Mangataka ny Amerikana hanome tanana ny SADC mba ho tanteraka ilay fihaonana an-tampon’ny ankolafy efatra !

Jean Louis Rakotoamboa Magro 06 avril 11

Jean Louis Rakotoamboa Magro avril 11
Jean Louis Rakotoamboa Magro avril 11
Nanao tsipaipaika ho an’ny Rev Satrobory, izay mbola tsy salama eny amin’ny hopitaly Befelatanana ireo mpiara-mitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka androany, ka nahatratra 100.000 ariary no voahangona tamin’izany.

– I Ignace, tamin’ny kabary nataony androany dia niresaka momba ny fifidianana : rehefa mandeha ny fifidianana ka misy iraisam-pirenena manaiky ny vokany , etsy an-daniny anefa misy tsy manaiky izany dia ho toan’ i Côte d’Ivoire i Madagasikara ary izay no tanjon’ny frantsay hoy izy. Aza adinoina fa Canada dia ao anatin’ny vondron’ny OIF ihany koa ary izy sy ny frantsay no mantajanka ao, mitovy fomba fijery amin’ny Amerikana anefa i Canada hoy hatrany ity solon-tenan’ny Moramanga ity.

– Na dia nampitandrina mafy aza ny FAT dia nisondrotra ihany ny vidim-tsolika ary vaky ambatolampy ny fanaon’ny FAT hoy indray I Jeanson. Nanamarika ihany koa izy fa tsy azo atao ny mifanoroka amin’ny lafiny diplomatika toy ny ny nataon’I Yvette Sylla sy Chatîgner farany teo.

Misaotra ny amerikana isika hoy izy ary mampirisika azy ireo hiresaka amin’I Sarkozy satria dia hoatran’ny mihaino anareo ihany izy. Ary mangataka ny Amerikana hanome tanana ny SADC mba ho tanteraka ilay fihaonana an-tampon’ny ankolafy efatra miampy ireo antoko matanjaka. Ny antsika eto Magro dia rodobe sy fandresena ihany hoy ny tenany.

-Tsy namorona na inona na inona ny FAT fa ny rafitra Maputo ihany no nangalariny, toy ny CENI satria fifidianana no olana hatrany teto hoy Mektoub. Io CENI io anefa hoy izy dia tokony ho CENF no anarany satria ny COI sy OIF no hamantsy azy ary ny sorin-dalana i Simao dia ilay “accord de Mal Maison” ihany.

Nametram-panontaniana ihany koa izy ny hoe : ahoana no hanovan’ Andry Rajoelina ny HCC nefa io no niteraka sy nanao batisa azy ? Réseau Avaradrano ireo manohana any Rajoelina ireo ary misy ny avy any ivelany hoy hatrany Mektoub.

Mipetraka alohan’ny 20 na 28 may ny tetezamita tena izy mialoha fanambarana satria tsy afaka matory isika toy ny any Soudan, ny prezida voasazy kanefa afaka mandehandeha hoy hatrany izy.

-I Zafilahy indray dia niresaka ilay fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy hijanona eo io vidin-tsolika io, ny mpandraraha eto Madagasikara no mety milamina fa ny mpanafatra izany no maty antoka hoy izy.

Tsy hampiova ny hevitry ny SADC ny fanerenan’ny COI sy ny OIF hoy Zafilahy.Niresaka momba ny fehin-kevitry ny Amerikana ihany koa ny tenany. Fanairana ny an’ ny amerikana ireny fa ny malagasy no mbola miesona, matory manana aretina hoy ny depioté Vavantenina.

-I Jean Louis Rakotoamboa indray dia nilaza fa ataovy ny fanadihadina lalina momba ireo maty nihinana trondro tany Toliara fa aza amoronana lainga ny olona. Ataovy ny prélèvement…hoy izy.

Momba ny fiakaran’ny vidin’ny Solika dia nametram-panontaniana izy : lasa aiza ireo “redevances environnement” sy ireo 40% tokony hanamboarana lalana satria tsy nisy fanamboarana lalana eto ka tokony mijanona amin’ny vidiny io fa maninona ny vahoaka no vesarana ny fiakaram-bidy?

Efa fantatra mialoha ny tetiky ny frantsay amin’ny Rajoelina hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, handroso fifidianana izy, amin’ilay taratasin’ i Simao, “politique de charme” anefa ilay hoe alefao ny anarana ny tianareo ho ministra, mihena 25% ny karama minisitra ary hamoaka gadra ireo dia hiteny ny sasany fa efa niova Rajoelina dia ny OIF sy COI no hanome “sous forme de reconnaissance” hoy hatrany izy.

.

.

.

8 pensées sur “Mangataka ny Amerikana hanome tanana ny SADC mba ho tanteraka ilay fihaonana an-tampon’ny ankolafy efatra !”

  1. Aza HADINO FA NY FRANTSAY no nanosika an’i ouatra eo amipouvoir fa tsy lanimbahaoka izany io ranagahy io fa misy magouille nataon’ny tsotsoka tao fa tsy hilamina i cote d’ivoire raha olona nagalambato no eo !
    I MADAGASIKARA SY cote DIVOIRE TSARA manely eran’izao tontolo izao izay marina sy ny hatao hoe :FRANCAFRIQUE ary io FRANCAFRIQUE io no aretina sy mampahantra ny Afrikana sy ny Malagasy !!! ny entreprises frantsay no « gagants » ao anaty françafrique !

  2. izao vao tena opposition !mba milamina sady mikrikiky !tsy izt lay mampamono namana sy mampirisika teo!tohizo e!efa tsisy ho lazaina koa!fa naninona i revera kay?Vizana loatra teny ankianja sady ny taona efa mianjady ohatry ny an,i zafy koah!mirary fahasitranana haingana ary aza miala satroka ntsony fa mafana ny andro ary ny tolona mbola ho ela e!

  3. Tena marina ny ano Zafilahy fa iesona ny GASY ,efa tenenina nage inareo mpiaro ny radàlana hoemitodiha amin’ny Amerikana é! midina andalambe ny vahaoaka dia hasaina mivonona ny tafika Amerikana hoiarao azy soa ry tsostsoka indray no ho tonga aloha hanao hoe article izao sy zao hiaro ny ressortissants
    ,hasaivo hampodiany ny otra azy refa matahotra fa tsy ny armée-ny no hiditra aty ny Amerikana no niaro andra8 tamin’ny 2002 sy ny vahoaka fa ny amizao nivadika ny miaramila ka izay no tsy maintsy hanafarana ny tafika avy any ivelany ,ny Amerikana ny ahyno azoko antoka fa reto Sadec reto efa corrompu ,jereo ty Simao !!!

  4. aza mitsiriritra ny any lybia,cote ivoara sns e!tsy hisy izany fa resaka no atao;ampitomboy aloha ny isantsika ato @magro fa mahamenatra ;sarotra ny maka sary fa babangona b!aiza ny sasany kay?iva eme,fetsison,kotovelo,rarisaina,vivat,rarinaivo sns ?dila reny zany?

  5. Efa kobon’ny olona, fa ny zavatra efa nandaniana herin-tsaina / vola ary fotoana sarobidy no ataon’ireo « iny lalana iny ».
    – ny rafitra Maputo : CEN…
    – ny bonne gouvernance : déclaration de patrimoine
    – ny demokrasia : droit d’expression komokomohin’i Tovojanahary ao @ tvm

    Mihomehy ianareo raha mamaky ny teny namalian-dRADOMELINA ny fanamelohana mikasika ny ZOn’olombelona eto Mkara novelabelarin’ny Amerikana teo (jereo midi mkara androany).

    Mitondra HENATRA ho antsika malagasy eo imason’ireo firenen-kafa eran-tany ilay bandy tsy anino-tsy-aninona Andry Rajoelina io!!

  6. « Momba ny fiakaran’ny vidin’ny Solika dia nametram-panontaniana izy : lasa aiza ireo “redevances environnement” sy ireo 40% tokony hanamboarana lalana satria tsy nisy fanamboarana lalana eto ka tokony mijanona amin’ny vidiny io fa maninona ny vahoaka no vesarana ny fiakaram-bidy? » : Tena mampiesona ny FAT fa nareo ato vao may loza

    Dia misy miteny oe ampidiro ny tafika avy any ivelany: De tsy mba menatra ve enao amzany??? Fa maninona no tsy ny tolona atao eny @ mAGRO no tohizana???? Sa efa tsy de mahazo olona?????

    Ny anay Gasy tsotra, tsy mahay pôlitika, mila filaminana dia tsotra ihany: Izahay dia tsy mila ny FAT fa refa tsy vitanareo pro-trois mouvances ny manala azy eo efa presque roa taona izay dia aoka izay fa ampy. Avelao izy o eo, na esory haingana dia haingana eo , izany oe tsy mila ady pôlitika mbola hitohy taona maromaro izahay. Ary mino aho fa betsaka ny Gasy mitovy hevitra amiko @zany.

    « Na dia nampitandrina mafy aza ny FAT dia nisondrotra ihany ny vidim-tsolika ary vaky ambatolampy ny fanaon’ny FAT hoy indray I Jeanson. Nanamarika ihany koa izy fa tsy azo atao ny mifanoroka amin’ny lafiny diplomatika toy ny ny nataon’I Yvette Sylla sy Chatîgner farany teo. »: de maninona e??? Mampihena ny vary miditra any ankibon’ny gasy ve sa mampitombo zany mifanoroka izany??? raha manao akanjo tsy fanaon’ny olona ndray zany i Andry Radomelina ohatra de o atao resa-be eto ndray???? Mapme mintsyy,

    « I Jean Louis Rakotoamboa indray dia nilaza fa ataovy ny fanadihadina lalina momba ireo maty nihinana trondro tany Toliara fa aza amoronana lainga ny olona. Ataovy ny prélèvement…hoy izy. »: muhahahaaaaaaa, REFA TSISY ATAO DE TONGAVA ATY AMINAY MANASA NY LAMBAKO FA TSY ZAO REHETRA ZAO DIA ATAO RESABE ETO: zao no atao oe fanamboaran-tsaina, fa ny vendrana iany no azonareo amzany.

    FARANY: Ndao atao matotra ny paika anesorana an’io FAT io, fa tsy zao alika manao maloto eraky ny lalana zao dia lazaina fa alika frantsay daholo. Ny mahasamihafa anareo pro-ra8 sy ny pro-tgv dia nareo « malemy mantsina »(fiteny faritra atsinanana): eto @ internet no be vava be daolo fa tsy mahasahy ôtrany foza

  7. @bako, tena bako sa bado tena ny anaranao? Ny Amerikana izay tena toa tianao, dia mafy lavitra no ny tsotsoka izay tsy tiako hoatra anao. M’excuse pour le Malgache, mais ça m’est plus facile. Le rapport de PUISSANCE MILITAIRE (je ne parle pas de puissance économique qui est de 10 fois plus importante que la française) entre la petite france et les Etats-unis est de plus de 25 fois, en se limitant au budget seulement. Les tsotsoka veulent jouer aux Américains mais ne SONT PAS à LA HAUTEUR! sarkozy etla petite force de frappe (d’une petite frappe…) est aussi NAIN que la france est devenue UN NAIN POLITIQUE!
    Alors par quelle magie Mme Bako, par quelle magie sarkozy pourrait faire à Madagascar le CONTRAIRE DES INTéRETS AMERICAINS, sans qu’obama s’en apperçoive? C’est absurde, sarkozy EST LE REPRESENTANT de l’Union Européenne et mandaté par les USA à Madagascar. obama aime bien tchatcher comme beaucoup de Noirs, mais c’est du « vazaha mody miady ». Faire confiance en obama EST UN ACTE DE DEPIT ET SURTOUT UNE IMBECILITE NOTOIRE!
    Mianara teny anglisy dia vakio, henoy ny radios alternatives amerikanina, ny democracynow! sy ny NPR amerikanina! Izy ireo no milaza fa nangatahin’ obama @ sarkozy mba « régler les affaires dans les anciennes colonies françaises, au mieux des intérets US »
    Mbola ho ela voa hivoatra isika raha mihevitra fa afaka milalao amin’ny vazaha mody miady! Moa fantatrao fa izany no nahafahan’ny frantsay ni-coloniser i Madagasikara satria Rainilaiarivony nihevitra fa hafaka ampiady ny anglisy sy ny frantsay izy! Nifanaraka ireo: Madagasikara ho an’ialahy sns…!
    Excuse pour mes fautes de malgache. J’ai encore beaucoup à retrouver.

  8. Tena marina nenlà ry joetke: Ny problême dia ny malagasy mihevitra oa ny frantsay mihintsy no tena aretina mila sitranina eto dago, tsy mahita afa-tsy ny partie immergée de l’iceberg ny gasy. Antsoina ve ny amerikana hamono ny gasy??? Tena bado marina angamba i bako ka, jereo ny anaovan’ny amerikanina ny any Irak, ny any afghanistan, ny ao lybie, ny any syrie, sns tsy voatanisa. De o tinao ve ny ahita an’i Madagasikara feno miaramila vahiny????? Mba ataovy moramora ihany le fijerena film commando fa tsy mety zany fomba fijerinao zany. Ny olona ôtranao ry bako no manaratsy an’ity tolona atao ho an’i fahafahana ity. Ny ankahabetsahany gasy dia manaiky ny lainga asesikiny voakarama eny @ MAGRO. Manaiky ny tsy maintsy hiverenan’i Ra8 izaho, ary mitolona amin’izany. Fa amzao fotoana izao dia ataon’ireo mpitondra eny @ mgro izay hiadivan’ny gasy. Fa satria ve ry zareo mahazo vola avy any @ ra8 dia hanao an’izany, MILA NY FIVERENAN’I RA8 tsotr’izao fa tsy hieritreritra ny vahoaka malagasy?? Fa naninona no miaraka @ ireo Dinosaure??? sa refa miaraka @ ra8 dia tsy dinosaure tsony??? izay no antony ilazaiko oe: ataovy maty paika ny plan ahafahatsika manala an’io FAT io eo fa mihadondrona daholo ny gasy , laingalaingan’ny mpanao pôlitika .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *