Tsy mahatoky ireo ekipany intsony Ambohitsirohitra !

Gouvernement matahotra !

Gouvernement matahotra !
Gouvernement matahotra !
Nanao filan-kevitry ny Ministra voalohany, hono, ny governemanta ny « firaisam-poza » tamin’ity androany ity.Tsy toy ny mahazatra anefa ny hita tao fa dia voam-bolana hafahafa hatrany no nivoaka tamin’izany : « Interdiction des… , Suspension des … »ny dikan’izany dia misy zavatra hatahoran’ny « foza » mafy ao matoa dia voam-bolana fandrarana hatrany no miraradraraka.

Isan’izany aloha ny mety ho fahatahoran’izy ireo ny nampidirana an-dry Mémé sy ny namany, efa nisy ihany koa manko tamin’ny herinandro fandrarana ireo minisitra vaovao tsy hanolo ireo olona ambany fifehezany ndrao manko « mandady ny trambo… »

Fa ny tena mety ho dikan’izany dia ny fahatahoran’i Andry Rajoelina sy Vital ny hatratrarana ireo fanodikodina ny volam-panjakana sy ny fangalarana ny harena sarobidin’ny gasikara isan-karazany nandritra ny nitondrany teo koa dia ny fandrarana sy ny fepetra entitra no hatao mialoha.

« Tsy mahatoky ireo ekipany intsony Ambohitsirohitra » fa efa tafiditry ny « mpanapoaka baomba » manko ny lapa ka ndrao tsy ho sarimihetsika intsony no mitranga fa « sonema tena izy ».
Tsiahivina amin’izany fa maromaro tamin’ireo voatendry ireo no manana « dossier fanapoahana baomba » izay noenjehin’ny FAT tamin’ny fotoan’androny.

Fa iza moa no nanery ny FAT hampiditra izay olona ahiahiany ao anatin’io governemanta io?ny fankatoavana rahateo efa tsy azo rahateo.Efa nolazain’ilay mpanao gazety tao amin’ny Viva aza fa esorina tao ireo « minisitra » mampiahiahy raha vao tsy azo ny fankatoavana.

Hatreto aloha dia mbola sokajiana ho governemantan’ny ankolafy Rajoelina samy irery hatrany io mitsangana io, izay hita toa governe-matahotra e!

6 pensées sur “Tsy mahatoky ireo ekipany intsony Ambohitsirohitra !”

  1. Ny olona jobo sy donto ary nandra toy ny foza orana ihany anie no miditra ao e!… Iza moa no miteny aminareo fa tsy efa nisotro ny am……n’i Andry RADOMELINA ireo Voalavo fotsy sy ry Hery RATSIMISAINA ireo vao tafiditra tao?
    Izao lasa FATn’alika amin’ny fahakelezan’ny loha!…. Dia mba inona hono izao no mba ataon’io Voalavo Fotsy Mémé io amin’izany Ministère chargé des relations avec les Institutions izany?… Mba tena fantany ve ny dikan’izany? … Manahy aho!

  2. éééééé, mbola aiza izany ry maivandoha isany a! hihihihih
    Omeo foza aho ry namana ho kendaiko fa tena mila avotsitro ity totohondriko ity a.

    Foza zoridira. Dehors, OUSTE MIALA

  3. d mety ho voajono ao aloha ireo Tim namandika palitao reo e…efa miaro ny rambony tsy ho tapaka zao ny pro-HAT rehetra…

  4. MEME ANGE ka ministere bidon,tsy misy mpiasa ,asa na misy ny bureau ny ministere des relations des institutions .
    Izany hoe na mipetraka any antranony aza ity ministra ity dia hiraraka ny karama,ary raha tsy mbola vita ny birao tsy haleo misonenika any antrano aloha.

  5. Izao fa miariary ny asa maha minisitra an’i voalavo fotsy ry zareo a!
    Ary nangingiana i GTT Philippines sy Ziry tato ho ato !nanao vacances angaha??
    aza avela hangina ny tanana fa tairo2 ry zareo a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *