Roa taona sy tapany izay no nitondran’i Andry Rajoelina an’i Dago.Nisy ampahany tamin’ny Malagasy roboka nanara-dia an’i Ben’ny tananan’ Antananarivo tamin’izany fotoana izany, ny maro an’isa kosa toa variana, tsy nahasahy nihetsika, nanohitra ity mpanao dokam-barotra sady mpampandihy malaza, hanimba sy hamotika ny tanindrazany ity.Ny vao tsy manitra no ratsy hoy ny Ntaolo fa rehefa tonta iray ihany, …kanefa raha ireto tanora gasy vonona ireto dia ilay mpitondra vaovao mihitsy no manamaimbo ny lazan’ny gasikara teo aloha…
Isan’izany ity raharaha Air Madagascar ity.Tsy mahazo misidina ny lanitry Eoropa intsony ny Boeing 767-300 an’ny Air Madagascar ity.
Laza ratsy hoan’ny gasikara izany satria dia tandrevaka sy tsy fahaiza-mitantana hatrany no andikan’ny manam-pahaizana izany.Eo ny tsy fanaraha-maso eo anivon’ny fanjakana foibe, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vola hanatanterahana ny fikojakojana, fa ny tsy azo lavina dia « tsy fahaizana mijery lavitra eo amin’ny milaza ho mpitondra ».
Raha vao avy nankalaza makotrokotroka ny faha dimam-polo taona ny Air Madagascar anefa ny FAT tamin’ity taona ity dia nampanantena sy nanome toky ny fampiakarana ny fidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny fizahan-tany, izay midika fahalalahan’ny sidina.Indrisy anefa fa may ny afo natsanga izy ireo, raha tsy nisy fanonganam-panjakana manko teto efa mba lasa lavitra ny voromby antsika .
Asa raha tsaroantsika fa anisan’ny nanakianan’i Andry Rajoelina ny filoha Ravalomanana ny fividianana ilay fiaramanidina tsara tarehy hampia-karana ny lazan’i Gasikara, izay marihana fa tadiavin’ireto mpanongam-panjakana hamidy amin’izao fotoana izao io Air Force One 2 io.Fahefana avy aiza anefa no hanaovan’ny FAT izany? izy izay mpitondra tsy voafidim-bahoaka tsy manana zo hivarotra ny fananam-panjakana toy itony? (mampandeha ny raharaha an-kapobeny no andraikiny araka ny tondro-zotra nataony sonia )
Tsiahivina ihany koa fa isan’ny nampalaza ity fitondrana FAT ity ny fampiharana ny tsy famelana ny tera-tany Malagasy hivezivezy amin’ny taniny na ilay NOTAM ity.Indro tratran’i NOTAM ihany koa ry zareo.Tsy hay intsony ny tena tian’i Andry Rajoelina hitondrana ny firenena Malagasy : Hitaingina TGV manao fandehan-tsokatra ve isika? sa hitaingin-TSAMBO tsisy matilo mahay? sa hanidina amin’ny VOROMBY voasazy?
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


aleo manedha @ filanjana mpanjaka, rajoelina no mitaingina dia isika vahoaka no milanja e !
Sa hitaingina sarety tsy misy omby amin’iny lalana iny.
ho an ‘ i gary , enao rery no milanja andradomelina fa aza asiana misty hoe vahoka, enao no mety andevoziny non pas ny vahoaka
Amiko manokana, dia tokony ho deraina sy tohanana ry zareo ao amin’ny Air mad, satria tsy mora ny mitantana an’io orin’asa io, amin’izao vanin’andro izao.
Manao an’izay azon-dry zareo atao ry zareo mba tsy ampikatso an’io « Fananam-panjakà na » na « fananam-bahoaka » io !!!
Etsy adan’izany dia mbola eo ireo faly fahanan-dalitra, amin’ny lainga, ka tsy rotitra na dia efa ao anaty lavaka lalina aza ny firenena !!
Salut KM,
Taona maromaro lasa izay dia nandray mpiasan’ny Air Mad ny tena. Dia rehefa niady hevitra taminy teo dia tena hita mihitsy hoe misy zavatra tsy miady ao amin’ny Air MAd ao.
Fa ny zava-misy tena marina kosa aloha dia na ao amin’ny Air Mad na ao amin’ny fitondrana malagasy efa hatramin’izay dia misy ny tsy fahaizana. Manginy fotsiny ny fomba fiaina amam-panaontsika malagasy izay tsy mifanentana loatra amina « toe-karena mihetsikestika ».