4 pensées sur “01 mai 11 : Misaona ny tontolon’ny asa, be ireo very asa nandritra izay roa taona izay”

  1. Mafy tokoa ny fiainana amin’izao fotoana izao satria betsaka ireo very asa, tsy tenenina intsony ireo very zo any am-ponja! ny FATn’alika sy ny forongony anefa dia miliba sy mitsangatsangana amin’ny Jet privé, izay volan’ny vahoaka nangalarina tamin’ny « bois de roses » sy ny harena eto Madagasikara!
    Mbola hanaiky an’izao tsindry hazo lena izao foana ve isika vahoaka mandady harona? Mbola ho ekentsika foana ve fa karama vary masaka no omena antsika, kanefa ny HATay sy ny mpomba azy manao ny tsy maty manota mnodinkodina nny vola sy ny harem-pirenena?
    Mba vola ohatr’inona no omena antsika mpiasam-panjakàna dia mangina isika?.. Ny FATn’alika mahazo 2.000.000AR./mois raha kely indrindra, isika zara raha mahazo 200.000AR/mois, dia faly ery! RAHOVIANA ISIKA VAO MBA AHATSIARO TENA HOE AOK’IZAY E?

  2. Tsy misy hamonjy antsika izany eo, fa tsy maintsy isika no mihetsika, miady hatramin’ny farany raha te ho afaka amin’izao fahoriana izao e! aza manofy fa io dondrona io akory tsy hiala ho azy eo. Ampy rey olona izay 2 taona izay a! tongava saina e! izao izy nanao fampitaovana ny CAPSAT indray, hatao inona? tsy hanajana anao akory io fa hamonoana anao, ianao mpianatra io, ianao mpiasam-panjakana, isika rehetra amin’ny sehatra rehetra, mifohaza, mifohaza, vonjeo ny firenenao, aoka izay izany fifampiraharahana izany. Sa mbola mety aminao izao fahoriana izao?

  3. Marina dia marina ny anao ry Manjaka !! Tsy misy ampiana ary tsy misy anesorana !

  4. Nenina tsy alohan’ny anatra e! moa tsy ny mpiasan’ny zones franches no tena nitady an’ity revôlisiô oransa ity?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *