Rava sy ny nidoboka ny « feuille de route-n’i Simao » (+ photos 61 + videos 4)

Magro 21 Martsa 11

Magro 21 Martsa 11
Magro 21 Martsa 11

Niharan’ny sazy tsy mahazo makany Afrika i Ratsirahonana !

Tonga nanao tatitra tamin’ny mpiara-mitolona tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ireo solon-tenan’ny ankolafy Telo tamin’ity tolak’andro ny Alatsinainy ity, nahitana an’i Manoro Regis sy Montfort Razafimahefa ary Ravatomanga Roland, tonga marobe toy ny mahazatra nanohina ny antso ihany koa ireo vahoaka Malagasy liana té haheno ny vaovao mahakasika izany.
Tsy misy ahiahy sy tahotra intsony no hitenena fa « Rava sy midoboka « hatreo ny ny feuille de route-n’i Dr Simao hoy ny Senatera Ravatomanaga Roland.Novakiany bantsilana ihany koa fa mbola niharan’ny sazin’ny SADC ingahy Ratsirahonana koa tsy afaka nitety an’i Afrika.
Nampanantsoin’i filoha Ravalomanana ihany koa tao Johanesbourg ingahy Chissano hoy izy koa « noteren’i Filoha Ravalomanana handray ilay tondro zotra vaovao ingahy Chissano koa dia nitsanga ary niteny hoe : « raisoko am-pitiavana ity andriamatoa filoha »

Rehefa nidoboka iny ny tondro zotran’i Simao iny dia tsy maintsy hitsangana haingana ny « feuille de route tena » izy araka ny hitiavan’ny ankolafy telo azy hoy hatrany ny senatera Ravatomanaga.Nilaza ihany koa izy fa rahampitso dia hisy solon-tena indray ho any Maputo hamonjy ny filoham-pirenena Mozambikana.

Fihaona an-tampony eto Antananarivo alohan’ny 31 Martsa 2011.

Hanao faran’izay herin-tsika isika ary indrindra ny filoha Ravalomanana koa dia tsy mahandry izany amin’ny faha 31 Martsa hivorian’ny Troika hanapa-kevitra momba ny Madagasikara fa mitaky faran’izay haingana hanaovana ny fihaona an-tampony amin’ireo filohan’ny movansy eto Antananarivo hoy ny sanetera.
Tandrametraka Ilay « feuille de route-n’i Simao satria tsy nisy nilaza fa i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita tena izy, ao anatin’iny tondrozotran’i Simao, kanefa dia misy milaza fanamafisanana ny maha filoha azy io tondrozotra io.
Rehefa tafatsangana ny tetezamita tena izy vao hamaritra isika ny ho izay filohan’izany tetezamita izany isika hoy izy, faharoa tsy hanekena an’iny tondro zotra iny koa dia misy filohan’m-pirenena manana fahefana mihoatra noho ny filoha voafidim-bahoaka ny voasoratra ao anatin’iny feuille de route iny.

Tsy asiana fepetra intsony ny fodian’ny filoha Ravalomanana !

Mbola nanamafy ny antony tsy hanekena ilay tondro-zotra nataon’ingahy Simao koa Ravatomanaga : « aza asiana fepetra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana », avereno izy raha tiana hisy filaminana eto amin’ny firenena, avoahay daholo ny gadra-politika rehetra singanina manokana ny filohan’ny delegasiona dia i Mamy Rakotoarivelo izany.Fepetra farany ihany koa, hoy hatrany Ravatomanga, ny tokony hamoahana ny haino aman-jery , « avelao haneho ny heviny ny vahoaka malagasy », amin’ity herinandro ity hoy izy dia hisy fanambarana lehibe hataon’ny filoha Ravalomanana.
Avelao hangana governemanta izy fa tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy raha tsy tafiditra ao ny ankolafy telo hoy ny namaranany ny kabariny.
.
Jereo eto, Photos Magro 21/03/2011 (1/4) miisa 10.
Jereo eto, Photos Magro 21/03/2011 (2/4) miisa 10.
Jereo eto, Photos Magro 21/03/2011 (3/4) miisa 10.
Jereo eto, Photos Magro 21/03/2011 (4/4) miisa 5.
.

.
Jereo eto, Photos conférence de presse, Villa La Franchise 21/03/2011 (1/3) miisa 10.
Jereo eto, Photos conférence de presse, Villa La Franchise 21/03/2011 (2/3) miisa 10.
Jereo eto, Photos conférence de presse, Villa La Franchise 21/03/2011 (3/3) miisa 6.
.

.

.

.

8 pensées sur “Rava sy ny nidoboka ny « feuille de route-n’i Simao » (+ photos 61 + videos 4)”

  1. Dia efa mazava be izany! Aleo hanangana ny governementany ny Vazaha be VIT’alina fa dia miala maina fotsiny eo! tsy mieritreritra ny tena izy fa mitady hihinana fotsiny!
    Dia mba jereo anie tao amin’ny MA-TV ny paozin’ny voalavo fotsy Mémé tao aorian’ny Vazaha be e! Tena hita mihitsy ny maha-« face de rat…on laveur » azy, mpanasa ny zavatry lery e!
    Hugh! Visage pâle à l’esprit de squaw!

  2. Iny sary iny, nalaina fony ingahy VIT’alina nanao fanambarana ny autoproclamation-ny ho PM, no avoaka isan’andro vaky izao ao ê!

    Un coup bas qui fait mine, et pourtant RIEN, de réussir!!

  3. Vos propos sont appréciés, mais ca fait combien de temps que nous leur avons donné des pseudonymes et noms « ompa sy teny ratsy », ca ne leur fait ni chaud ni froid.

  4. Eheh
    Paraph = Signature
    Foza = Vahoaka
    Kara – pokotany = Kara- panondro
    Coup d’Etat = Election
    DROLE D EQUATION A LA MALGACHE et dire que Hendry ny malagasy, Hendry ny Malagasy fa vendra- T raha izao no ekena

  5. peut-on avoir les photos des délégations qui ont rencontré la troika en Zambie,Botswana etc.. s’il y en a.

  6. Raha toa ka rava tokoa manino no tsy re izany ara ofisialy fa ianareo no mahita volana alohan’ny biby?Sa moa mpanao revingadra ka dia mamorona sinema eto amin’ny internet sisa rehefa kely hery?

  7. Eh!SSSSShhhhhhhhh!
    Impiry moa izay ianarao Tena Gasy Vendrana ireo no efa nanao fanambarana momba ny referendum, fananganana Repoblika, assise, concertation,…. kanefa hatramin’izao mbola tsy hita mangirana e?
    Ary indrindra indrindra, aiza ny fankatoavana raha vao avy nanendry an’i Camille VIT’alina iny i Andry RADOMELINA!…. Tena hita aloha fa vavan’olona Sima ô! iny ravin-daisoa nataonareo iny ka sima,… hoay azafady, mivilana hatramin’ny tao anatiny!
    Dia atsangano indray ny Governementanareo e!… Dia ho hita eo raha ahazo fankatoavana na tsia!
    Mampahonena e! Nihevitra izahay fa mba olona manam-pahaizana no eo amin’ny fitondrana, kanefa tena olona « sans qualité » toy ny Lehibeny ihany!… NNNNtttttttsssssôôôôôô!

  8. ALEO MITSY ANDEHA AM’zao éééé!!!!! de samy manana ny feuille de routiny!!! MATOKIA FA TSy miala ary tsy hanaiky tsony tsik ééé!!!! MISAOTRA an’i PR ZAFY Albert !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *