4 pensées sur “Tsy voahajan’ny FAT ny « Franchise Universitaire »!”

  1. aoka isika tsy hinohino foana!!!
    miala tsiny aho fa izany « franchise universitaire » izany anie koa tsy ao amin’ny lalàna fa fahazarana izany hoe tsy « légal » fa « coutumier » koa mitandrema ihany.
    i professeur Achille Mestre no nanazava an’io taminay!

    Aza dia variana loatra maka tahaka sy manarakza ny any ivelany!!!

  2. marina mihitsy ny voalazan-dRATEFY;io « franchise universiteire » io dia karazana lova tamin’ny andro fahagola;
    by « Université » dia mpandova ny fiangonana ary taloha dia karazan’ny toerana tsy azo kasian’ny fanjakana ny fiangonana’ (refugio paccatorum)
    fa rehefa nisaraka ny raharaham-pitondrana sy ny raharaham-pivzavahana (laïcité de L’Etat) dia tsy misy intsony izany « franchise izany;

  3. Izany no nahatonga ahy hilaza fa tsy dia priorité ny fiarovana an’izany « franchise universitaire » izany !
    Lalàm-panorenana aza vitan-dry domelina ny nanitsakitsak’azy ; fitondrana sy filoham-pirenena nofidian’ny vahoaka, nahongany niaraka tamin’ny miaramila sy paolisy ary zandary, koa izany ve no atao mahagaga ????
    Amin’izao fahoriana mianjady amin’ny Firenena izao, na mpiasam-panjakàna na orin’asa tsotra, ary indrindra moa ireo mpianatra izay HOAVIN’NY TANINDRAZANA, dia tsy tokony hijery fotsiny na manampina maso akory aza, fa manana andraikitra goavana !
    Na MPANOHANA NY MPANONGAM-PANJAKANA, na MPANOHITRA.
    Rehefa mpanohitra, dia IZAY TSY ARA-DALANA REHETRA NO KIANINA, ARY TOKONY ASEHO NA ARAHINA AMIN’NY HETSIKA MAFONJA IZANY FANOERANA SY TSY FANKASITRAHANA IZANY !

  4. Tsy manaja afa tsy ny fangalarana fahefana sy fanfagalarana ny harenam-pirenena sy ny harenam-bahoaka ireo FAT ireo. Mila hetsika mafy sy ny hery matanjaka hanalana an’ireo amin’ny fomba rehetra na inona izany na inona. Tokony hivonon amin’izany ny rehetra. EFA ELA LOATRA IZAY ROA TOANA NANDEFERANA IZAY;

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *