Tsy ho ankatoavan’ny Troïka io tondro zotra io, tahaka izany koa SADC, UA, UE, ONU !

Magro 30 Martsa 11
Magro 30 Martsa 11
Magro 30 Martsa 11

“Inona no vitako raha ireny no vitan’ny razako tamin’ny 1947?” hoy Ignace solon-tenan’i Moramanga, ny filoha rehetra nifambimby teto dia nahavita ny adidiny teto Antananarivo aloha vao namonjy an’i Moramanga. Ilay kely kosa hafa dia hafa satria novitaina haingana dia haingana ny fombafomba rehetra ary any anatiny ny toby miaramila no mikabary, hoy ihany izy

 

Notsindriany manokana tamin’ny laha-teniny koa fa tena nahavita ny fanekeny tokoa Rajoelina ny namerina ny Frantsay hanjaka eto hoy izy.

Tia tanindrazana ve ianao dia nandoro tanàna, nandrava fananan’olona, ny fampidirana ny firenena amin’ny krizy, ny fampitahorana ny vahoaka sy ny fandoroana azy ireo ? Mifanohitra tanteraka tamin’ny 1947 ny ataon-d Rajoelina ary mandatsa ny maritiora.

Amin’ny maha Mpitandrina an’i Pst Edouard dia fanoharana tao amin’ny Baiboly no notateriny tamin’ny kabariny :” Jericho no fanjakana natanjaka indrindra teto an-tany fa rava ihany ny manda” koa mainka moa fa ny fitondran’iAndry Rajoelina ? hoy ny fanontaniana napetrany.

I Mektoub indray dia nisaotra ny vahoaka tonga maro tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa . Soa fa nisy ny omaly ary fandresena iny hoy izy. Very tamin’ny 17 martsa 2009 manko ny fahaleovan-tena koa mila fanampan-kevitra maika ny firenena.

Ingahy Fetison kosa dia nilaza ny vaovao momban’i Mamy Rakotoarivelo ary toy izay ihany ko izy telolahy, samy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy ireo hoy izy.

Mbola tsy vita ny tolona ity mpitari-tolona ity , mbola maro no any am-ponja noho ny tondro-molotra. Hiakatra tribonaly ny mpitolona telo mianadahy avy ao Antsirabe satria nanentana olona nitsena ny filoha Ravalomanana izy ireo. Heloka ve ny fitsenana eny Ivato ? hoy ihany I Fetison.

Menatra ny FAT satria vahoaka hendry sy matotra ianareo, tsy mety kivy .Nilaza ihany koa I Rakoto Andrianirina Fetison fa lasa ary efa anaty fiaramanidina hamonjy ny fivorian’ny Troïka i Ravalomanana, mampanontany tena ny Troïka raha rango-pohy dia hahafahana manangana governemanta ? Noho izany dia fantampantatra fa tsy ho ankatoavan’ny Troïka io tondro zotra io tahaka izany koa SADC, UA, UE, NU.

Aoka isika tsy ho kivikivy foana ary midera ny vahoaka mitaky ny ara-dalana hatrany ary mila tonga maro hoy izy.
.

Jereo eto koa ny sary Photos Magro 30/03/2011 (1/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 30/03/2011 (2/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 30/03/2011 (3/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 30/03/2011 (4/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 30/03/2011 (5/5) miisa 7.
.

2 pensées sur “Tsy ho ankatoavan’ny Troïka io tondro zotra io, tahaka izany koa SADC, UA, UE, ONU !”

  1. Ny FATn’alika angaha mahafantatra ny dikan’izany hoe FANKATOAVANA izany e!…. Aminy ny atao hoe FANKATOAVANA dia FIBODOANA SEZA, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana!

  2. ééééééééééééé; Mikonetaka mangataka reconnaissance i maivandoha izao fa ééééééééééé.
    Aleo izy hanohy ny avy mangataka izahay eo fa TSY OMENAY ny anay o!

    OUSTE MIALA ny foza Ratsirahonana en premier lieu, i maivandiha tonga dia asisika any antin’ny patalohandratsorahonana hikoly tsara.

    TSY OMENAY NY ANAY o

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *