Voaray soa aman-tsara ny taratasy teny amin’ny UN Andraharo !

Andraharo 10 Martsa 11

Andraharo 10 Martsa 11
Andraharo 10 Martsa 11
Tonga teny amin’ny foibe toerana misy ny firenena mikambana teny Andraharo ny vahoaka miara-dia amin’ny ankolafy telo sy ny mpitarika azy ireo notarihan’ny filoha Zafy Albert, Emmanuel Rakotovahiny Manoro Regis, Pr Ramiandrisoa Jean Marcel hoan’ny ankolafy Zafy, nahitana an’I Pr Ange Andrianarisoa sy ny Printsy Elakovelo ary Ramatoa Ramisandrazana ny ankolafy Ratsiraka, Rev Satrobory hoan’ny ankolafy Ravalomanana, efa tara ihany vao hita teny an-toerana Manandafy Rakotonirina.Tokony ho tamin’ny 11ora sasany teo eo no niditra ny foibe ireo solon-tena ary nivoaka tokony ho tamin’ny 1 ora mahery teo.

Araka ny tatitra nataon’I Lalatiana RAVOLOMANANA dia nambarany fa tsara be ny resaka natao-ndry zareo tao. Ny ankolafy telo sy ny namany dia misokatra amin’ny adi-hevitra rehetra fa tsy ilay tikano tsy tikano hoy izy. Ingahy Manoro Régis kosa dia nilaza fa nitaraina izahay fa tsy nety ny fitondran’i Simao ny dinika ary mivangongo amin’I Andry Rajoelina ny ny fahefana, PM, CENI…tsy mahavaha olona izany ary ho diso fanantenana ireo mihevitra hirotsaka ho fidianana na inona na inona fifidianana. Aleo mitady vahaolona tena izy dia ny fihaonan’ny lehiben’ ny ankolafy rehetra eto Antananarivo hoy ny tenany.

Nanome fotoan-dehibe hoan’ny vahoaka indray moa ny ankolafy telo rahampitso Zoma 11 Martsa 2011eny Andranomena fa dia hanatitra izany taratasy izany indray eny amin’ny Masoivoho Amerikana ry zareo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *