Christian Tabera

Christian Tabera

Tsy nahasakana ny mpomba ny ankolafy telo sy ny vahoaka mpandàla ny ara-dalàna hamonjy ny kianja fitolomanana ny hafanana, ny orana, ny hatsiaka, ny ramatahora sy ny lakrimozena, eny fa na dia mbola samy hamonjy ny  Alakamisy masina aza androany dia hita fa  tonga nirohitra mavitrika hatrany izy ireo hihaino ny kabary sy ny fampitam-baovao.

Haratsian’i Rajoelina ny Air Madagascar kanefa izy ihany no miteny fa mpitondra eto Dago hoy i Ramy, solon-tenan’ny TMR raha nikabary izy, tsy mahagaga ny Boeing raha hiova Air Bus na fiaramanidina sinoa sy frantsay hoy  hatrany  izy fa ny mpanjanan-tany no ao ambadika.Mifanohitra tanteraka ny hetahetan’ny fitondrana frantsay sy ny an’ny vahoaka malagasy hoy hatrany i Ramy.

Solon-tenan’ny Tanora avy ao  amin’ny ankolafy Zafy Albert  kosa dia namaky bantsilana ny FAT : “zaza maditra tsy manaja Ray aman-dReny i Rajoelina” hoy Christian TABERA Junior . Filoham-pirenena izao no te hihaona  aminao  dia lavinao. Be marenina loatra I Andry TGV ka sarotra ny hifampidinika aminy, koa noho izany hoy Christian dia tsy hajaintsika koa izy rehefa tsy manaja ny Ray aman-dRenintsika.

Nanipy resaka momba ny foloalindahy ihany koa izy : raiso amin’izay ny fahefana nomena anareo tafika dia havereno amin’I Dada,  aleo izy hody ary hirotsaka amin’ny fifidianana fa raha tsy izany dia hisy levona eto hoy I Tabera Junior, tsy vahaolana ny mamoritra, ny mampigadra sy ny famonoana hoy ny namaranany ny kabariny.

Lasa Air Maty ny Air Mad hoy kosa I Ignace, tsy mbola nisy izany raha tsy tamin’ny andron’i Rajoelina, tsy misy ny vola ka tsy vita ny kojakoja tokony hatao amin’ny fiara-manidina . Tsy fahaizana mitantana daholo izany hoy hatrany ny solon-tenan’ny Moramanga.

Henri Rasolonjatovo  dia nilaza vaovao fa mety  tsy miandry ny 20 mai io fihaonana an-tampony  tsy ara-potoana ataon’ny   SADC io.Mahakasika ny Air Mad kosa indray dia  NOTAM no hain’ny FAT fa tsy ny fikojakojana ny fiaramanidina hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Faratsiho.

Ny olana eto Madagasikara hoy kosa  ny depioté Zafilahy dia manan-karena olo-manga isika fa mahantra olon-kendry. Nilaza mazava ihay koa ity solombavambahoaka voafidy tany Vavantenina ity fa dimy  ny firenena nirian’i Rajoelina handehanana tany Afrika farany teo fa nihidy ny varavarana rehefa  tsy nanaiky nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana izy. Rehefa mandeha Rajoelina amin’ny manaraka dia tsara aminy ny mitondra an’I  Mémé sy Raharisaina…indrindra fa rehefa voaantso any Afrika Atsimo izy hoy hatarany ny tenany.

Araka ny fandaminana heno teo an-kianjan’ny Magro dia hanao angaredona indray ny ankolafy telo rahampitso ary hisy vaovao lehibe ho heno ihany koa ao.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tsy hisy fepetra ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana !
  2. Tsy miova ny hevitray , tsy maintsy milatsaka amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana hoy Guy Rivo !
  3. Ny filoha Ravalomanana no tompon’Antoka sy Fahefana ao…
  4. Mbola tsy teraka ny hisolo ny filoha Ravalomanana !
  5. ENY hoan’ny fodian’ny Filoha Ravalomanana !

6 Comments

  • gary dit :

    ary maivava hoatran’ndrainy koa lekely ity an? Ze adala marina no toa an-drainy e!

  • fanalita dit :

    iarahantsika mahita eto ny tohin’ny tantara fa zahay tsy hanaiky mora na higadranay sy hahafaty anay aza ny ady amin’ny fanimbana an’i Gasikara tanindrazanay.mbola homenay fe-potoana ihany rajoel mba hiheverany ny tokony hataony,kanefa tandremo sao tara faka fanapahan-kevitra fa hanenina tongotra aman-tanana sy handraingiraingy eo a!misy fetrany ny faharetanay sy ny fiaretanay,n’inon’inona lazain’ireo mpomba azy ireo,hifampitady isika fa samy lehilahy ary samy milaza ho tia tanindrazana ka ho hita eo!

  • Shhhhhhhhh! dit :

    Ny levona izao dia ny magro mihavitsy mihavitsy hihihihihi! Ny hery tsy hananana ny rekonesansa tsy hananana koa handevona inona?Hamono tena?

  • bako dit :

    Tsy taitra fa ny eo ami Magro fotsiny no vitsy fa refa tonga ny andro hitarihana hoe: ndao hidina andalambe dia ho ,vahoka aman -hetsiny tsy ho araky tgVENDRANA NO HO AVY EO .
    ARY RAHA VAO MIDITRA EO ny tifitra ny milice dRAdomelina dia vao maika izy raisim-potsiny , hasaina mandefa mpampandry tany ny CI ,sy ny UE izay tsy manaiky anDRAdomelina efa ho zato taona dia miala otran’ny takotra domelina ,halao hery rey vahoaka a! MIDINA ANDALAMBE MANALA AN’i Rajo Eline taranaka GAlliéni!
    Amizay fotoana izay anefa rajo eline tsy avela handositra any ami reny malalany fa tsy maintsy HATONO Eny ami 13 Mai !
    ToriAna any ami UE raha vao mitsoaka 2 eo !direction TSIAFAHY no ady eo !

  • Alidera A.R. dit :

    Fa maninona moa ry Tabr izao no tahaka tahaka izao kanefa teo nanongana e?

  • Njara dit :

    Tsara dia tsara ilay soso-kevitra miantso ny miaramila hamerina ny fitondràna amin’ni SEM Ravalomanana :
    - « Nanipy resaka momba ny foloalindahy ihany koa izy : raiso amin’izay ny fahefana nomena anareo tafika dia havereno amin’I Dada, aleo izy hody ary hirotsaka amin’ny fifidianana….. »
    -
    saingy diso tafahoatra ilay fandrahonana manaraka io antso io !
    - Mba lanjalanjao ihany ny teny mivoaka ny vava e ! Miaramila no hitenenanao, ary miaramila ilaina antsoina ho namana hampiverina ny ara-dalàna !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site