Krizy Malgacho-Malagasy !

orimbato 15 avril 11
orimbato 15 avril 11
orimbato 15 avril 11

Nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Betongolo ireo fikambanan’ny Tangalamena, Ampanjaka, Taranak’Andriana mivondrona ao anatin’ny « Ny Orimbato ».Mitsangana hamerina indray ny soa toavina Malagasy, hanjakan’ny fifankatiavana, fahamarinana, firaisankina, fahamasinana indrindra ny fiandrianam-pirenena izy ireo.
Araka izany dia miantso ny hery velona rehetra, ny vahoaka Malagasy 20 tapitsisa Ny Orimbato mba mba handala ny FAMPIHAVANAM-PIRENENA hirosoana amin’ny tena FIHAVANANA.Miantso ihany koa izy ireo mba hiverenan’ny Malagasy iray manontolo ao anatin’ny TRANOBE mba hahafahana mandravona ny disadisa sy ny olana isan-karazany eto amin’ny Firenena.

 

Marihana moa fa efa nihaona sy nandray ny soso-kevitra avy amin’ny ankolafy samihafa izy ireo mba hijerena ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy.Efa nihaona nisesy tamin’ny ankolafy telo ihany koa.Efa nangataka fihaonana tamin’i Andry Rajoelina saingy ingahy Ratsirahonanana Norbert Lala no nandray azy izy ireo tamin’izany.

Antenaina fa hitondra vahaolana amin’izao krizy Malgacho Malagasy izao ity fanelanelanana vaovao ataon’ny Ny Orimbato ity !

.

Jereo eto koa ny sary Photos Orimbato 15/04/2011 miisa 10.

.


.

3 pensées sur “Krizy Malgacho-Malagasy !”

  1. Ary toa adino tanteraka ny tena zava-dehibe :
    – NY TSY FANKASITRAHANA NY FANONGANAM-PANJAKANA AMIN’IZAO FOTOANA, NA AMIN’NY MANARAKA
    – NY FANAJANA SY NY MAHA ZAVA-DEHIBE NY LALANA REHETRA (TEXTES DE LOI ) MIFEHY NY FIARAHA-MONINA, IZAY MANAN-KERY KOKOA NOHO NY FOMBA AMAM-PANAO ( USAGES ET COUTUMES )
    – ARY INDRINDRA INDRINDRA, NY FANAJANA NY LALAM-PANORENANA
    Ireo anefa no tokony tsy maintsy TANDROVANA sy ANKATOAVIN’NY MALAGASY rehetra, na avy aiza fihaviany na avy aiza !!!

  2. miala hoy aho, radomelina sy ny tariny, mody SEM Ra8 dia milamina ho azy ny kirizy.
    Izay fotsiny ihany, tsotra dia tsotra anie izany ry ambany lanitra isany e !!!!!!!!
    koa aoka tsy rohitina ela fa sady miha sarotra no mankaleo.
    Milà, mialà, mialà Domelina kely ati-doha.
    Izay te hitady vaha-olana dia mivondrona manala any doma be eto amin’ny tetezamita.
    Ampisehoy fa tsy mila azy ny fitondrana ity firenena ity.
    tsy mila, tsy mila, tsy mila,
    leo tofoka

  3. @kintanaMananDrambo marina ny teninao! Il faut réaliser qu’il y a eu un TREMBLEMENT DE TERRE dans la société Malgache, depuis plus de 2 ans. Les MOTS NE SUFFISENT PLUS, les appels à la raison n’ont plus de VALEUR! Rajoelina a ouvert la POSSIBILITE d’utiliser la force physique, la force MILITAIRE pour arriver au pouvoir. LE MONDE A CHANGE!
    Pour autant, nous ne renoncerons pas à nos valeurs, certes. Mais avant d’aborder cela, et comme le dit justement l’ami Comète, il est PREFERABLE DE SOUTENIR des PRINCIPES de Société et de gouvernance, donc DE CONSTITUTION, auxquels Tout Malgache devra se tenir. Ils sont énumérés plus haut et C’EST LE PLUS IMPORTANT!
    Il ne faut pas mettre la charrue avant les boeufs. Les nouveaux temps obligent à ASSEOIR DES BASES SAINES d’une SOCIETE, des LOIS. Aprés tranquillement on pourra évoquer les Valeurs vivantes encore dans nos coeurs et notre être dont le Fihavanana. Aprés.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *