Tsy tokony hitondra anarana « TIM » intsony ireo mpamadika palitao toa an’i Raharinaivo sy ny Deputes miara dia aminy sy ry Yves Aimé…

Tsy izao adala tsy endry rehetra izao akory dia tokony afaka itonon – tena ho « TIM » ; Taloha raha nizarazara ny AREMA dia nisy ny AREMA AMBOHITSOROHITRA ( Ratsiraka ) sy ny AREMA ISORAKA ( Razakaboana )

Koa angatahina Raharinaivo sy ireo députés TIM, mpamadika sahala aminy, tsy andoto rano, ka tsy hampiasa ny anarana TIM intsony izay iarahan’ ny maro an’ isa miaraka amin’ny Filoha Rahavalomanana efa aman-taonany maro;tsy mila fivorian’ ny comité directeur ny amin’ izany ny voa avy amin’ ny HAT efa any ampaosiny tsy mila fanazavana intsony ny amin’ izany.

Jereo ny premier ministre frantsay teo aloha rehefa voaroaka na nametra–pialana dia namoronona parti politique vaovao fa tsy ny UMP–an’ i Sarkozy intsony no entiny amin’ izao fotoana izao. Izany, Tompoko, no atao mpanao hoe politika misaina ary tsy voavidim – bola !!!

Na dia ny mijery ny tarehy, ny maso, ny vaki–tapon’i Raharinaivo aza ; ary ny takolaka sy ny kibo ben’ i Yves Aimé dia efa mitory sahady ny toetra ratsin’ izy ireo, ny fitiavany vola tsy amin’ ny marina ary ny fitiavany seza na dia amidianan’izy ireo ny ray sy ny reniny aza !

Misoratra mazava eo an–tampikandrin’ dry–zareo izany toetra ratsy rehetra izany.

Etsy andaniny, Fetison izay efa nanaiky hatramin’ny voalohany –première médiation internationale en 2009 , tao amin’ny Carlton, fa tsy mampaninona azy raha Rajoelina– putschiste no filohan’ ny tetezamita fa, hoy izy tamin’ izany hoe « izao… sy izao… avy no angatahinay » (resaka seza fotsiny ny ady eo) dia ireny Fetison niteny ireny indray fa tokony ampiarahana ny hevitra farany teny Ivato (DE LA CENTAINE DE PARTIS POLITIQUES PRO–TGV) sy ny hevitry ny trois mouvances teny Ivandry. Afakely hoy aho ity Fétison ity. Fa iza moa izy no afaka hiteny sahala amin’ izany amin’ny mpanao gazety.

Koa tsy dia mahagaga raha amadika palitao sahala amin-dry Sylla, Alain Andriamiseza, Raharinaivo sy ny deputés hafa –tsy ilaina ho tononina eto akory ny anaran’ izy ireo– Yves Aimé ity Fetison ity. Enga anie mba tsy voatariky ny karama be, voninahitra be, 4X4 be avy amin’ny « sonia mora ». Jereo ireo la queue be teny Ivato omaly alarobia 09 MARS ( alarobia tsy miverina fa nanandro indray ny faty ) ny hafa koa. Mbola tsy tena mazava aminay ny momban’ i Mamy Rakotoarivelo. Nahoana moa no tsy nanaja tena toa ny « Mouvances Ratsiraka sy Zafy » ?

12 pensées sur “Tsy tokony hitondra anarana « TIM » intsony ireo mpamadika palitao toa an’i Raharinaivo sy ny Deputes miara dia aminy sy ry Yves Aimé…”

  1. PERSONNELLEMENT, C’EST LA FEUILLE DE ROUTE QUI M’INTERESSE. CHAQUE CITOYEN DOIT ETRE LIBRE DE SE PRESENTER AUX PRESIDENTIELLES, TOUT COMME CHAQUE CITOYEN EST LIBRE DE CHOISIR SON CAMP.
    C’EST UNE QUESTION DE PRINCIPE.
    BREF, POURQUOI VEUT-ON A TOUT PRIX EMPECHER RAVALO D’Y PARTICIPER? C’EST LOUCHE TOUT CELA. D’AILLEURS, SI LA SADC PERSISTE SUR SA PROPOSITION, ELLE EN SERA RESPONSABLE CAR ELLE EST EN TRAIN DE LEGITIMER UN PUTSCH.

  2. La feuille de route de Simao, n’est rien d’autre qu’une façon de légitimer un putsch ! Vous avez parfaitement raison !
    Cette feuille de route n’est pas l’oeuvre de la SADC, mais celle d’un pays qui ne se trouve même pas en Afrique !

  3. Zao no marika fa par interet daholo no niarahanareo rehetra tao, efa madiva ho lany ny volan’i ra8 mpangalatra de mia miparitaka daolo ry adala isany! toy ireny parasy miala rehefa maty ilay alika nipetrahany he! he! he! mbola aiza nefa zany e! mbola hataon’ny vahoaka maro an’isa aiza anefa nareo ry miseho azy ho tim isany a! mpangalatra sy mpamono olona mianakavy! mpanapaoka baomba tsy lazaina intsony! de ty zany le tsotsoro-mamba hisarahana ko! nilay ery ny nijery an i alain sy fetison tao am tv plus omaly, tsy nahita navaly ingahy fetison fa nipasopasoka sisa! de samy tim ihany ireo fa nifandramatra e!

  4. Mitsinjo

    Aza avadika ny resaka. Ny vahoaka dia vahoaka. Ny maro an’isa tsy ialahy isany jiolahim-boto sy tafika voavidim-bola milelaka ny jiolahim-boto frantsay, ary ny mpangalatra sy mpamono, mandrava, mivelona amin’ny halatra dia ianareo ihany. Ny amboa aza mbola misy itiavana azy. Avelao hamadika izay hamadika, mampitombo ny fitiavanay ny tanindrazanay sy ny fanajana ireo razana nitolona nanohitra ireo mpanjanaka lelafinareo.

  5. mitsinjo,
    tsy mitsinjo lavitra ianao, ny mbola olana anie dia tsy ny porofo fa mpangalatra sy mpamono olona ny tim e! izahay miandry, ary tokony hatao izay hodian’i ra8 hijerena ny tena marina. Ho betsaka no diso fanantenana satria tsy lavitra.

  6. Mitsinjo ny vola azo avy amin’ny fanonganam-panjakàna ireny ê !
    Betsaka ireo lasa be vola tampoka, noho io firenena mikorontana io !
    Vive la crise !

  7. Tena maha-kivy ny nataon dpté mémé, tena dépité mhntsy izahay mpandala ny ara dalàna. na de ny nanampinay anao nitsoaka avy tao @ magro fotsiny aza ve r sé dia tsy mba nampierieritraritra kely an’sé. Sa tokoa efa histoire ancienne ireny fa vola, vola, vola be an hat (-ay) zao no malaza ka de tu as vendu ton ame au diable. Misaotra é, misaotra mémé a !

  8. FA INONA KOA MOA NO NITONANTONANA°IREO TSY MISY SAINA IREO TANY IVATO E ! TSY EFA HOE NISY DIABE VE NY MARAINA KO MANINONA NO MISABAKABAKA. SA WE IZAY MANDRESY DIA TAFIDITRA AO FOANA. SOLOY IREO RAVALO FA TSY MISY HAZON-DAMOSINA ARY TSY ELA DIA HAMADIKA ANAO

  9. Izo no valin’y fanampiana natao an’i meme sy hery Raharisaina, ra-jo sy i Aina… tena tsy rariny no nataonareo. Mba tadidinareo moa ny nahazo ny namana nohon’ny tolona indrindrindra t@ ireo zavatra nirahantsika.. izao ianareo dia hita fa fa sady mpamdika no olon amabany fisainana.. fantaro fa be loatra ireo hifakahalalantsika.. ary tsy miantsy hiverina @nareo izao zavatra izao…..

  10. Izao no valin’y fanampiana natao an’i meme sy hery Raharisaina, ra-jo sy i Aina… tena tsy rariny no nataonareo. Mba tadidinareo moa ny nahazo ny namana nohon’ny tolona indrindrindra t@ ireo zavatra nirahantsika.. izao ianareo dia hita fa fa sady mpamdika no olon amabany fisainana.. fantaro fa be loatra ireo hifankahalalantsika.. ary tsy miantsy hiverina @nareo izao zavatra izao…..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *