre groupe social, il y a des lignes de conduite à respecter.
    Ignorer cette règle élémentaire, dénote un manque de respect total vis-à-vis de ses électeurs !

  14. Arema daolo ireo taloha ka tsy mahagaga raha mamadika palitao é!

    Ary fetison ange no mpitarika ny ankolafy Ra8 FA TSY LE mamy Rakotoarivelo é! tsy maazo antoka an’io ra za manokana satria havoakany ami gazety midi hoe voasonia ny feuille de route définitive !
    Tokony i RA8 miintsy no manao sonia na i RAtsiraka koa no tokony manao sonia ny ankolafy-ny dia otrizay koa Zafy FA TSY NY SOLOTENany ,ireo zay namorona ny antoko no tokony misonia ny feuille de route définitive amizay tsisy DOUTE intsony !

  15. Merci Kintana nanome ilay sita GTT.
    Izay vao mazavabe nanahary ny fandehan-javatra, nanakorontana fotsiny ireo vaovao nalefan’ny sasany na teto na tany ankafa.
    Tena izay tokoa izany ilay nolazain’ny sasany teto hoe LE TOUT POUR LE TOUT.
    Ny vahoaka indray no saika nankivian’ireo tsy valahara te hitsetsitra ny harena ankibon’ny tanin’ny malagasy. Loza !

  16. eto aho de sahy manambara fa tsy mihemotra @ fandalana ny fahamarinana izany ny mouvence ravalomanana.

  17. mba mariky ny fandalana ny filoha ravalomanana dia entanina isika mpanaradia azy mba hitana ny hevitry tsika hatraminy farany na ho inona na inona satria ny fanaovana tsinotsinona ny safidim-bahoaka dia tsy azo ekena velively na inona na inona zavatra mitranga.mahereza daholo e. dia samia misaina daholo fa ra ireo mpanongam-panjakana sy firenena ao ambadiny dia aleo sasam-poana eo fa ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany.

  18. Nodidinina mpamadika i Ra8 ka izao mitranga tsikelikely daholo ry zareo satria manakaiky ny farany ka tsy maintsy mitsinjo ny aoriana (seza sy vola io). Olona tsy misy envergure politika daholo ireto Tiko boys ireto sady tsy misy conviction. Mampalahelo sy mahamenatra ny nahita an’ny SG Tim raha naontanian’ny mpanao gazety momba ny antony nahatongavany teny Ivato, hoy izy « hafa ihany ny mahita sy mitsapa amin’ny tanana ilay document ». I Mémé sy Raharisaina dia efa hatry ny ela no efa tsy nazava fa izao vao ofisialy.
    Ny olana dia ny TIM. Tokony ho foanana any fa tsy misy ilana azy intsony, eny fa na dia misy ao aza ireo tena mbola hatokisana sy mpitarika marina (Zafilahy, Manoela, sns…, soa fa mbola eo izy ireo. Tsy manao ny asa sy ny andraikitra maha antoko politika azy ny Tim fa fialokalofan’ny te ho sefo kely be dia be fotsiny tsy ampy na tsy manana foto-kevitra politika ijoroana. Ka rehefa latsaka an-katerena ka tsy eo ny Filoha namorona azy dia jereo ireto ataony: nanomboka tamin’i Raharinaivo dia mbola mitohy hatramin’izao ary asa raha mbola hisy. Ny mety angamba hoy aho dia antoko vaovao izay iarahana amin’ireo mpiara-dia amintsika hatrizay ary tsy niova tamin’ny foto-kevitra ijoroany. Iza no tena miady ho an’ny Filoha izao? Ny TIM ve sa i Zafy? Ny TIM ve sa ny MFM?
    Ary aoka hazava ny resaka fa ady sy fitadiavana ny soa ho an’ny Tanindrazana izy ity fa tsy vitan’ny resaka zanaka sy ray aman-dreny akory ka anaovana kitranotrano. Etsy andaniny koa ny Fihavanana izay ampiasaina amin’ny fomba mivilana. Tsy afaka miaraka ny fitiava-Tanindrazana sy ny Fihavanana amin’izao fotoana izao ary izany no anisan’ny fositra eo amintsika malagay.
    Masina ny Tanindrazana

  19. Amiko manokana aloha dia aleo hadaboka le FIHAVANANA fa mandany andro
    Very fotoana fotsiny isika 2 taona ngarangidina izay ary mbola mety hitohy lavabe ny firesahana sortie de crise. Tsy mety ny MIHAVANA amin’ny mpangala-pahefana sy bois de rose sy ny sisa sy ny sisa..

  20. « ils voulurent la paix , ils eurent la guerre  » dit Churchill

    « nitady ka nahita » hoy ny nenibenay

    les jomaka peuvent relayer en périphrases …plus crues.

  21. Soyez plus intelligents ! ne vous laisser pas manipuler par ce site my dago point com ! on peut dire n’importe quoi à n’importe qui
    Bande de lol va

  22. Asaivo manao « congresy » izay milaza fa mitarika VAHOAKA. Tsy mandoa vola ny mpandray anjara. Dia ho hita eo izay tena mahazaka vahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *