Rehefa tsy nahomby ny fanelanelanan’ny Raiamandreny mijoro, miditra indray ny Taranak’andriana, Ampanjaka, Sojabe, Hazomanga, Tangalamena ary Loholona !

Ampanjaka
Ampanjaka
Ampanjaka

Mbola ao anaty krizy tanteraka ny firenena ankehitriny, koa dia hijoro hanelanelana amin’izao krizy lalim-paka mahazo ny firenena izao ireo ray aman-dreny : miombona ao amin’ny  Taranak’andriana, Ampanjaka, Sojabe, Tangalamena, Loholona, Hazomanga .Efa niresaka sy nihaona tamin’ny ankolafy Ratsiraka izy ireo ny maraina, ary dia nitafa tamin’ny ankolafy Ravalomanana indray kosa, tetsy Bel’Air, io takariva io.Ho  fampiharana ny soatoavina Malagasy sy ny fahendrena, fihavanana ary ny fiandrianam-pirenena no hijoroanay hoy ny mpitondra tenin’iizy ireo Atoa Solofoniaina Lolot.

Amin’ny maha ray amandrenin’ny fiaraha-monina anay  no mahatonga anay hanelanelana ny fifanandrinana ara-politika misy eto  ary mahatsapa fa manana adidy amin’ny firenena izahay  hoy izy ireo.Marihana fa hihaona amin’ny ankolafy Rajoelina eny Ambohitsirohitra izy ireo rahampitso maraina, ny tolak’andro kosa  dia eny amin’ny Profesora Zafy Albert eny Ivandry, ary amin’ny herinandro ambony dia hihaona amin’ny hery politika hafa izy ireo.

.
Jereo eto koa ny sary fihaonan’ny Ampanjaka sy ny ankolafy Ravalomanana miisa 14.
.

.

4 pensées sur “Rehefa tsy nahomby ny fanelanelanan’ny Raiamandreny mijoro, miditra indray ny Taranak’andriana, Ampanjaka, Sojabe, Hazomanga, Tangalamena ary Loholona !”

  1. Fandrebirebena ataon’i reny malala daholo izao.Fa maninona no miverina amin’izao zavatra izao.Tsy misy afa-tsy ny fidinana an-dalam-be,fitsidiham-paritany,fanairana ny firaisam-be-pirenena ary ny fibodoana ny vokatry reny malala no manery an’i tgv hiala eo.

  2. Taranak’iza tsara a? Mahonena ireto mijery azy!Ary tsy ao angaha i Ndriana sy ny théorie juiviste-ny?

  3. Izaho aloha tsy mahafantatra na iza ireo na iza, fa rehefa rehefa mahatafaverina an’i RAVALO eto an-toerana izy ireo amin’ny fomba mendrika dia tsy maninona.
    Fa raha mody manao fihetsika indray ireo, kanefa manaraka ny hevitry ny FATn’alika, dia izay vao tena raisiko hoe TSY MISY ILANA AZY, fa dia aleo mijanona amin’ny toerana misy azy ihany

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *