Andry Rajoelina, am-bavahoana ny …

Araka ny fanambarana azo tamin’ny fiadidiana ny fifandraisana avy eny Ambohitsirohitra dia nambarany fa niverin-dalana ny fiara-manidina manokana saika hitondra ny ekipan’ny mpanongam-panjakana rehefa nandeha 20 minitra teo ho eo hihazo an’I Zambie .

Araka ny nambarany ihany dia toa saika hisy hanao sabotazy ny diany, eo no mahagaga ny mpanara-baovao.F’angaha moa tsy Jet Privé manokana handoavam-bola sy raitra sy tsara fanaraha-maso io saika handehanany io? f’angaha moa tsy efa tsara mpiambina izy?  sa misy olona manodidina azy saika handefona ivoho azy? raha ny fantatra manko dia tsy hisy olona hafa afaka hiditra amin’ny toerana niambenana io Jet Privé io afa-tsy ny mpiambina sy olona voafantina. Io ihany  ilay fiara manidina nitondra azy mianakavy kely “ nitsangatsangana” tany Emirats Arabes Unis tamin’ny fetin’ny Paska teo.Voan’ny tsinin’ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy manan-kohanina, ilaozan’ny filohany mandany vola mandehandeha mitety tany sa nianjeran’ny todin’ny Air force one ilay kely?

Eren-doza, miantso loza, idiran-doza …araka ny tombatombana  dia na sinema ataon’ny FAT indray iny handemen-tsaina ny vahoaka zary efa zatra film FAt, na koa voarara tsy hahazo hisidina sy hihazo an’I Zambie I Andry Rajoelina amin’ny maha olom-boasazin’ny SADC azy koa dia mody manao paik’ady eo hialana pa amin’ity Notam ity, misy koa ny milaza fa noho ny tsy faneken’ny Jakob Zumma handray azy  kanefa I Monja Roindefo sy ny filoha Ravalomanana dia noraisiny soa aman-tsara koa dia niverimaina ny FAT, farany mety ho tena nisy nikasa hamono araka ny nambarany tokoa izy?

Izany rehetra izany no midika fa efa akaiky ny farany, am-bavahoan’ny farany ny FAT…

2 pensées sur “Andry Rajoelina, am-bavahoana ny …”

  1. La preuve dudit sabotage était que « les toilettes du jet privé ont déjà été utilisées » [sic].

    Tay be indray izany !
    ===================
    ils seraient morts…emmerdés!!

  2. L’hypothèse n’est pas à éliminer:
    « misy olona MANODIDINA AZY saika handefona ivoho azy? »

    Si l’on arrive à pénétrer le villa où loge Alain Ramaroson,
    je doute fort que ce ne soit transformé en un abattoir HUMAIN!

    Lui ne s’arrête de répéter que « si une mouche vient de le piquer, la mouche (sic!) verra de quel bois il (ramarosaona) se chauffe ».

    Enfin, entre autres…

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *