Tsy hisy fepetra ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana !

JL Rakotoamboa Magro 23/03/2011
JL Rakotoamboa Magro 23/03/2011
JL Rakotoamboa Magro 23/03/2011

Araka ny kabary nisesy tetsy amin’ny Magro Behoririka dia mety hisy zavatra hiseho ato ho ato eto amin’ny firenena.Tsy idirantsika lalina ny amin’izay fa ho taterina aminao hatrany ny vaovao rehetra mitranga eto Dago, fa ny nanaitra tamin’ny lahateny nataon’ireo nandaha-teny dia samy mangataka tsy misy fepetra ny famoahana an’i Mamy Rakotoarivelo izy ireo, « Poizina ho an’ny FAT » ny fanagadrana azy hoy ny ankolafy telo.

Nampiavaka ny teo an-kianja androany ihany koa ny fidirana mivantana tamin’ny antso an-tariby nataon’ny filoha Ravalomanana, ny fanomezan-toky fa hivaha tsy ho ela ny krizy ary efa nanaiky hamaha sy hijery ifotony ny olana eto Madagasikara ny Afrikana Tatsimo satria efa lava loatra ny krizy hoy izy. Zava-dehibe ho amin’ny famahana ny krizy ihany koa io fivoriana ataon’ny « Troika » amin’ny faran’ny volana io hoy ny filoha.Nilaza ihany koa izy fa « tsy hisy fepetra ny hahatongavany » eto an-tanindrazana hamaha ny disadisa politika. Tsy nohadinoiny ihany koa ny namaky bantsilana fa tsy miresaka amin’ireo mpamadika palitao ny tenany.

Jean Louis Rakotoamboa, filoha nasionalin’ny antoko TEZA indray kosa dia nilaza fa ny mahatonga ny firenena latsaka an-kady toy izao dia vokatry ny ataon’i Lafrantsa. Be loatra ny tombontsoa hita eto Dago, hatramin’ny toetr’andro tsara sady tany mahavokatra, ny fanana harena an-kibon’ny tany na vatosoa isan-karazana na ny solika sy ny akora fanodina, sns… no antony hanampian’ny Lafrantsa ny mpanongam-panjakana »ady tombotsoa no misy eto » hoy izy. Hiady amin’izany fanapotehana ny firenena izany isika ary tsy hanaiky lembenana ny amin’izany ny tia tanindrazana.
.

.

.

.

2 pensées sur “Tsy hisy fepetra ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana !”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *