Sambory aho raha mandainga hoy Rakotovazaha Olivier !

Olivier Rakotovazaha - Magro 05 Avril 11
Olivier Rakotovazaha - Magro 05 Avril 11
Olivier Rakotovazaha - Magro 05 Avril 11

Samy nanasongadina ny artikla faha enina (6) ao amin’ny fehin-kevitra navoakan’ny Troika farany teo ireo mpandaha-teny rehetra, teto amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, samy nanambara fa tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany ny FAT.

I Victor Young avy amin’ny ankolafy Zafy Albert dia namaky bantsilana ny fanodikodinana ny hazo sarobidy bolabola any amin’ny faritra Analanjirofo, « ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana » mihitsy no mangalatra ny hazo « andramena » hoy i Victor Young raha nanao tatitra tamin’ny vahoaka izy.Nomarihany fa hangataka fihaonana manokana amin’ny minisitra FAT izy hangata-panazavana momba io resaka io.
Olivier Rakotovazaha kosa dia nanambara fa ny marina ihany no lazaina sy tantaraina eo amin’ny kianjan’ny finoana. »Sambory aho raha lainga izao resahako izao » hoy izy raha nitantara ny fanonganam-panjakana sy ilay fehin-kevitry ny Troika izy.

I Zafilahy Stanislas dia nanohy ilay kabariny omaly, tsy maintsy miverina ny filoha Ravalomanana ary hirotsaka hofidiana indray hoy izy.Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy vato misakana amin’ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana satria ny vahoaka malagasy maro anisa no mitaky izany.
.
Jereo Photos Magro 05/04/2011 (1/2) miisa 10.
Jereo Photos Magro 05/04/2011 (2/2) miisa 10.
.

.

.

3 pensées sur “Sambory aho raha mandainga hoy Rakotovazaha Olivier !”

  1. Nahoana no tsy misy tafiditra eny amponja ireo mpandroba mitondra fitaovam-piadiana:
    – mangalatra vola be, eny amin’ny banky isany manerana ny nosy
    – ireo mpanendaka harem-bahoaka etsy sy eroa, any @ lalam-pirenena sy ny sisa?

    Satria mandeha an-tana-tohatra ny asan-jiolahy:
    – nanao izay faraky ny sainan’alikany ny mpanongam-panjakana
    – izay mba mitsangana aty amin’ny mpanohitra dia ampidirina am-ponja.
    Ny asa maloto hatahorana dia jerena fotsiny amin’izao, ary lasa mahazo vahana.

    Alefaso, ambarao ny marina, tantero ny fahalovana rehetra…
    _

    Kitrano antranon’alika sy kisoa ny ao @ fitondrana ao
    _

    RULES OF LAW MUST BE RESTORED!

  2. Ny olona mitovy amin’ireo FATn’alika ireo ihany no mbola mino ny lainga sy fitaka ataon’ireo HATay ireo. Mamy be mantsy ny saosy ka dia tena roboka e, na dia hamonoana ny mpiray tanindrazana aza izany!.. Tsy mataho-tody, fa ho hitany kosa ny ahazo azy rehefa keikely eo!… Mboa tsy nahazo ny fitsaran’ny lanitra tokoa mantsy rizareo ireo!

  3. Nodaroan’ny Communauté internationale – frantsay i L. Gbagbo satria hono nanao putsch électoral ! Ny zavatra hita sy voalaza anefa, dia ilay fifidianana mihintsy no feno halatra. Isika tsy hitsara hoe avy aiza no tena nangalatra, fa maninona rahatoa ka naverina ilay izy, fa ny fantatra izao dia tena nitanila ny fomba fijerin’io CIF io !
    Natao fampitahorana ny CPI na ny Cour Pénale Internationale, kanefa na io aza izao dia nahatsiaro hoe voafitaka !
    Tokony mba daroan’ny CI any koa ireo potsista gasy ireo, raha mbola manao be saina ao !
    Tsy misy fahafahana intsony ao madagasikara, ary voageja ny vahoaka !
    Tsy hijanona izany famoretana izany raha tsy maneho ny fijaliany ny vahoaka malagasy. Ka tokony tsy hijanona ao anatin’io « Magro-Place des lamentations » io intsony ny vahoaka, fa tokony hampiseho eny ivelany amin’ny FOMBA MAZAVA SY MENDRIKA, ARY AM-PILAMINANA, fa tena leo sy tofoka ny malagasy !!!
    Tsy maintsy mandray ny adidiny ny Vondrona Iraisam-pirenena amin’ny farany, fa izao no atao hoe  » Non assistance à peuple en danger » ( Motifs de leur intervention en Libye et Côte-d’Ivoire )!!
    Aoka mba ho dinihin’ny rehetra ity teny nolazain’i Stendhal ity : »Les peuples n’ont jamais que le degré de liberté, que leur audace conquiert sur la peur » !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *