Ankatso : mandainga hatrany ny Minisitra FAT, mihamafy ny fitakian’ny mpianatra.

Greve Ankatso 16 may 11 (50)

Tapitra androany ny fe-potoana nomen’ireo mpianatra ny fitondrana Fat hanombohan’ny fampianarana eny amin’ny anjery manontolo, tsy tanteraka anefa izany na dia nanome fampanantenana (poakaty ?) aza ny minisitry FAT telo mirahalahy fa ho voavaha ny olana « mandainga tsotra izao ireto minisitra ireto fa té hanamafy ny sezany » hoy ny mpianatra.

Niverina  nitokona indray noho izany ireto mpianatr’Ankatso ireto io maraina io ary nanao antso avo amin’ny FAT : « tanteraho sy ampiharo izay nifanarahana » hoy izy ireo, raha nifampiresaka tamin’ny sendikan’ny mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka izahay io maraina io izahay hoy Hery, solon-tenan’ny mpitarika ny mpianatra dia nilaza mazava izy ireo fa tsy hanomboka izany ny fampianarana raha tsy voavaha ny fitakian’ny SECES.Noho izany hoy izy dia dia hihamafy isan’andro ny hetsika ataonay mpianatra , hidina an-dalam-be mihitsy raha ilaina raha tsy voavaha hainga ny olana mahatonga ny fampianarana ambony mikatso ity.Nambaran’izy ireo fa lainga daholo ny filazana fa efa manomboka mianatra ny mpianatra ho mpitsabo sy ny eny Vontovorona (politekinika), tetika hanimbana ny fitakianay izany hoy izy ireo.

Marihana fa efa niantrana am-bava-basy indray ny Emmoreg manoloana ireto zana-bahoaka tsy afaka manovo fahalalana any an-dafy ka mba te hianatra, ny mpianatra izay nanamafy fa toa ny miaramila, polisy, zandary hatrany no mahazo tombotsoa sy tambinkarama ambony eto amin’ny firenena satria izy ireo miarao ny FAT, fa ny « manam-pahaizana toa modiana tsy hita ». Ny heno teny an-toerana aza dia tonga amin’ny fifandranitana mihitsy ny andaniny sy ankilany : « Tsy aleo ve ny mpianatry ny EPP no omena fanamiana mitovy toy izay ry zalahy herim-pamoretana ireto”, ry zalahy etsy Aosikely sy ny eny Tsimbazaza omena 25 tapitsisa isam-bolana kanefa tsy an’inona tsy an’inona akory hoy ny mpianatra iray sendra anay.

3 pensées sur “Ankatso : mandainga hatrany ny Minisitra FAT, mihamafy ny fitakian’ny mpianatra.”

  1. Peta-toko lava sy fialana bala no betsaka! Tsy afa manohatra aloha hatra@ izao satria emmo reg lian drà no eo am pita. Hisy farany nefa io!

  2. TOANA NY FO MAHITA ANREO MPIANATRA , mihetsika tahaka izao ,
    NY tiako ambara ,ny oniversité dia misahana zavatra maro ara-tsaina ary azo lazina fa misahana ny zavatra rehetra aratsaina .Nny zava misy ankehitriny dia mikrosofahana ny aratsaina tato anaty ny fotoana vitsy izao .
    Mila hezaka manokana ny oniversite ,Mila Fanjakana ara dalana sy ankantoavin ny firenena rehetra ny oniversité,mila fiaramiasa mafy @ tany rehetra ny oniversité .
    Hiresaka fotsiny ny fiara miasa @ la frants ny tenako ,IO TANY IO DIA TSY MENATRA HANOME NY MALAGASY NY MIETTE humanitaire izay fitaizana ny fahantrana .
    ho anareo mpianatra dokotera ,efa sarotra tokoa ny hafanareo manao fanamafisana fahaizana any Frantsa ,@ izao fotoana izao dia mpianatra avy any ARABIE SAOUDITE SY LYBIE no mameno ny fampianarana specialiste any frantsa satria ireo dia Mahaloa vola @ sarampampianarana ,isika ex colonie sy mainty dia OUT satria koa ny niveau dia tsy voatana .
    KOA RE MPIANATRA ,RATSY TOERANA NY ONIVERSITE ANTSIKA ,AOKA NY MPIANATARA HAHAZO NY CONFORT HAFAHINY HIANATRA ?NY MPANPIANATRA TSY HO TIA TENA SY TSY HO VOAN NYASA RATSY ,MENDRIKA LAFITRA VAOVAO NY ONIVERSITE.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *