Yves Aimé Rakotoarison : sady tsy an-tany no tsy am-parafara !

Yves Aime Rakotoarison
Yves Aime Rakotoarison
Yves Aime Rakotoarison

« Na hiposaka avy any andrefana aza ny masoandro tsy hahazo fankatoavana eo inareo FAT » hoy i Yves Aimé Rakotoarison raha nikabary tetsy amin’ny kianjan’ny Magro izy volana vitsivitsy lasa izay. Tampoka teo anefa, nihazakazaka nanao rango-pohy ilay sori-dalan’i Dr Simao ny tenany sy ireo mpanara-dia azy ary nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety fa hiditra ao amin’ny « système  FAT » ry zareo, « matoa izahay miditra ao dia hahazo fankatoavana io sori-dalana io » hoy indray izy avy eo. Nidoboka hatreo anefa izany « revi-gadran’i Mémé izany, lasa mpitari-bato vilam-bava hatrany ity solombavambahoakan’ny Faradofay ity, « fay » hatreo angamba amin’ny fivadibadihana amin’ny fanaovana politika, tsiahivina ihany koa fa i Rasomotra, dia efa namoaka vava ihany koa fa « izay mivadika aloha » amin’i Dada dia ho « kely ilay » :  ny vava , hono,  no tsy atao be ny mamerina azy no tsy laitra !

Tsy niandry ela fa vao omaly ny omaly no nilaza mivantana ny filoha Ravalomanana fa tsy mifandray an-telefona amin’ny ekipan’ny Tsiazotafo ity izy ary nanala avy hatrany azy tsy ho mpiara-mitantana amin’ny ankolafy Ravalomanana intsony, nosoloina ny depioté voafidy tany amin’ny faritra Androy, Fanatera Login.

Midika avy hatrany izany fa sady tsy an-tany no tsy am-parafara ny ekipa tarihin’i Mémé.Etsy an-daniny ihany koa hitahiry « biby an-trano ny FAT » raha hampiditra azy ao Mahazoarivo satria dia tsy ho menatra ny hivadi-dela eo indray ry zalahy ireto indrindra amin’izao an-katoky ny fahatongavan’i Dada an-tanindrazana izao.

Ny mahatalanjona amin’ireto « jiolahy politika « ireto dia ny tsy fahatakarany  fa raha mbola hikasa hirotsaka ho fidiana amin’ireo fifidianana ho avy izy ireo dia tsy ho lany izany mihitsy raha tsy mampiasa ny anaran’i Dada, « ratsy tarehy maka vady manko hoy ny Ntaolo, ny anaran-dray no enti-mangataka »…

7 pensées sur “Yves Aimé Rakotoarison : sady tsy an-tany no tsy am-parafara !”

  1. Izany no ataon’ny fiteny hoe: « aza mandrora mitsilany » ary koa hoe « mahaiza mamafa lelo fa hiditra ao am-bava ihany raha tsy voafafa tsara »!
    I Voalavo fotsy Mémé izao no iharan’izany! Ary ny tena mahagaga dia mba lehilahy milaza ho mpivavaka kanefa dia kay Jodasy!.. Dia ekeo ny mahazo anao Andriamatoa nohon’ny fahakelezan’ny sainao sy ny eritreritrao!
    Raha sanatria alika ianao (na dia efa niditra tamin’ireo FATn’alika ireo aza), dia hoy aho hoe: « LA QUEUE BASSE ET ENTRE LES JAMBES »! Mampahonena!

  2. Mba misaina ry SSShhhhhh a! Aza dia mampiseho ny maha-kely loha anao sy ny tsy fahaizanao mandalina!… Tena mampiseho ny maha-loham-borontsiloza anao miitsy ny zavatra teneninao

  3. Efa hita ry ziry fa loham-poza nekraofazy, koa aza atao mahagaga ê ! Faly sy mitsinjaka noho ny fahorian’ny mpiray tanindrazan’aminy !

  4. Manaja ny Finoan’ny rehetra ny tenako ( ao anatin’izany ny prezidà Ravalomanana ), fa lasa nataon’ny sasany fomba hisolokina ny vahaoka, ny FITAZOMANA BAIBOLY !
    MBA JEREO KELY ANIE NY ENDRIK’IO JODASY IO ( TSY HO ELA DIA HO TONGA NY PASKA)!!! MAHAVITA MANAO VOADY EO IMASON’NY VAHOAKA, KANEFA TSY TAHOTRA TSY HENATRA DIA MAHAVITA MAMADIK’AZY NOHO NY VOLA !!!

  5. SHHH sy Nadia dia olona ray, foza kely i Rajoelina : tsy mahagaga ny fitiavany mitsinjaka noho ny fahoriany vahoaka…..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *