Notsipahan’ny ankolafy telo ilay soridalan’ny Sadc

Les trois chefs de mouvance

Les trois chefs de mouvance
Les trois chefs de mouvance

« Tsy nahomby ny fifampiraharahàna » hoy ny Filoha telo mirahalahy

Notsipahan’ny ankolafy telo tarihin’ny filoha Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana ilay soridalan’Ingahy Simao avy ao amin’ny Sadc, noheveriny hamerenana ny Demokrasia ao Madagasikara.

Miantso ireo filoham’pirenena mpikambana ao anatin’ny vondrona Sadc, hihaona amin’ny faran’ny volana izao, izy telo mirahalahy, handinika maika ny toe-draharaha.

Ny Filoha Ravalomanana, izay niteny amin’ny anaran’ny filoha telo miarahalahy, dia nilaza omaly fa tsy mahomby io sori-dalana io ary manome vahana ny mpitondra tsy ara-dalàna, izay namerina tamin’ny toerany ilay praiministra teo aloha, hitarika governemanta hiaraha-mitantana sy tsy mitanila, ka hikarakara fifidianana eo ambany fiadidian’ny vondrona iraisam-pirenena.

“Miantso ny Sadc izahay hanaiky fa tsy nahomby ny fanelanelanana nampanaoviny. Ny fijerin’ny vahoaka Malagasy ireo mpanelanelana dia mitanila, manampy ny fanjakàna tsy ara-dalàna.”

“Fanitsakitsahana tanteraka ny hasin’ny vahoaka Malagasy izay ao anaty fahantràna izao zavamitranga izao”, hoy ny filoha Ravalomanana. “Nihezaka izahay ny hifampiraharaha amin’ny alalan’ny Sadc, hiverenan’ny fandripahalemana sy hoan’ny tombotsoan’I Madagasikara”.

“Sarotra aminay ny hino fa hitazam-potsiny ny fitohizan’izao fitondràna tsy ara-dalàna izao ny Sadc sy ny vondrona iraisam-pirenena.”

“Ny fifampiraharahàna tsy mbola vita nefa dia nanangana governementa vaovao ny filohan’ ny mpanongam-panjakàna. Na dia eo aza ny filazan’ny ny sori-dalan’ny Sadc fa tokony governemanta iraisana no hatsangana, ary ny praiministra dia tokony avy amin’ny ankolafy hafa mba tsy ampitanila ny fitondràna, mandra-pahatonga ny fifidianana.”

“Tsy firaharahina tsotra izao ny voasoratra ao anaty sori-dalana izao fanendrena ny olona tena akaiky azy izao, ho praiministra. Tokony mandray fepetra haingana ny Communauté Internationale mba hamahana ny olan’ny vahoaka Malagasy.” hoy ihany ny filoha Ravalomanana.

Ity ny dikan-teny malalaka amin’ny teny malagasy. Mirary soa !

2 pensées sur “Notsipahan’ny ankolafy telo ilay soridalan’ny Sadc”

  1. That is having a tad bit more surmamy, but When i very much prefer the Zune Current market. This interface can be colourful, has a lot more exuberance, and many neat capabilities similar to Mixview’ of which enable you to swiftly observe linked albums, melodies, or even additional people linked to what you’re enjoying. Simply clicking on a type of will probably give attention to that will piece, as well as yet another group of neighbors will come straight into check out, allowing you to get around about researching by simply comparable artists, melodies, or even consumers. These are customers, your Zune Social is additionally good exciting, letting you uncover people together with discussed likes and becoming good friends using them. You then could focus on the playlist developed depending on an merger involving exactly what your friends are generally hearing, and that is furthermore pleasurable. Those people focused on level of privacy will likely be relieved to understand you are able to avoid the open from finding your own personal tuning in practices when you thus choose.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *