Atsangan’ny FAT ho fahavalon’ny vahoaka ny Tafika Malagasy !

Ambassade Maurice 08 Avril 11
Ambassade Maurice 08 Avril 11
Ambassade Maurice 08 Avril 11

Nasehon’i Andry Rajoelina indray tamin’ity androany ity fa tsy misy fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, ampiasain’ny  ho herim-pamoretana indray ny Tafika Malagasy tamin’ny fanaparitahana  ny Malagasy maneho hevitra am-pilaminana  tamin’ny alalan’ny « lakrimozena ». Efa matahotra manapoaka  baomba lakrimozena mantsy ry zalahy dia novaina ho vovoka indray no araraka, kanefa « lakrimozena » foana no anarany .

Saika hanao « sit-in » manoloana ny masoivoho Maorisiana tetsy Manakambahiny mantsy ny mpandala ny ara-dalàna no nanaovana izao toetra mamoafady ny demokrasia izao.Tsy vao tamin’ity androany ity manko no naneho hevitra manoloana ny masoivoho ny vahoaka fa efa imbetsaka, raha tsy hitanisa afa-tsy ny tetsy Andranomena (Masoivoho Amerikana) izay nandroahan’ireto farany ny Emmo-reg .

Raha tsiahivina, dia ny fitsabahan’ny firenena Maorisiana amin’ny raharaha tokan-tranon’i Madagasikara no nahatonga ny vahoaka saika haneho hevitra am-pilaminana.

Ny dikan’izany dia mbola tsy vonona ho amin’ny famahana ny krizy ny FAT fa miziriziry lalan-dava hitazonana ny tetezamita ho lava reny mba hahazoana mangoron-karena ka ny Tafika Malagasy no ataony fitaovana hitazonanany izany seza izany .Atsangan’ny FAT ho fahavalon’ny vahoaka ny Tafika Malagasy ! ho fiarovana ny  tombontsoan’olom-bitsy, iretsy farany moa « jamban’ny fitiavan-tena » sy ny fahazoana tombontsoa dia minia mikipy sy tsy mijery ny fahoriam-bahoaka efa zary toy ny valala voatango…

.

Jereo eto ny sary Photos Ambassade Maurice 08/04/2011 (1/3) miisa 10.
Jereo eto ny sary Photos Ambassade Maurice 08/04/2011 (2/3) miisa 10.
Jereo eto ny sary Photos Ambassade Maurice 08/04/2011 (3/3) miisa 05.

 

4 pensées sur “Atsangan’ny FAT ho fahavalon’ny vahoaka ny Tafika Malagasy !”

  1. Ireo morisiana reo nahatsiaro very fihinana t@ fanandevozana ny malagasy @ karama 175.000FMG/mois dia misolelaka @ foza maivandoha, ary fitiavanteny handeha hanadevo ny malagasy hihinanan’izy mianakavy indray izao no mahatonga azy manao an’io manaiky ny fatimpoza io.
    Tena masosopoza mihitsy ireo maosospaty ireo. Mampite hanakenda daholo;
    Bon week end à tous.

  2. Aza adino fa tamin’ny andro ra-Chirac, nanana tombo-tsoa tsy hoatra izany ny Maorisiana: ny siramaminy dia tsy nisy fifandraisana tamin’ny cours tsotra, fa sady nahazo halalana exportation massive vers Union Européenne et taux préférentiel, nandritry ny taona maro. Tsy ny siramamy fotsiny anefa fa ny produits outsourcés teto amintsika (textiles sns…) ao @ zones franches dia nahazo double subventions: ioropeanina sy AGOA.
    Tsy mahagaga raha miaraka ny frantsay ireo olona ireo. Na dia niova tanteraka aza ny toe-javatra (fin des tarifs préférentiels EU etc…) dia mbola ampanantenain’ny frantsay izy ireo hoe « freiner » na ny Malagasy… Impossible! On ne retient pas un dragon naturel, comme vous dîtes! sauf si l’on met à sa direction des CORRUPTIBLES SANS AMBITIONS SAUF CELLE DE SERVIR. Ce qui est à contretemps de TOUTES LES LUTTES QUI SE PASSENT MAINTENANT, PARTOUT!
    Mialatsiny momba ny malagasy-ko. Mila lesona kely…

  3. fahavalon’ny tanindrazany ny miaramila atao fahavalon’ny vahoaka.ny vahoaka no mandoa hetra ahafahana mandoa ny karaman’izy ireo ka raha zay no marina de aza misy mandoa hetra intsony raha tsy miverina eto mada ny ordre constitutionnelle.efa mpisoloky sy mpandroba daholo sisa tsinona no mitondra ary manaiky ny fahefana jiolahim-boto ka tongava saina isika tia ny tanindrazan-tsika,samy gasy daholo ka hifambotry sy hifamono eto?
    nivoaka avy taiza moa ny tafika?sa rehefa manana basy de hoe mafy be?apetraho mora ny basy raha tena lehilahy ka sahia miady ho an’ny fahafahan’ity Madagasikara ity,ary ny fahavalo dia zay mandroba fahefana sy mampahantra ary ireo mpanjanaka vaovao.
    MIJOROA SAHIA MANDRAY ANDRAIKITRA
    MITOLOMA HO AN NY TARANAKA SY NY TANINDRAZANA
    ADY AMIN NY TSY RARINY SY NY AMBOLETRA NO ATAONTSIKA
    MAHEREZA RY MPIRAY TANINDRAZANA

  4. Anjaran’ny miaramila no misaina :

    Izay tiany : na ny vola omena ireo lazaina hoe manamboninahitra (hi hi)
    nany fiarovana ny hasin’ny Tanindrazany amin’ny maha miaramila tokony hiaro ny Firenena
    azy !

    Mahagaga mihitsy hoe, dia tena tsy misy mahasahy miaro ny vahoaka mihitsy ve ireto miaramila ireto,fa dia miaro ny vola ho ampaosiny no betsaka ???
    Mba mihevitra ny hanome voninahitra sy hasina ny grade entiny ve izy ireo, sa toy ny Tay entin-driaka fotsiny ???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *