Magro 12 Avril 11

Magro 12 Avril 11

Nahatratra folo ireo mpandaha-teny tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ity Talata 12 Aprily 2011 ity, samy nanakiana ny COI sy ny OIF, ny FAT ary ny Frantsay avokoa ireo mpikabary :

 

  • Ny solontenan’ny Jeune TIM dia nilaza fa tsy mahatapaka ahitra ny COI sy ny OIF noho izany hoy izy dia jamba mifampitantana isika raha ireo no antenaina.
  • I Feno avy amin’ny “plate forme des associations” kosa dia nanambara fa tsy misy na dia iray aza hetahetan’ny vahoaka nentin’ny COI .Nanakiana ihany koa ny les « AS » izy, tsy misy afa-tsy fandrahoanana, adim-poko…saribakolin’ny frantsay ireo hoy ny tenany.
  • Sylvain avy eny Avaratra dia nanakiana ny tafika Malagasy : ny tafika nantenaina ho tia tanindrazana no hita fa matim-bola, diso ve ny fampianarana sy ny fiofanana nomena azy ireo ? hoy izy. Ny safidy no maha olona ny olona ka raha fifidianana terena dia zava-doza ka tsy ekena, mila milamin-tsaina aloha ny malagasy ary tokony malalaka ny safidiny vao manao fifidianana hoy hatrany i Sylvain.
  • Mila mihetsika alohan’ny fivorian’ny SADC isika hoy kosa ny kabarin’ny Manoela.Nilaza ny foto-kevitra hijoroany ihany koa izy : « Tsy resaka vola na « engagement » no itiavan’ny vahoaka an’i Ravalomanana fa noho ny zavatra vitany ».
  • Mihemotra lava ny fivoaran’ny SADC hoy Marcel avy amin’ny ankolafy Zafy Albert , tsy hiverina amin’ny teny nomeny anefa ny profesora Zafy fa tsy azo atao peta-toko satria aim-pirenena no havotana raha nilaza ny fananganana ilay tetezamita tena izy izay nampanantenaina hatsangana izy.
  • Olivier Rakotovazaha kosa dia namaky bantsilana ny FAT, tsy misy fankatoavana iraisam-pirenena mandeha miandalana izany na teto Madagasikara na tany ivelany fa na azo na tsia ny fankatoavana fa tsy miandalana izany.Mazava ireny fisehosehoana ireny hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Mfm : ny frantsay no manosika ny fidiran’ i Torkia ao anatin’ny Vondrona Eoropeana (UE) ka izy no irahan’ny frantsay handambolambo eto. Ho an’ny Maorisiana indray dia i Tromelin no tambiny. Ny Amerikana dia anatin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mantajaka, izy anefa dia nanao tatitra momban’i Madagasikara fa tsy ara- demokratika ny tetezamita ka veloma hatreo ilay fankatoavana. Ny amerikana no nakantoa voaloha ny fitondrana Ravalomanana ary 6 volana taty ao aoriana vao nanaraka ny frantsay tamin’ny 2001-2002 hoy izy.

I Mektoub dia nanamafy fa misy ao anatin’ ny ankolafy telo mitovy hevitra ny hirosoana ny hananganana ilay tetezamita tena izy, misy ireo mahita fa marina raha miroso amin’izany ny ankolafy 3 nefa dia ahoana ny hevitry ny mpamatsy vola ? Dia misy ireo mbola manantena dinika hoy izy, hidinika amin’iza anefa ? amin’ny mpanongam-panjakana miova hevitra isan’andro ve ? efa mitovitovy ny hevitry izy telolahy na dia betsaka aza ny mandefa vaovao sy toro-hevitra diso any amin’izy ireo hoy Mektoub. Mety rahampitso no hitovy feo Radidy, Zafy sy Ravalomanana hoy izy.

I Ronstand dia nampifandray ny fomba fijery ara-politika ny tranga eto Afrika.Izao tontolo izao no efa nilaza fa miala i Gbagbo dia niala, miala Kadhafi dia hiala, tsy izy Rajoelina dia tsy izy ka na iza faly na tsia ny be kintana no laharana voalohany hoy izy dia mitsipaka an’i Andry TGV.
.
.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 12/04/2011 (1/3) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 12/04/2011 (2/3) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 12/04/2011 (3/3) miisa 07.
.
.

.

.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Mialà Rajoelina, ampy izay !
  2. Ampy izao, ao Ambohijatovo no tanjona !
  3. Nosamborin’ny Frantsay i Laurent Gbagbo !
  4. Aoka izay ny sain-jaza ! Ampy izay ny andrakandrana !
  5. Miala Rajoelina dia milamina ny tany

11 Comments

  • dorodosy dit :

    be vahiny isika ato zany an!mihamahazo hery an!milay kosa ny famahanan-dalitra ato an!mihamaro izao zany ny zanak’i dada an!tohizo ny nofy fa tsara!tandremo rehefa mifoha fa ny faikany daholo ireo sisa ireo an!ananannnnnnnnn

  • dorodosy dit :

    fa ahoana?Sommet de la Sadc
    Vers un camouflet pour les trois mouvances ?
    Un « draft du rapport des médiateurs de la SADC » présenté devant la Troïka de l’organe lors de sa réunion du 31 mars dernier, a alimenté les conversations durant toute la journée d’hier. Le document, recelant vraisemblablement l’exposé fait par Joaquim Chissano et Leonardo Simao et dont la rédaction a obtenu une copie, semble se positionner contre les démarches initiées par les trois mouvances.
    En effet, selon le rapport, « Bien qu’elle ait toujours prôné la nécessité de l’inclusivité dans le processus et qu’elle ne puisse refuser aux trois mouvances le droit d’y jouer un rôle, l’équipe de médiation de la SADC constate que l’une des mouvances n’existe plus et que l’approche est contestée par de nombreux acteurs politiques qui se retrouvent exclus ou mal représentés dans le processus de négociations ».
    Plus de mouvances ?
    En outre, les médiateurs de la SADC avancent que « Sur la base de cette même approche, les mouvances Zafy, Ratsiraka et Ravalomanana ont estimé qu’aucun processus ne pourrait être considéré comme inclusif et accepté par la communauté internationale si une mouvance n’y souscrit pas. Cela semble avoir été l’une des raisons pour lesquelles les mouvances ont choisi de ne pas participer aux négociations concernant la feuille de route. Or, Cette affirmation est erronée et les mouvances doivent comprendre qu’ils sont tout comme les autres acteurs politiques et doivent participer au processus de manière constructive et pragmatique », ont-ils affirmé.
    Ceux-ci ont même avancé que « Pendant le processus de négociations sur la feuille de route, les trois mouvances ont eu recours à une stratégie de blocage, se manifestant notamment à travers la non-participation, le rejet pur et simple des propositions avancées sans présenter d’autres propositions ».
    Appel à la communauté internationale
    Bref, ces propos s’apparentent à un camouflet pour les trois mouvances. Car, de surcroît, dans le draft, l’équipe de médiation conduite par Joaquim Chissano a déjà annoncé les couleurs du prochain sommet de la SADC en formulant ses recommandations.
    Elle demande, notamment à l’UA, à l’ONU et à la communauté internationale d’approuver la feuille de route et de fournir un soutien pour sa mise en œuvre à Madagascar, en particulier en ce qui concerne le processus électoral.
    Parallèlement, elle sollicite des Nations-unies un appui technique, financier et logistique pour l’organisation du processus électoral à Madagascar, tout en invitant la communauté internationale à soutenir l’Onu dans cette tâche.
    D’autre part, les médiateurs d’inciter les acteurs politiques malgaches concernés à signer cette feuille de route et à s’engager pour sa mise en œuvre intégrale.
    Enfin, ils invitent le président, le gouvernement et l’ensemble des institutions de la Transition à adopter des mesures de confiance pour créer un climat d’apaisement au cours de la période de transition, entre autres en mettant fin aux procédures judiciaires intentées contre les membres de l’opposition pour des motifs politiques. De même qu’à promouvoir le respect des lois, du principe d’égalité de traitement, ainsi que la protection et la promotion

  • fanalita dit :

    aza mamahan-dalitra ato ianao ry dorodosy fa tsy kentrina tahaka anao zahay a!tsy naharesy lahatra sy tsy nahazo rekonesansa tany ho any angaha no aty indray no miseho milay? n’inon’inona lazainao de manana ny hevitray izahay ary ny masonay tsy mikipy, ny tananay tsy boka,ny sainay tsy adala ka hinohino foana ny fafilainga ataonareo HAT.

  • Anonymous dit :

    En tout cas !les dorodosy et aures Foza ont tellement peur en ce moment !!!la preuve ? ils mettent des sujets qu’ils répondent eux -mêmes !!!! attention le siège pourrait s’ejecter à tout moment !!!! après Lybie /côte d’Ivoire !!!les medias devraient poursuivre leurs investigations et mettent la pression sur les décisions au sein des diverses communautés intérnationales !!! et Ohhh surprise !!! tous les cameras du monde entier et les décisions des instances intérnationales vont se braquer sur le cas de Madagascar !!!! faites tout et vite dorodosy et foza car la fin est inévitablement « PROCHE »

  • bako dit :

    Ie ,fomba le foza le manaratsy i x sy y tsy te hahalala izay miseho eto MCAR ,i tgvendrana mbola eo ka matoa tsy halany eo dia izao sy izao ,ny vahoaka no hanalàna an’i dj ato ho ao fa aza taitra ,maninona no tsy havela haneho ny heviiny ny vahaoka fa ambanana basy lava eo !
    Mitifira kely eo ange amimanaraka efa izay fotsiny no handarasan’ny CI dia mipitsika radomelina ,mitifira ange eo ;hasian miditra ny tafioka anglisy sy Amerikana hanala an’io dia eo no raisina RADIOMELINA ;mbola ra8 no eken’ny CI!
    nY OLONA MISY CERVEAU TSY MATAHOTRA MAPIASA SANDRY ary tandremo sao mandositra any @reny malala fa tratra foana ,ireny vonoan’olona tami fevrier sy janvier sy fanakaramana jiolahimboto nandoro fanana’olona ireny angaha ho vita mora !
    Radomelina no efa otage ny reny malalany sy capsat efa malaza te hiala fa tsy afaka ,te hanao e koa !mora2 angaha ty manogampanjakana !

  • bako dit :

    NY manala andradomelina eo tsy sarotra refa vonona ny vahaoaka ,tsy ny sadec sy x sy y fa mietsika ny gasy dia miditra ny tafika ivelany tsy mi reconnâiter andradomelina dia vita ny amiradomelina ,efa diso fantartra ange fa efa vidin’ny afty tamin’ny tany be fenao harena amabanin’ny tany simao ,é! vidin’ny le firenena mpanosika andradomelina koa kanefa ny reconnaissance TSY MISY satria lainga sy fitaka na hovidinay daolo azy zao tontolo zao TSY HISY MIINTSY ILAY RECONNAISSANCE zay no mampiomehy !
    Ny ZAVATRA HAIN’i DOMElina hatao dia ny mamoky ny entreprise frantsay sy mapahantra ny Malagasy toa azy!
    AZA MBA TARANADOZA VOAHOZONA tia vola sy harena f’izao no nalehany MIVAROTRA TANINDRAZANA sady mandrora mitsilany izy sy le ratsy honana lehilahy lehibe voahozona hanompo SAMPY FA TIA VOLA LOATRA ! dia mivarotra tanindrazana ,lasan’iza sy nomena an’iza zao le volamena 10 tonnes ???

  • randria dit :

    Zay indray lay MyDago, efa mihevitra azy ho Izao Tontolo Izao, satria rehefa miteny izy hoe: Mialà i Rajoelina dia tiany miala eo no ho eo. Fa mihevitra anareo ho iza moa ianareo ato @ Mydago sy ny mpanaradia anareo. Antenaiko fa efa nankalaza ny JOBILY faha 2 taona nitenenana an’izany ianareo, nefa hatry amin’izao tsisy zavatra miova. Raha mba tahaka izao herimpo anananareo zao no nitondranareo ny fiainanareo sy ny fitadiavana ataonareo dia tena efa mpanarivi ianareo zao fa tsy mandany jiro @ fanaovan-gazety tsy mankaiza ity. mahereza daholo ianareo é, ankaherezo koa ny sesitaninareo fa sao dia mamonon-tena.

  • Naivokely dit :

    Sao ialahy no hamono tena voalohany ry Randria.Ny anay ny fiainana dia mandeha tsara tsy misy manahy.Ary tena tsy ho ela Rajoelinan’ialahy, izay nanongam-panjakana, dia tsy maintsy miala.Ialahy ary sao hanantena inona eo? Mijere fitaratra dia ho tsapan’ialahy izay resaka izay. Tandremo sao manofy ratsy ialahy.

  • mpandalo dit :

    Hita mihintsy hoe mbola adala ny gasy ary tena mbola adala. Fanitsiana kely fotsiny : tsy izao tontolo izao no nilaza hoe mialà Gbagbo sy Khadafi fa i Frantsa sy ny mpiombona antoka aminy amin’ny anaran’ny ONU sns… ary tena namono olona mahatsiravina ny tafika frantsay sy nanampy mpikomy miaraka amin’ny mpanompo mahatoky sy andevo mahavita Alassane Ouattara.
    Amin’izao fotoana izao efa voarakitr’ingahy Juppé sahady ny tondrozotra tsy maintsy arahin’ny sonegaly mahazo baiko, ingahy Ouattara.
    Tokony hitondra fahazantsaina ho an’ny mpiray tanindrazana isika fa tsy vao maika koa mamahan-dalitra otran’ireo haino aman-jery ireo.

  • Ravelomanantsoa dit :

    mody manoa HEROs hoe i La frantsa no nisambotra aní Gbagbo, entina hanafenanana ny zavatra natao tao côte d´ivoire sy efa malaza ratsy aminíty fiarovana ny dictateur africains ity sy ny famatsiana fanonganam-panjakana, Iza no nanohina aní bagbo tamin´ny halam-bato , tsy la frantsa ihany no tao ambadika, ka rehefa nanapak´hevitra ny troika hoe tsy maintsy hatao izay ialaní gbagbo dia io ,nihazakazaka i La frantsa ,mody izy indray manao cinema hoe izy no nisambotra aní gbagbo ,nefa ve tsy hialoka ao frantsa koa izy izao.
    Efa arakin´ny firenena maro ny adin´ny lafrantsa dia mody manao cinema tahaka nadavany aní Ben Ali tsy hialoka ao aminy.

    nefa io filoha Ivoirien Ouattara tohanany aminízao io, mbola saribakoliny ihany koa satria manambady  » femme francaise » . Tahaka izay manko no fiadiny ao senegale, ireo politicien manambady vehivavy frantsay ireo ihany no mahazo laka, hany ka ny senegalais politiciens ,ireo tena  » Zanaka malala sy atokisaní La frantsa entiny miady sy manafina ny zavtra ataony eo anatrehan´ny firenena afrikana zanatany taloha,

    Izao mody manafika an´i kadaffi koa nefa tany foana no naka vola sy nivarotra fitaovam-piadina.

    Tsy i Domelina irery no ho fanina fa ny Frantsay koa ho afa-baraka ao amin´ny ONU sy Eu.

    energie nucleaires ,mbola manatena ny hangalatra ny Uranium avy aty Afrika ihany koa, ka mbola hofoteran´ny rambony aminío zava-doza madrakotra aní frantsa io.

    fa manara-maso akaiky ny zavatra ataon´ny la frantsa ao afrika ny amerikana sy ny firenena Ci maro, .

    Efa matetika afa-baraka fa miseho tsy mahalalamenatra, fa te hampiasa vola any afrika sy hangalatra ny fanana´ny afrikana .

    raha tsy misy aní afrika i La frantsa dia vita ny tantarany,

    LA FRANCE Mpangalatra ny harentsika, mpanohana fanonganampanjakana.

    Ireo HATay ireo dia olona vendrana , ampiasainí Lafrantsa hanapotika ny fireneny sy ny vahoakany,  » Mandrora-mitsilany  » matim-bola fa tsy misy saina.

  • fanalita dit :

    na izany aza,isika tsy hanaiky ho voazanaka fanindroany izany e!marina hoe tamin’ny andron’ny frantsay daholo ny ankamaroan’ny foto-drafitrasa lehibe eto mada nefa raha mandinika isika de efa niezaka koa ra8 nanao zay ho vitany ary tena tsara lavitra aza satria sady nampiasa malagasy maro(mikarama fa tsy SMOTIG)no nitondra fandrosoana ho an’i Madagascar iray manontolo.izay mikimpy no tsy mahita izany fa alao hery ry tia tanindrazana isany!tsy avelantsika ho anjakan’ny ratsy fanahy ny tanintsika ary tsy avelantsika hotsetsafin’ny vahiny eto foana i Gasikara.tsarovy hatrany fa sorona hatramin’ireo taranatsika rehefa tsy miraharaha izany isika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site