Nitokona ny mpivarotra eo amin'ny Pavillon Analakely

Nitokona ny mpivarotra eo amin'ny Pavillon Analakely

Nanao  fitokonana ireo mpivarotra tetsy amin’ny pavillon Analakely tamin’ity maraina ity.Araka ny nambaran’ireo mpivarotra moa dia manjaka tanteraka ny gaboraraka eo amin’ny fifehezana ny tsena  ka miteraka faty antoka ho an’ny  ankamaroan’ny  mpivarotra .Be loatra ny mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna kanefa izy ireo dia tsy mandoa  hetra amin’ny  fanjakana . Nanambara ireto mpivarotra etsy aminy pavillon Analakely ireto  fa hanohy ny hetsika hatrany izy ireo ary  hiakatra ambonimbony kokoa noho izao raha tsy misy ny vahaolana entin’ny tompon’andraikitra.

Etsy andaninymoa dia toa lasa saka sy totozy fotsiny ihany ny fanenjehana ireo mpivarotra amoron-dalana ataon’ny kaominina fa tsy mipaka amin’ny tokony ho izy akory izany.Matahotra mandray andraikitra noho izany ny ben’ny tanàna, tsiahiviny fa hatramin’ny nanaovan’i Andry Rajoelina fanonganam-panjakana dia nitombo izay tsy izy ny very asa sy mirenireny, miha mahantra hatrany ny vahoaka koa tsy mahagaga raha mihamaro ny mpivarotra amoron-dalana izay endrika ivelan’ny fahantrana eo amin’ny firenena iray.

.
Jereo eto koa ny sary Photos Nitokona ny mpivarotra Analakely miisa 11.
.

.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Nivoaka ny marina momba ny fanonganam-panjakana 2009 !
  2. Vola mitentina 1 milliard 400 millions FMG no azon’ny HCC noho ny Fanonganam-panjakana 2009 !
  3. Manjono vahoaka i Andry Rajoelina
  4. Ratsirahonana no ao ambadik’io fanonganam-panjakana io
  5. Ireo mpanongam-panjakana no matahotra antsika vahoaka

2 Comments

  • Ziry Onésime dit :

    Ho anareo mpivarotra: raha tena hitokona ianareo dia tohizo hatramin’ny farany fa aza ajanona intony! Rehefa tsy ho any amin’ny MAGRO ianareo, dia mijanona eo amin’ny faritra akaiky anareo, fa efa mitokona izany!
    Tsy maintsy ho lavo ireo FATn’alika ireo amin’izao fimenomenonan’ny olona izao! AZA AJANONA INTSONY! TOHIZO! TOHIZO! TOHIZO!… Lazao daholo ny namana rehetra hanampy anareo!

  • GBD dit :

    Merci Ziry ,

    de le rappeler tout simplement

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site