Nitondra porofo ny tsy fanajana ny zo fototra sy ny zon’olobelona ary ny tsy fisian’ny demokrasia eto Dago i Zafilahy !

Magro 14 avril 11
Magro 14 avril 11
Magro 14 avril 11

Hiavaka indray ny hetsika rahampitso etsy amin’ny kianjan’ny finoana, amin’ny maha andron’ny zokiolona rahampitso dia hanao « conférence de presse » mihitsy izy ireo hampahafantarana ny zava-misy marina mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izao.Nangataka ihany koa izy ireo mba ho akanjo mitovy loko amin’ny sainam-pirenena no anaovan’ny mpiara-mitolona rahampitso.

 

Handamoaka tahaka ny referendum avokoa izay fifidianana kasaina hatao amboletra eo hoy Malalatiana, vehivavy MFM raha nikabary teto amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka izy. Nametraka ahiahy momba ny loharanom-bola hanatanterahana izany ihany koa izy. Nampita hafatra hoan’I Nadine Ramarson : “raha betsaka ny vola mba omeo tahaka ny mpiasa avy any Liban ihany koa ireo very asa toy ny AGOA.” hoy hatrany i Malalatiana.

I Donné , olon-tsotra sendra nikabary kosa indray dia nilaza fa ela tsy niteny i Rajoelina ka izay nivoaka ny vavany dia nolazaina avokoa. Fifidianana tsy hahomby ve no mahamaika nefa ny oniversite efa ho valo volana tsy nianatra tsy hahitana vahaolana ?

Ny depioté Zafilahy kosa indray dia namaky bantsilana ny FAT: “mahalasa saina raha ny amerikana fatra-mpanaja ny demokrasia ary manana ny masoivoho tsara indrindra eran’Afrika eto no tsy mahalala ny zavatra marina. Manana ny fitoavana avo lenta indrindra ireo, ary ny mahagaga dia i Andry mihitsy no nilaza indray andro fa tsy ho any ivelany intsony fa noho ny teknolojia avo lenta dia azo atao eto an-toerana ny serasera haingana . Ankehitriny anefa tratra ny marina ialahy dia miteniteny foana.”

Nitondra porofo ny tsy fanajana ny zo fototra sy ny zon’olobelona ary ny tsy fisian’ny demokrasia ny tenany : izaho dia nosamborina tamin’ny resaka hevitra tsy mitovy ka demokrasia sy zon’ny olombelona ahoana ? Tsy nisakafo izahay rehefa nafidra fonja foana ary na ny fianakaviana aza tsy nahalala hoe aiza izahay. Ny mpanao gazety manao ny asany firy no nigadra, hampitahorina ka tsy adala ny amerikana. Izany ve no lazaina fa manaja ny zon’olombelona sy ny demokrasia I Andry Rajoelina? Hoy hatrany Zafilahy.

Magro 14 avril 11
Magro 14 avril 11

Ny mandabolambo ny frantsay sy ny FAT ihany no omena laka eto hoy izy. Tsy misy vola mirotsaka izany eo raha tsy tetezamita iraisana no mijoro eto ary tsy hanome vola na ariary maty aza na ny OIF . Raha lainga izany dia rahoviana sy hoatrinona ary hasehoy anay izany. Naha tsy miteny aza ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana dia mikaon-doha miaraka amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny filoha telolahy ary tsy hampiditra amin’ny krizy vaovao ny tetezamita tena izy. Efa nahazo ny anjarany na ny Maorisiana na ny OIF tonga teto tany amin’ny SADC hoy hatrany ny depioté.

Nanome hafatra ihany koa ny tenany, aza hatao mahakivy ny olona misitaka sy mety mbola hiala amin’ny filoha Ravalomanana, aza mijery mpitarika hoy hatrany izy.

Ny firaisakiana sy ny fifankatiavana no tsara indrindra anatiny ny tolona politika izao hoy indray kosa I Mektoub . Noho ny tsy fisian’ny demokrasia sy ny tsy fanajana ny zon’ny olombelona no tsy nahatongavan’ny rahalahy Raveloson Constant eto ary enga anie ka izay tokoa fa tsy noho ny fanelezana vaovao tsy marina eto kianja avy amintsika.

Momba ilay taratasy nalefan’ny Pr Zafy Albert hoan’ny Andry Rajoelina dia nametram-panontaniana izy : Inona tokoa no naha tezitra an’i Rajoelina tamin’ny ilay lazainy fa tract ? Tsy inona fa ilay “déclaration de patrimoine” ary niteny izy fa tamin’ny izy ben’ny tanana dia efa nanao ; tamin’ny ireny anie aran-dalana no teto e ! Fa izao ianao, ny fianakavianao sy ny namanao manao trafika ary izay hazahoana vola dia ataonareo daholo. Na 750 millions de $ na firy no azo’ny filoha Ravalomanana dia noho ny ezaka nataony sy ny fianakaviany no nahazoina izany fa tsy misy idirana ialahy hoy Mektoub.

Tamin’ny 2006, baiko avy amin’I Ravalomanana ny handinihina ny momba ny amnistie tao Tsimbazaza nefa dia i Yves Aimé iny no sakana voaloha tao amin’ny antenimeram-pirenena.

Magro 14 avril 11
Magro 14 avril 11

Ianao koa Rolly Mercia dia tsy zanaky ny « sud est » izany ary maninona rehefa lasa kiminisitra ianao vao miteny izany ? Ny découpage régionale dia asan’i Marson Evariste. Tsy diso ny amerikana fa ialahy no tsy mahay na inona na inona ary izy ireo no mahita ny demokrasian’ialahy rehefa mivoaka ny vahoaka eto, toy izany ny tany Andranomena.

Olivier Rakotovazaha indray dia nilaza fa na manam-bola aza ny FAT, izy angaha no notendreny ny vahoaka hitantana ny volany ? Voafidy angaha izy ?tsy manana zo hanao izany afa-tsy ny voafidim-bahoaka hoy izy.

Niteny ny firenena mikambana tamin’ny anaran’ i Metcalf fa tsy hanome vola ho an’ny fifidianana raha tsy misy fifanarahana politika »accord politique » ka ny azy no nataony tonga aloha omaly. 45 millions de $ no efa vonona ho any ny fifidianana mba ho raitra, tsy misy halatra, hosoka…tsy misy dikany anefa io vola io raha mbola tsy vita ny fampihavanana, ho lany fotsiny ny vola.

Ho raisintsika ho ohatra i Côte d’Ivoire hoy Olivier Rakotovazaha : carte biométrique no sady CIN, bileta tokana, GPS…rehefa niseho ny vokatra dia ady no niafarany satria tsy mbola nipetraka ny fihavanana.

Tsy mbola vahaolana ny fifidianana satria mbola betsaka ny olana.

Ny amerikana no miaro ny demokrasia eran-tany ary ny zon’olombelona tsy mivelatra raha tsy anatin’ny demokrasia. Rehefa miteny ny amerikana hoe TSIA dia Tsia. Tsy ilaina koa i Simao fa nanome tombon-dalana ny mpanongam-panjakana. Mba ampio izahay hametraka demokrasia eto Madagasikara ry Afrika Atsimo rehefa tratra izay dia miverina ny aran-dalana.
.
.

Jereo eto koa ny sary Photos Magro 14/04/2011 (1/2) miisa 10.
Jereo eto koa ny sary Photos Magro 14/04/2011 (2/2) miisa 10.

.
.

.

.

.

3 pensées sur “Nitondra porofo ny tsy fanajana ny zo fototra sy ny zon’olobelona ary ny tsy fisian’ny demokrasia eto Dago i Zafilahy !”

  1. Il faut bouger !!!
    Avec tout ce qui se prépare, nos problèmes vont passer à la trappe !
    Burkina Faso en crise, et bien de pays attendent leur tour !
    Rappel : Soulèvement populaire ne peut être comparé à un coup d’Etat militaire !

  2. Mankasitraka sady mankahery ny mpitolona. Tsy maintsy handresy isika mpankato sy mpiandrandra ny ara-dalàna

  3. Mais Zafilahy c’est autre chose ! « On » ne fait qye les « menacer » !

    L’on ne peut arreter que les Rakotoarivelo, les Fetison , les Randrianasoavina…
    Quelle en est l’explication ???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *