Mitokona ny mpivarotra Anosibe

Mitokona ny mpivarotra Anosibe

Miitatra toa ny sima misioka ny fitakiana ataon’ny Malagasy manoloana ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy voalanjalanja ataon’ny FAT.
Rehefa nandray fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny varotra momba ny fampiharana ny faanaraha-maso ny faktiora eny amin’ny tsenam-barotra dia niaraha-nahita ireny fa nitokona ny mpivarotra teny Andravoahangy , ny Pavillon Analakely ary dia nanao ny azy koa ny tetsy Anosibe androany.
Nikatona avokoa ny tsena ary dia nitaky ny fanafoanana izany lalàna tandra-metraka sy tsy voalanjalanja izany izy ireo.

Tonga nijery ifotony izany moa ny mpiasan’ny ministeran’ny varotra ary niezaka nanazava ilay lalàna vaovao, horakoraka tsy nisy nifandrenesana no nataon’ny mpivarotra naheno izany fanazavana izany ary dia nanaiky tsy fidiny ireto « mpiasam-bahoaka avy amin’ny ministera Foza »ireto fa hahemotra indray ny fampiharana ny lalàna

Eo no mahalasa ny saina, f’angaha moa azo dikaina ihany izany lalàna napetraka izany? sa atao tsapatsapa toy izany ny fampiharana ny lalàna velona eto Madagasikara?Ao anaty krizy tanteraka mantsy ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka miroborobo izay tsy izy ny asa an-tselika toy ny varotra , be ireo very asa sy tsy mahita ny harapaka kanefa ny FAT kosa dia mbola vao mainka manampy trotraka izany fijaliana izany amin’izao antsojay atao amin’ny famoroporonana faktiora izao.MAMPIJALY VAHOAKA NY FAKTIORAM-pFAT !
.

.

.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Mahantra ny vahoaka vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina !
  2. Photos – Ny fandraisan’ny vahoaka azy teo amin’ny kianjan’ny Magro. 09 fevrier 2011
  3. Manampy ny FIGN isika vahoaka
  4. Mikaikaika ny vahoaka
  5. Photos Nanao tatitra teo amin’ny kianja 09/03/2011

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site