Ataon’ ingahy Rolly Mercia anjorom-bala ny web-journaliste !

Censure d'Internet
Censure d'Internet
Censure d'Internet

Niteraka resa-be eo anivon’ny asa fanaovan-gazety  ny fomba nizarana ilay karatra maha-matihanina zarain’ny ministeran’ny  fifandraisana FAT.

 

Tsy mahazo izany tombontsoa izany ireo mpanao gazety amin’ny tranon-kala « web-journaliste », natokana hoan’ny onjam-peo, fahitalavitra, gazety an-tsoratra ihany hono izany hoy Rolly Mercia.

Tsy hatao mahagaga loatra aloha ny amin’izany, araka ny efa nampoizina vao tonga teo amin’io toerana maha Ministra azy io Rolly Mercia dia tokana no tanjony :  hametraka ny olony hitantana ny holafitry ny mpanao-gazety, mahabe olana eo amin’ny isan’ny mpifidy manko ny fampidirana ireo mpanao gazety amin’ny tranon-kala izay mihamaro tokoa tao aorian’ny fanakatonana ny haino aman-jery mpomba ny filoha Ravalomanana, tsy azo lavina  anefa fa maro ireo mpanao gazety miasa amin’ny  tranon-kala no manana fijery malalaka  ary matihanina tanteraka.

Censure d'Internet
Censure d'Internet

Amin’izao firoboroboan’ny haitao avo lenta izao anefa dia tsy azo hodian-tsy hita ny filazam-baovao amin’ny « interineto », eny fa na ingahy ministra aza dia amin’ny alalan’ireny no nanovozany ny loharanom-baovao havoakany  amin’ny gazetiny, eny hatramin’ireo mpanao gazety namana aza dia lasa fomba mahazatra ny « manovo vaovao » amin’ireny.

Ilaza miara-mahita isika fa ny raharaha FIGN dia teto amin’ny MyDago.com no namoaka izany voalohany na  ilay antsoina hoe « scoop », misy ihany koa ny momba ilay horonan-tsary mamoafady natao tao amin’ny FPVM izay ny namana mpanao gazety amin’ny tranon-kala no sahy namaky bantsilana izany voalohany, ny raharaha Bani, sns…ny dikan’izany dia manana ny lanjany lehibe tokoa ny filazam-baovao amin’ny tranon-kala, na dia modian’i FAT tsy jerena aza..Araka izany, mila ady amin’ny Web-Journaliste indray ingahy  Rolly Mercia !

6 pensées sur “Ataon’ ingahy Rolly Mercia anjorom-bala ny web-journaliste !”

  1. tena marina mihintsy zany solo razafy! Tsy voafehin’ireo efa goaika antitra ireo (Rolly mercia, james ramaroson,Franck raharison, etc…)izay mihevitra ny tenany ho tena avo lenta @ fanaovangazety ny tontolon’ny tranokala ka izay no antony tsy mbola hanomezany ny karatra pro angamba! Ireo no midongy ny sehatry ny fanaovangazety eto ka aiza mou no hivoatra ny tontolon’ny fanaovangazety??? Dia gaga vé isika raha ohatra ka tenenin’ny matihanina avy any ivelany hoe tsy ampy formation ny mpanao gazety gasy??? Mba omeo ny jeune izay afaka mis’adapte @ toetrandro misy @ izao fotoana izao @ izay ny sehatra dia ho hita eo fa tsy ireo olona butés d’esprit efa tsy afaka mivoatra ireo intsony no mitantana ny olafitra! raha mandinika nareo dia farafahakeliny 15 ans de service ireo!!!

  2. vao hoviana io Minisitra io no correspondant tany Maevatanana ( niteniteny foana angamba dia notorian’ny olona tany) t@ quotidien anakiray teto ??? ka angamba mba maka revanche izy @ izao dia izay conditions metimety @ izay manodidina anazy no critères hanomezana karatra! Tsy haiko aloha na marina izany na tsia fa resaka mandeha be eo @ samy mpanao gazety izany!ohatra fotsiny hoe, mpianatra mivoaka @ Ecole de Journalisme ve dia hitovy @ journaliste 3 ans d’expériences??? Farafaharatsiny ohatra mba asiana Carte prof provisoire dia rehefa mahafeno 1 na 2 ans de pratique ilay mpianatra vao nivoaka vô omena carte définitive satria isika samy mahafantatra fa ny ankabeazan’ireo mpanao gazerty eto ireo dia tsy nandalo Ecole de journalisme fa autodidacte fa saingy manana formation académique !

  3. Ireny minisitra sandoka ireny ange dia tsy mahagaga e, ireny no nitantara nivantana tao @ Viva sy nisarika ny olona ho eny @ Ambohitsorohitra t@ 07 Février 2009, nefa izao izy miseho mianakendry.

  4. Ireny minisitra sandoka ireny ange dia tsy mahagaga e, ireny no nitantara nivantana tao @ Viva sy nisarika ny olona ho eny @ Ambohitsorohitra t@ 07 Février 2009, nefa izao izy miseho mianakendry

  5. Ireny minisitra sandoka ireny ange dia tsy mahagaga e, ireny no nitantara nivantana tao @ Viva sy nisarika ny olona ho eny @ Ambohitsorohitra t@ 07 Février 2009, nefa izao izy miseho mianakendry

  6. Je croyais que apres la suppression de l’AGOA ,le FAT avait dit que la creation d’emploi se ferait par Internet ,et meme TGV avait demandé que les rencontres se fassent par video-conference entre les mouvances !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *