Ankolafy telo : roso ny dia tsa mipody koa !

Signature - Villa Elisabeth 16 Avril 11

Signature - Villa Elisabeth 16 Avril 11
Signature - Villa Elisabeth 16 Avril 11
Taorian’ny antso avo nataon’i Pr Zafy Albert ny 03 Martsa 2011 lasa teo, izay namakiany bantsilana fa efa lany daty ny fitondran’i Andry Rajoelina, nanambarany ihany koa fa tsy misy fanjakana ara-dalana intsony eto koa mahazo manangana izay tiany hatsangana ny olom-pirenena, dia « roso ny dia tsa mipody koa ».

Nisokatra nanomboka androany ny fanaovan-tsonia ireo hery ivelan’ny ankolafy telo ka té hanatevin-daharana ny tolona hanajoroana ny tetezamita tena izy.Tsikaritra teny amin’ny Villa Elisabeth fa maro ireo nanatevin-daharana ny ankolafy telo toy ny : FRDL tarihan’ny Tonton Ambroise, Fifar 192, Ambalambahoaka, ireo fikambanana sns…mandram-pahariva ny andro moa dia mbola maro ireo nanao sonia .

Araka ny tsilian-tsofina heno teny an-toerana dia hisy fanambarana lehibe hitranga ato ato aorian’izao fijoroan’ny « mouvance elargie » izao koa dia miandry izany ny mpanara-baovao.
.

Jereo eto koa ny sary Photos Villa Elizabeth 16/04/2011 (1/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Villa Elizabeth 16/04/2011 (2/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Villa Elizabeth 16/04/2011 (3/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Villa Elizabeth 16/04/2011 (4/5) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Villa Elizabeth 16/04/2011 (5/5) miisa 10.

.

.

.

11 pensées sur “Ankolafy telo : roso ny dia tsa mipody koa !”

  1. lany hevitra !izay lazaina ‘fanambarana lehibe’;tsy hita zay fipoakany!tsisy inspiraka ntsony dadabe mpam’s bogosy

  2. Tsara rehefa betsaka ny manatevin-daharana ny ankolafy telo.Tsy mpijapy sy jamban’ny vola toa ny HAT sy ny AVI daholo ny malagasy fa mba tonga saina amin’ny fijaliana mahazo ny vahoaka.Efa manomboka mitrandraka solintany any andrefana any hono i Total.Aza mivady lasantsy amin’io mpivarotra io intsony.Efa lafo koa ny vidim-piainana ka tsitsio ny vola dia vidio ny etan’ny sinoa sy ny hafa fa bodoy aloha ny vokatra avy amin’i reny malala mandra-pialan’ny bitron’Ambatobe.

  3. Fomba tsara, entina hanehoana ny tsy fankasitrahana ny ataon’ny menasofina io lazain’i Bemafohy io ! Raha nanohitra ny anglisy i Gandhi, dia io no nampiasainy !

  4. MISAOTRA be dia be ho antsika rehetra miady amin’ny tsy rariny, amin’ny dondrona te hanao lalàna ary ny fotsy hoditra mpamono olona amin’ny fitiavan-tena.
    Tsy maintsy mandresy ny marina na ho ela na ho haingana ary tsy misy tokony ho kivy.

  5. EN CE QUI ME CONCERNE, QUE CHACUN PUISSE S’EXPRIMER. C’EST LA BASE DE TOUTE DEMOCRATIE.
    SI LES 3 MOUVANCES SONT CONVAINCUES QUE C’EST LA SEULE FAçON D’AVANCER, ALORS QU’ELLES LE FASSENT.

  6. Ity ilay fitenena hoe « IZAY SAHY MATY, MIFONO LAMBA MENA! » Vonona izahay avy any Toliary hanatevin-daharana ny tolona eto, ary tsy hiverin-dalana intsony! Aoka tsy hanao ohatra an’i Andry RADOMELINA isika ka « mi-renié » ny soniantsika!
    MIJOJO IZAO, ARY TSY MIPOLY INTSONY!.. TSY MISY MAVOZO, TSY MISY MILEFA!

  7. Mila mametraka ireo fototra haingana ny ankolafy telo, ny vahoaka efa ao fa mila apetraka ny aro amin’ny fampiasana miaramila.

  8. Fampiasana miaramila ahoana no tianao hahatongavana? fa nga fitaovana toa ny ao antokatranonao ka ampiasaina @ zay hitiavana azy; Havereno ho jeune aloha io dadabenareo miseho ho mpitaritolona ankehitriny io de ho hita eo ny tohiny; eo elah teo @ fitondrana t@1992 nahongan’ny olona koa zao vao inona indray.Sa manararaotra hoe tetezamita de manao izay tiankatao; aleo handeha ny fifidianana de ny vahoaka no hitsara anareo fa tsy mitsaratena.

  9. Mbola tsy lany ny volan’i Dada fa lanio mivorivory ao behoririka ao aloha; ny olna lasa ihany fa laozy miaraka @ ireo tsy manankatao eo.Ka ny TTM koa tsa mba hipody zany e! Efa toetra raikitra @ ity firenetsika ity mihitsy ny miady antrano; araka ny tenin’io ambony hoe aleo handeha ny fifidianana de hotsarain’ny karatra eo e! ireo matahotra fifidianana anie ireo mitady hanakorontana ireo foana satria handeha ny fifidianana tsy ho lany akory e.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *