Isan’ny nanaitra ny sain’ny mpitolona tamin’ny kabary teo amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka androany ny fanambaran’ny Depioté Zafilahy Stanislas fa misy mikasa hisambotra indray ny tenany. « Tambatambazana izahay tsy azo, sandaina vola tsy manaiky » koa noho izany dia fisamborana indray no setrin’izany.
Tsy vitan’izany fa mbola ampangaina ho mitana sy ivantanan’ny vola avy amin’ny filoha Ravalomanana ihany koa i Zafilahy, io no fiampangana entina hisamborana azy sy ny mpanolon-tsaim-paritr ‘i Ihorombe. Noho izany, hoy ihany ity solombavambahoka voafidy tany Vavantenina ity dia nandray fepetra ny mpitarika fa izay olona manely tsaho sy manakorontana ny sain’ireo mpiara-mitolona dia handraisana fepetra manokana.
Misy mikendry ny hampiadiana sy hanasoketana ny mpitarika ny tolona manko hoy izy, koa aoka samy hitandrina isika, ary ‘ndeha hambatra ny hery hahatratrarana ny tanjona amin’ity tolona ity hoy ny hafany.
.
jereo eto koa ny sary Photos Magro 11/04/2011 (1/4) miisa 10.
jereo eto koa ny sary Photos Magro 11/04/2011 (2/4) miisa 10.
jereo eto koa ny sary Photos Magro 11/04/2011 (3/4) miisa 10.
jereo eto koa ny sary Photos Magro 11/04/2011 (4/4) miisa 05.
.
.
.
.
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


TSY MAHAGAGA IZANY RAHA NY HITA HATR@ IZAY NO JERENA: TSY EFA HO AVY KOA VE AN’I RAKOTOAMBOA SY RAKOTOVAZAHA? @ FARANY ANGAMBA DIA VOATERY HO OLONA HAFA MIHITSY NO HITARIKA SATRIA HO LASA ANY DAHOLO NY MPITARIKA EFA EO.
tsy ho eken-tsika intsony izany fa na isika rehetra no miaraka samborina na tsisy an-kisambosambotra izany.ny jiolahy sy ny mpandroba tsy enjehina fa ny mpitolona maneho ny marina no ndeha hosamborina?fanjakana inona izany?
TSISY HANAIKY IZANY INTSONY ISIKA FA TEO ALOHA ISIKA NO AMPIHOROHOROANA LAVA FA IZAO EFA FOLAKA KA TSY MATAHOTRA IZANY INTSONY.
tsy misy hisambotra izy fa mampiakatra ny lanjany fotsiny eo imason,ny mpitolona fa mila drala avy any @dadanareo !inona no ho vitan’io no ho samborina !iza koa izay nanambitamby azy teo?Lany hevitra dia mirediredy
Zany mitsy hoa ry Dorodosy, iza koa no hisambotra an’io? Te hanao VEDETTISME fotsiny io.
Io aza efa andrasan’ny fianakaviany any Vavatenina sy ny fokonolona, ataon’ny olona mahalalla ny anarany io raha vao mody any. Maninona no tsy mbola nody h@ izay nivoahana tany am-pigadrana raha lehilahy.Efa miandry an’io ny vady aman-janay nariany h@ izay aty Tana. Ny olona vendrana eto Tana no azon’io ampiesonina @ volan-dra8voleur
Ny olona tsisy cerveau tsy manakatao afa tsy misambotra sy mamono olona ,mandehana misitrika ry Zafilahy a! aza manaiky hampanatsoiny nareo fa manjary manome bahana azy ,fanjakana tsy misy mpankatoa io !!!
Fanjakany baroa eto ka samia manao zay tiany !
na inona vavan’ny mpanaratsy na inona ataon’ny mpanoha riana,ny tolona tsy mijanona raha tsy afaka amin’ny jadon’ny mpandroba fahefana i madagasikara.raha tena lehilahy mihevi-tena ho olom-banona,inona no tsy niandrasana ny fifidianana?inona no hangalarana ny tsy an’ny tena?inona no hanaovana sorona ny madinika?inona no hiziriziriana amin’ny hevi-diso.ary raha tena nahita vola nalefan-dravalo ho an’ny mpitolona ianareo asehoy porofo eto e!fitiavan-tanindrazana no hiaretanay ny mafy fa tsy ny vola toa anareo mpomba ny HAT ireo,olona lany henatra mianakavy,tsy manana tanjona afa-tsy ny hampanankarena ny tenany.de ho entina aiza anefa zay harena azo tamin’ny halatra sy alahelon’ny hafa e?hireharehana amin’ny taranaka ve???
Araho akaiky ny fomba firesak’i Dorodosy sy Rabariseheno fa olona mora fantarina izy ireo.
Olona efa very mandeha ka voatery mirediredy eto. Azo lazaina fa tsy misaina sy mandalina firy fa ny teo ihany no teo.
Ny tolona dia tsy maintsy mitohy ary tsy maintsy esorina eo @ ny fitondrana rajoelina mpanonga-panjakana sy ny tariny na tiany na tsy tiany.
Fa nareo ve ry Andry efa tena adala sa tena tsy mahay inona a? Ny Repoblika noforoninareo tamin’ny Heritaona, de avy eo nareo nanaiky niditra tao anaty Tetezamita iraisana indray, de mbola misy Repoblika faha IV inona indray zao? Nareo moa bandy tia fety sy tia mampiesona koa! Tandremo nefa fa efa ho akaiky ny farany an!
Zahay aloha miandry lay Fanatanterahana tsy misy anasorana ny Tondrozotra e! De tandremo sao tsy haverina eo Dadanay!