Gadra politika: tsarao na avoahay ny havanay !

Havan'ny gadra politika

Havan'ny gadra politika
Havan'ny gadra politika
Ambohi-pihaonan’ireo fianakavian’ny voafonja na gadra politika ( 2009-2011) tetsy amin’ny foibe toerana misy ny antoko Tiako i Madagasikara androany Sabotsy 23 Aprily 2011.Amin’izao fankalazana ny andron’ny  Paska izao manko dia nanome fanomezana ho azy ireo ny filoha Ravalomanana, mahatratra  85 eo ho eo izy ireo miampy ny manan-takaitra vokatry ny tolona miisa 15, no notolorana vola mitentina 40.000 Ar tsirairay avy .

Tamin’ny fanazavana nomen’ny solombavam-bahoaka sady mpikambana amin’ny Birao politika ny Tim, Atoa Jules Andriamaholison no nanazavany fa efa natao hatramin’izay ny fanampiana ireo tratran’ny voina noho ny tolona, saingy noho ny fahatongavan’ny Paska  sy ny fahasahiranana manjo ny fianakavian’ny voafonja dia tonga nizara izay tsirambin’ny tanana sy avy amin’ny filoha Ravalomanana ny antoko Tim.

Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny vadina manamboninahitra, mpiambina ny HCC no nitondran’ity farany fitarainana mahakasika ny vadiny : « efa ho roa taona izay no nitazonana ny vadiko tany am-ponja, saingy mbola  tsy nisy fitsarana akory izany, sady ny mampalahelo anay dia mbola tapahina ihany koa ny karamanay, ankoatra izay dia lasa marenina noho ny daroka natao taminy ihany koa izy amin’izao fotoana izao, tena potika ny fiainanay koa mangataka izahay mba ho tsaraina na avoaka ny vadinay  » hoy ny tarainany.
.

.

.

.

7 pensées sur “Gadra politika: tsarao na avoahay ny havanay !”

  1. F’angaha izy ireo toa an-dry : Voninahitry Jean Eugène sy Pety Rakotonirina, bandits de grands chemins, voaporofo mazava ary voaheloky ny fitsaràna tao anaty fitondràna ARA-DALANA, no hoe sao « manao valy faty »?

    Fomba famaly toa izany dia fanaon’ireo mpanapatra fahefana amin’ny TSY RARINY.

  2. izo no porofo hilazana fa dia antsonjay sy famonoan’olona no tena ataon’ireo FATn’alika ireo!… Dia mbola sahy milaza ihany i Andry RADOMELINA fa ny amerikanina no tena mpandainga!…
    Dia mba ahoana no tenin’ireo be vava tamin’i andron’ny fanonganam-panjakana ireny e?.. Aiza ry Odon RAZANABIBY, aiza ny vavan’i Me Olala, aiza ry Désiré RAMAKAVELO l’Apache, ary indrindra ireo izay be vava toy an’i Christine izay milaza fe tena tsy mitongilana izany ny Fitsarana?
    Ho hitanareo FATn’alika sy HATay ireo izany atao hoe ALAHELOM-BAHOAKA izany, ary tadidio fa manana taranaka ianareo, ka NY TODY TSY MISY, FA NY ATAO NO MIVERINA!

  3. misy farany ny zavatra rehetra, iarahantsika mahita eo fa na oela na aingana ireo FAT ireo tsy maintsy handimby andry Ralitera sy ny namany any am-ponja

  4. TSY MATAHOTODY MIINTSY TY raDOMELINA rahovina ny anjaran’i ZANAkisoa sy DOMElina INDRAY NO Mankany amponja ?

  5. Tsy hainareo angaha fa tamin’i Rajoelina nifanenjika tamin’ny GTT tao paris dia nanompa mihintsy i TGV hoe: tay be ity ry zalahy mantsy ny garde de corps niaraka taminy fa saika tratra ny gasy tia tanindrazana.Izy amin’io sady mihazakazaka.Mampatsiaro an’i Tsiranana saika maty tao anaty hélicoptère nianjera:naika latsaka teko é!Bonne nuit!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *