Hiavaka ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny Mago rahampitso Alarobia faha 20 Aprily, tsingerin-taona nahaterahan’i Thiera Bruno manko rahampitso koa hanentana ny olona izy ary ny vola ho azo amin’izay dia omena ireo gadra politika amin’izao andron’ny paska izao.
Fa raha hiverenana ny hetsika androany dia toy izao ny tatitry ny kabary entinay aminao mpamaky :
Berthine (Vehivavy Tim) : Ny anay vehivavy dia tsotra rehefa miverina eto ny filoha roalahy dia ny filoha isany Ravalomanana sy Ratsiraka , mipetraka ny tetezamita tena izy tsy misy Rajoelina dia izay ihany no takianay hoy izy
Ratelolahy : izaho dia teraka tamin’ny 1939 hoy Ratelolahy. Ny raiko dia nentin’ ny miaramila Frantsay hiady tany ivelany ary izahay ankohonany teto Madagasikara dia tsy namelana na inona na inona fa nasaina namboly vary ho an-dry zareo frantsay sy nitrandraka volamena indray koa. Ka raha mbola izany no haverina eto dia tsy ekena hoy Ratelolahy
Ignace : izay rehetra manaiky fa afaka hihavana tokoa ny Malagasy amin’izao paska izao dia ho tanteraka tokoa anie izany fa herinandron’ny fihavanana izao hoy ity solon-tenan’ny Moramanga ity. Fanapotehana ny firenena no nisy tao anatin’izay roa taona izay koa adidinareo Ray aman-dReny am-panahy no miteny sy mandray andraikitra hoy izy.
Najavona ilay hoe izahay mavita tena ary tsy mila fankatoavana iraisam-pirenena hoy Ignace.Izao anefa dia mipenipenina etsy sy eroa ary maniraka olona eny rehetra eny hitady fankatoavana. Toa tsy dia no raharahin’ny olona ianareo tany Windhoek tany hoy izy mantso ny FAT ? Rehefa mbola tsy mihavana ka mbola misy voahilika na iray aza dia mbola manorina firenena ambony fasika hoy izy.
Zafimbelo Gervais : naresaka ny fandehanan’i Andry Rajoelina tany Namibie nefa dia tsy nahomby satria mbola “unilateral” daholo ny zavatra rehetra. “Election constitutionnelle” no hitanay “mouvance Zafy” fototry ny olana teto hatramin’zay ka lalam-panorenena maro no tokony hisafidianana hoy izy.Ilaina ihany koa ny fitoniana ara-politika hoy izy, io fitoniana io nefa tsy vita raha tsy misy ny fihavavana izay tsy azo raha tsy ao anatiny ny tetezamita tena izy.
Mamitiana Ravelonanosy : Zoma no hetsika lehibe ataontsika eto fa tsy Sabotsy satria ny Talata indray vao miverina misy hetsika hoy pasitera Mamitiana.
Olivier Rakotovazaha : ny demokrasia ihany no mampadroso firenena amin’ny tany demokratika. Izany no nangalana ny fon’ny vahoaka tamin’ny 2009 . Na hanao tsingolobatita eto ary izahay, an’i Dadanay ity kianja ity; izahay ve dia hiera amin’ny nareo raha hatory any an-tranonay ?hoy Rakotovazaha.
Tompon-teny farany ny Amerikana na amin’ny firenena mikambana (NU) aza ka sahy izahay milaza fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena izany na dia handady na aiza na aiza aza ny frantsay. Ary iny “convocation” iny dia mino aho fa ao ambadika ny Amerikana.
Boeing tiana hisolo Airbus io resaka Air Madagascar any Eoropa io. Tsy ho vita amin’ilay hoe hividy fiara-manidina fa fampidiram-bola be ho an’ny frantsay indray io. Fato-maty mihitsy no nataon’ny frantsay sy ny FAT. Isika tsy resy izany satria ny vondrona iraisam-pirenena miaraka amintsika. Nahavita ny adidiny i Ravalomanana ary mbola manao fa ny antsika eto an-toerana aiza ho aiza ?
Mektoub : miasa mafy ny frantsay mampiasa ny olony. Tsy misy zavatra vanona satria nakinina tamin’ny Andriamanitra ny tolona. Tsy mila NOTAM isika hisakana any iry Andry Rajoelina fa miandry azy ireo ny “vérité sy reconciliation” satria eto no hotsaraina i Andry. Tsy hain’ i Andry Rjoelina intsony raha tetezamita no misy azy na repoblika faha IV ary ny lalam-panorenany raha akanjo dia mipetraka tsara aminy ary tsy mila PM fa izy daholo no madidy ny rehetra. Rehefa 2 na 3 ny lalam-panorenana fidiana dia tsy misy olona ambadika.
Nikatona ny fanaovana sonia ary hatao ny fanambarana fa io kosa dia tsy misy zavatra “unilateral” fa iarahana daholo.
.
.
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

