« Mifona aho » hoy i Manandafy ! (+3 videos)

Manandafy, au Magro 02/04/2011
Manandafy, au Magro 02/04/2011
Manandafy, au Magro 02/04/2011
Lasa nitarika resabe teo anivon’ny fiaraha-monina ilay kabary nataon’i Manandafy Rakotonirina sy Manoela ny 31 Martsa lasa teo, na dia tokony ho ny fehin-kevitra navoakan’ny Troika aza no « vaovao baomba be masay »  dia nanjary lasa natsatso izany.  « Asaivo mifona amiko noho ny nanagadrany ahy aloha i Monja izay vao mihavana izahay » hoy izy tamin’izay.
Amin’ny maha ray aman-dreny hendry azy anefa dia nahatsapa  fa diso ny lehilahy koa dia nibaboka androany : « mifona aminareo aho raha ny kabariko no nahatonga fifampikasin-tanana eo aminareo » hoy izy, hanao demokrasia no hatao eto fa tsy totohondry.Toa nanamafy izany ihany koa ny fidirana mivantana nataon’ny filoha Ravalomanana androany ka nandefa hafatra mazava izy : « Hamafiso tsara ny firaisan-kinanareo, aza mizarazara mihitsy ianareo, aoka hibebaka isika » hoy ny filoha.
Momba ny fidirana na tsia an’i  Monja Roindefo ho ao amin’ny ankolafy Telo, izay nahatonga ny ady hevitra lehibe dia hita fa niala-pa ihany i Manandafy : « ho avy ny fivorian’ny antoko rehetra karakarain’ny SADC dia hifandray mivantana i Monja Roindefo sy ny filoha Ravalomanana hoy izy ary inoana fa   hiravona amin’izay ny fihavanana ». Na izany aza nanao teny fampieritreretana ihany koa ny tenany : « Ny diavolanko lava ny kilalao mbola ho ela » hoy ny mafana.
Ny andrasan’ny vahoaka Malagasy aminareo mpitari-tolona ireo dia mba tsy hifanebaka sy hifampiantsy ady ka hanahy lamba maloto imasom-bahoaka. Efa reraka manko ny vahoaka koa mila firindrana sy filaminana handaminanana ny tolona ary mba tsy hanome basy hitofirana ny tena, ny tsapa manko dia ny mpitarika hatrany no mamadika  sy miady an-trano fa ny vahoaka dia mijanona sy miaritra ny mafy eo hatrany. Ho lasa amin’izay anie ny ratsy e!…

.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 02/04/2011 (1/4) miisa 11.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 02/04/2011 (2/4) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 02/04/2011 (3/4) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 02/04/2011 (4/4) miisa 10.
.

.

.

.

12 pensées sur “« Mifona aho » hoy i Manandafy ! (+3 videos)”

  1. Si vous aller tolerer ce Roi des Fou alors pourquoi ne pas liberer tout les criminels au prison pour le FIHAVANANA,
    C’est le grand cote diabolique de la politique et je veux que la personne qui soutient ce FIHAVANANA mal place reponde a cette question.
    QUAND ON EST DONC BIEN PLACE LES MEUTRES ET LES VOLS AINSI QUE D’AUTRES ACTE D’ESCROQUERIE SONT AUTORISES ET UN SIMPLE MOT FIHAVANANA SUFFIT POUR EFFACER TOUT CES ACTES??????????
    Surtout ne venez pas vous plaindre ici si ce Monja va vous enculer d’ici peut.
    L’erreur principale des malgaches qui a cause cette crise est le fait d’etre TROP BON TROP CON

  2. Izaho manokana sy ny olona sasany kosa aloha dia tena MITOVY hevitra tanteraka amin’i Manandafy. Ahoana ny fomba hamelako an’iny olondoza iny? Iny anie no nitondra ny olon’ny FPVM sy ny zanak’i Pedro ay ny jioolahin’Iarivo teny ambohitsirohitra é. Samy mahalala ny tantara isika.
    Sa adino sahady ny lasa? Koa raha adino ny lasa dia lojika koa raha adinon’ny foza ny zavatsoa vitan’i Ravalomanna. Tsy hoe rehefa mivadika ny foza dia avela heloka. TSIA misy lalàna ombana vao tonga amin’izany afakeloka izany re Tompoko o!

    Ny resaka entre Manandafy sy roi des fou 1, ny resaka fanonganampanjakana sy roi des fous hafa koa. Ka hoy aho hoe: Mahatsara ny fiaramonina ny mibaboka ny heloka natao. Ka raha lehilahy misy saina i roindevo dia izy irery no afaka mampiseho izany eo imason’ny vahoaka.
    Amiko dia fanitsakitsahana sy fametavetana ny vahoaka malagsy raha tsy mibaboka ny helony izy.
    Ary raha tsy mibaboka izy nefa miditra ao anatin’ny tolona dia aleoko miala fa sanatria tsy tay maloto aho ka ho alikalikaina sy vetavetaina ny tanindrazako.

    Ny Fifamelana dia tsy misy raha tsy misy ny fibebahana. Izay ihany ny lalana.

    Samy vavolombelona tamin’ny zavaniseho sy mbola hiseho isika koa soava dia rahavako raha manaiky ny hosohosin’ny salopard ny tolona, ny tanindrazana, ny firenena.

    Dia mangata dalana hidodododo aho fa tsy hitsaitsaika satria nohon’ny zava miseho dia tsy eken’ny saiko mandramatiko ny nataon’i roi des fou. Ambava homana ampo mieritreritra.
    Samia mitana ny heviny fa ny ahy dia izay. Ary hampilaza ny sampana rehetra ahono efa nampilaza ny mpikamba aty koa

    soava tsrà daholo é

  3. Mila miresaka tsara ny mpanao politika, handravonana ny tsy nety rehetra. Tadidio fa raha tsy manao izany izireo dia tsy hisy filaminana eto. Tsy culture d’impunite akory no tadiavina fa tena fifamelana tanteraka hafahana miara-monina tsara, amin’izany ny tena tian’ny vahoaka tokoa no hitondra ny tany sy ny fanjakana, tsy hisy intsony ny hisora-tena toy ny voatango.

  4. Zany no midika fa hendry sy misaina ny PRAIMINISTRA MANANDAFY. Diavolan-ko lava marina ny lalao mbola ho ela !

    Manana fahendrena hanitsy ny vavabeny koa ve ny zetetay sy mydago ary MANOELA, toa TSIA ny valiny hatreto

    Raha ny fahitako azy dia tianareo asesika mitsy mantsy monja an tonga de manaova nareo lobbying any aminy PDT RAVALOMANANA hoe roidesfous no ndao atao filou ny mouvance ravalomanana de vita kabary

    Mety mbola lelafinareo ko aza ngamba Organes ra mandom-baravarana eo, mba manan-kambo e

  5. Izao ataon’i Manandafy izao no tena tsy hitiavan’ny vahoaka malagasy an’izany pôlitika na pôlifika izany !
    Matoa ny ankamaroan’ny vahoaka tsy misy rototra na mafy aza ny mahazo azy, dia NOHO NY FIHETSIKA TOY IZAO !!!
    Ny OLON-KENDRY INDRAZY VE NO HIFONA AMIN’NY MPANGALATRA SY MPAMONO OLONA SY NY DAHALO ???
    Sao dia tsy mety ê !!!!
    « hanao (hamerina) ny demôkrasia no atao eto (Magro) fa tsy totohondry » !!
    Marin’izany kanefa, ny akolafy telo ihany no tompon-toerana, ary tsy misy tokony hidiran’ny tarik’i ndefo mihintsy ao ! Tarik’i ndefo no mpanakorontana ao, ka izao ny voagadra sy voahitsakitsaky ny MPANONGAM-PANJAKANA indray no hifona amin’ny TSY MPANARA-DALANA !!!
    Avelao i ndefo hanao izay tiany atao any ivelany any, fa izay andraikitra tokony ataon’ny ankolafo telo no tokony hilofosany !
    I ndefo no nitondra loto sy nanosom-potaka teo anivon’ny FIRENENA !
    TSY HADIO VELIVELY NY FIRENENA SY NY TENANY, RAHA TSY IZY MIHINTSY ALOHA NO HITA FA MANALA NY LOTO SY MANADIO !!!!
    NY BAINGA MIVADIKA NO VAVOLOMBELON’NY ASA !!!
    « Hamafiso tsara ny firaisan-kinanareo » ! Ny ankolafy telo no resahiny amin’izany !

  6. Inona ity resaka vary mohaka ity sy oie oie ity indray e! Efa ekena ny fiaraha-miasa amin-dRatsiraka dia mbola hanao hadalana tahaka izao koa ve?

  7. Nous n’oublions point,

    Même ne pardonnons pas aux acteurs du coup d’état.

    Mais pour le moment le vif du combat est de retour à l’ordre constitutionnel.
    O rey oln ê – bilan actuel sur la situation :

    Il y a : padesm,françafrique, i Veta Sylla bras dessus-dessous à Chataigner

    Il y a Simao, bien que son nom ne fût en aucun point mentionné dans le rapport du Summit, au solde du gouvernement putshiste, les encourageant de se tenir dans leurs décisions unilatérales.

    Et à Dadatoa Ikoto Dafy, si sage et notable, et bien que n’arrivant toujours pas à digérer à huit clos les divergences d’idée, permettez pour éviter les polémiques de tourner la langue +eurs fois avant de parler en face du public.

    La solidarité est à tout moment de mise.

  8. FALY BE mitsy roidesfous ronandevo fa vita ny mission foza frantay nataony de ny « ZARAZARAO ANJAKANA », de misaotra ny site mydago sy gtt nanaiky hisolo vava azy

  9. Il y a le Roi des fous, d’un côté, et les Princes de l’autre… En tout cas, des fous il y en a partout, même au Magro!!! Car répondre aux « ôie, ôie » d’un « Prince », c’est à se demander c’est quoi un Vrai Prince? Nos Princes sont-ils des « proprinces »(1)qui auront encore besoin du baiser d’une Princesse pour se transformer en Vrai Prince?

    (1) En science, le préfixe « pro » désigne un état intermédiaire qui aura ncore beaucoups de modifications avant d’avoir sa destinée finale.

  10. Je remercie Ho aiza pour sa remarque .Je comprends que Manandafy s’excuse d’avoir semé le trouble dans l’equipe ,c’est de la bonté et de la sagesse .

  11. Ny niarahana amin’i Ratsiraka aza efa tsy hita izay anaovana azy koa ity indray dia i Roindefo izay tena anisan’ny lohan’ny mpanongana sy nahavanon-doza? Mitady ho fohy fitadidy isika izany. Ny politika akory dia tsy ny fiarahana amin’izao devoly rehetra izao fa mba misy « éthique » sy fanajana ihany. Aleo i Roindefo aloha ho any amin’ny « Purgatoire ».

  12. Manandafy a la mémoire tenace!!! Ravalomanana en avait payé le prix…
    On refait la même prise?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *