Anosy : « Rodoben’ny miaramila »

Anosy 20 mai 11 (11)

Araka ny nambaran’ny Printsy Elakovelo, teny Anosy io hariva io, dia noravana ilay hetsika Rodoben’ny Malagasy hoan’ny tanindrazana androany noho ny tsy fahasalamana mahazo ny filoha Zafy Albert vokatr’ilay daroka baomba madatsa-dranomaso omaly, « hahemotra rahampitso indray ny hetsika ary ho avy eo ny profesora » hoy izy.

Ny tsikaritra teny amin’ny faritr’Anosy io hariva io dia rakotra miaramila ny kianja : »ny miaramila no mahazo mitangorongorona sy maneho hevitra » fa ny vahoaka rahonana sy anaovana « tsindry » (intimidation).Raha ny hita teny an-toerana dia nahatratra 20 mahery ny fiara-be feno miaramila mirongo basy, ankoatra ny andiany mandeha tongotra misaodisaody  :                          « rodoben’ny miaramila » ny teny Anosy androany, rodoben’ny herim-pamoretana, rodoben’ny fitazonana seza, rodoben’ny fahatahorana demokrasia…

6 pensées sur “Anosy : « Rodoben’ny miaramila »”

  1. Tena marina daholo izany.
    Nefa aoka ho fantatsika fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy misy fiafarany izao, ka ny mpanao ratsy mpanongam-panjakana mampiasa herisetra dia tsy maintsy ho voasambotra ka ho tsaraina.
    Misaotra ny mpitolona rehetra.

  2. ny mahagaga ahy, dia mitondra « BASY » ry foza izany???!!! Fa atao inona ireny no entina eny, sa itifirana an’iza???!!! Raha manao fitokonana ny any am-pita, « baton » no entin’ny mpitandro filaminana fa tsy basy…ireo sary ireo ange ka hitan’izao tontolo izao e, ry foza izany d faly ery milanja ilay basy nefa tsy fantany fa ihomehezan’ny olona fotsiny…vendrana tsss…

  3. Mirary fahasalamana ho an’ny Profesora Zafy ary mankahery ny mpitolona mba tsy hiverin-dalana fa hiroso hatrany mandra-pahatonga amin’ny tanjona dia ny firodanan’ny FAT sy ny miaramila mpanohana azy.

  4. tsy vahoaka ange ireo fa olona novidiana vola e! ireny ve no atao hoe vahoaka malagasy????? mba mahalala menatra! itondrana basy ny olona mpandroba sy mpanakorontana ary ny mpanimba zavatra fa tsy ny olona maneho hevitra fotsiny ka aza ampitoviana velively! mahaiza mipetraka!

  5. Feno alika tsy mahalala tompo izany ny tanàna ka inn no hevitra????rodobe’ny alika tsy mahalala tompo??? jamban’ny volan’ny Foza sy ny Frantsay….

  6. Ireo manao satroka vy ireo no lalimanga toy ny fiteny, fa raha ny marina dia LALI-MAITSO,miaina ao anatin’ny …..maloto !

    Ilay lali-manga mitarika azy ireo iny no tena tsara hogaina kely, dia ho hitanareo fa hihemotra daholo ny lali-maitso !

    Ny pilotra hoa no fanohitra amin’ny lakrimozena !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *