Magro 20 Aprily 11

Magro 20 Aprily 11

Toy ny mahazatra , vory lanina teto amin’ny kianjan’ny Finoana ny vahoaka Malagay.Faly sy ravo izy ireo naheno indray ny filoha Ravalomanana niditra mivantana teto an-kianja.Ankoatra izay moa dia nitohy toy ny mahazatra ny kabary nifandimbiasana :

Nomen’i Thiera Bruno ho fanampiana  ny gadra politika miisa 96  ny latsa-kemboka azo tao amin’ny Magro androany izay nahatratra 60.000 Ariary teo ho  eo.

Mifandraika amin’izay ny kabarin’i Manoela : “Kristiana isika malagasy ry ramatoa Razanamahasoa Christine koa mba avoahay ireo gadra politika hanao paska miaraka amin’ny fianakaviny .”

Tonga nandray fitenenenana ihany koa ny GTT Belgika, efa ela no nanirinay ho tonga eto amin’ny kianja ka tanteraka izany ankehitriny. Tsy kivy ary tsy reraka koa izahay any andilam-bato hoy ny gasy tia tanindrazana .

Ny Printsy Elakovelo, avy amin’ny ankolafy Ratsiraka dia nanambara fa ny fihavanana dia fitiavana sy fandeferana. Mitambatra hatramin’ny farany ny ankolafy telo hoy izy.Ratsiraka dia mahay ny momba ny tafika, Ravalomanana dia mpandraharaha goavana eran-tany ary raha marary saina dia eo ny profesora Zafy Albert hitsabo,  tsy omenay ny “reconnaissance” raha mbola tsy manaiky ireo “chefs de file” ireo ny Fat hoy izy.

Nanao antso avo ho an’ny  tandroka aron’ny vozona ihany koa izy : “Ry tafika, aoka haka sisiny ianareo hahafan’ny vahoaka hiteny sy haneho hevitra tahaka ny any ivelany. Tsy maintsy hakatona ny fanjakana tsy rariny fa izahay kosa tsy hanimba fanan’olona sy fanjakana.”

Tsy manana finoana sy fitiavana tanindrazana tahakan’i Ravalomanana ny FAT hoy kosa I Pasitera Edouard. Tonga avy any Namibia ilay naka lesona, hoatran’ny tsy hita amin’ny tarehiny intsony ny fahavononana, tsapany ihany fa tsy ao ambadikany ny vahoaka.Tadidio ry ilay kely fa tsy an’ny SADC i Madagasikara ary ampy izay 2 taona izay. Ianareo tafika mbola mifikitra amin’I Andry dia ho tsarain’ny tantara ianareo ary tsy ianareo ihany no tafika, jereo ny firenena. Tsy hitsahatra na oviana na oviana ny ankolafy 3 mandrapahatongan’ ireo filoha roalahy hoy izy.

Lainga sy fitaka daholo no nahely teto Madagasikara hatramin’izay hoy Olivier Rakotovazaha ary efa mandresy isika hoy izy.

Miveri- maina ilay nandeha tamin’iny lalana iny hoy Rakotoamboa Jean Louis. Hiova ny famindra ny tolona ka ho mpandresy lahatra “faiseurs d’opinion” daholo isika. Mety io satria efa mitranga ny “explosion sociale” hoy ny Teza.

Ahoana tokoa no hanarenareo ny vahoaka hanao ny ara-dalana nefa ianareo mpanongam-panjakana ?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Very lalana ilay lamasinina hoe TGV ?
  2. Diso lalana ny TGV !
  3. Notsipahan’ny ankolafy telo ilay soridalan’ny Sadc
  4. Mangataka ny Amerikana hanome tanana ny SADC mba ho tanteraka ilay fihaonana an-tampon’ny ankolafy efatra !
  5. Tapaka ny lalana noho ny fizirizirian’ny FAT !

2 Comments

  • ralay dit :

    misaotra anareo mampita itony vaovao itony hatrany.Hotahian’i Tompo anie ianareo ….

  • lalah dit :

    Marina mihitsy izany indrindra ho anay aty adilambato, manaraka ny vaoavao hatrany mivavaka foana ho an ‘ ny tanindrazana ary miombom-po amam- panahy aminareo , aza kivy homba antsika lalandava anie ny Tompo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site