« Médiation parallèle » ny ataon’ny COI hoy ny ankolafy telo ka tsy azo ekena !

3 Mouvances tao amin'ny ambassade Maurice

3 Mouvances tao amin'ny ambassade Maurice
3 Mouvances tao amin'ny ambassade Maurice
Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany hariva teo no nigadona teo amin’ny Masoivoho Maorisiana tetsy Manakambahiny ny delegasion’ny ankolafy telo nahitana an’i Pr Marcel Miandrisoa, Ruffine Tsiranana, Levelo Boniface, Dr Joseph, nitondra ny taratasy fanamarihana ny tsy fanekeny ny COI hitsabaka amin’ny raharaham-pirenena Malagasy.
« Tsy mankatoa ny COI hanelanelana amin’ny krizy misy eto Madagasikara izahay ankolafy telo » hoy ny votoatin’ny taratasy tamin’izany, noho izao antony izao : efa nanaiky sy niarahaba an’i Andry Rajoelina tamin’ny fananganana ny governemanta farany teo ny firenena Maorisiana , izany anefa dia mifanohitra tanteraka tamin’ny fehin-kevitry ny Troika 31 martsa 2011 farany teo.

 

Maniry izahay hoy ny ankolafy telo ny hisian’ny fihaonana an-tampony izay hatao eto Antananarivo, eo ambany fiahian’ny mpanelanelana iraisam-pirenena tarihin’ny SADC, andraisan’ireo filohan’ny ankolafy efatra mirahalahy sy ny hery politika hafa.

Tamin’ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny solontenan’ny ankolafy telo no nahafantarana fa manao « Médiation parallèle ny COI » ary ny Frantsay no manohana azy ao hoy hatrany izy ireo.
.
Jereo eto koa ny Sary 3 Mouvances tao amin’ny Ambassade Maurice (1/2) miisa 10.
Jereo eto koa ny Sary 3 Mouvances tao amin’ny Ambassade Maurice (2/2) miisa 10.
.
.

.

.

3 pensées sur “« Médiation parallèle » ny ataon’ny COI hoy ny ankolafy telo ka tsy azo ekena !”

  1. La COI n’a pas à mettre son nez là-dedans.
    L’UA et toute la Communauté internationale ont été claires quant à la résolution de la crise malgache.
    La SADC est la seule médiatrice reconnue ! L’action de ces soi-disants représentants de la COI, n’est qu’une manoeuvre de diversion de plus.

  2. J’ai toujours dit que l’Ile MAURICE avait terriblement peur de Marc RAVALOMANANANA du temps où celui-ci était Président de Madagascar, car elle avait la hantise d’être discréditée dans sa publicité de DRAGON DE L’OCEAN INDIEN. C’est normal donc si elle s’allie avec la HATay pour protéger son arrière-train!
    Quant à la COI, on devrait la changer en COMMISSION DES ORGANISATIONS DES IMBECILES!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *