Any an-gaboné no fotoana ?

Aza tezitra ianao fa somonga ny ahy ! Ary tsy ho fanivaivana ny tanànan’olona any Afrika any velively tsy akory, fa ny fombantsika Gasy mihitsy no miteraka ny resaka ho mamelona ny kivalavala sy ny « fanabontsinana » indraindray. Ny sasany dia tsy nikely soroka niantsoantso mpampahalala vaovao fa sonia sy fanohizana izay efa norangotina teny Ivato no hatao any an-tanànanan’olona any.

Efa naman’ny vita ny resaka fa neken’ny mpanampan-kevitra ao anivon’ity fikambanana Sadc ny « taratasin-dRazandry ». Totorebika tsy nifankahitàna ny tao an-tanàna ka velona ny « azonay, tsy avelany ». Ny sasany indray dia maty daroka amin’ny lakrimozena ery an-kianja ery, ary nanambara mihitsy fa misy mifofo hatramin’ny ainy.

Ilay Ramose any ampitan-dranomasina any dia nanambara ihany koa fa hamonjy ny « fotoan-dehibe » na dia mbola tsy mahafantatra amin’ny antsipirihiny ny amin’ilay episitily nosoratan’i Simao ho an’ny Gasy aza. Ary ny Gasy moa dia toy ny mahazatra ihany : Miandrandra ny lanitra sisa, mitanatana vava sy miandry am-pinoana ny mpamahana azy, tonga tokoa ny mpitango lalitra hatramin’izay nanefa ny adidy aman’andraikiny.

Vao nilatsaka avy any ny taratasin’ny tatitry ny fivorian’ny filoham-pirenena teo anivon’ilay vondro-paritra Sadc, dia samy nanao « dika vilana » ho amin’izay mampetipety azy kokoa ireto mpifanadrina ara-politika eto amintsika. Raikitra indray ny famadibadihan-dresaka sy ny fitsikilovana ireo voambolana samihafa (samy hafa).

  • Tsy voalohany no nahenoana an’izany fa efa hatry ny ela e ! Inona no tian’ny mpanoratra ho lazaina ?
  • Manoatra koa noho ireny famakafakana lahatsoratra any amin’ny fanadinana isan-tokony ireny no natao. Iza sy iza avy no hanatrika ny fivoriana hatao ato ato ?
  • Tsy fivoriana, hono , fa zavatra efa vonona sy ho tanterahina ? Rahoviana izany ?
  • Ny mahagaga anie, rey olona, dia andininy kely miisa telo no mahakasika ny firenentsika amin’io tatitry ny mpivory io e !
  • Dia misy mihitsy ny mitompo teny fantatra fa raha ity no nolazainy, dia izao izany no ao an-dohan-dry zareo. Rehefa tsy nandà antsika izy dia manaiky izany e !

Rehefa mbola mampivory amin’ny fotoana manaraka ireo olona ireo, dia mbola mitohy izany ny dinika e, hoy indray ny hafa. Tsy mivonona ny hamaha ny olana mihitsy ny mpanao politika izay manana ny fomba toy izany satria tsy ny fototry ny resaka no dinihina fa ny fombafomban-javatra ety ivelany. Tsy hisy vokany azo antenaina loatra ny fampivondronana indray ireo rehetra mpifanandrina amin’ity olana ity (Izany tokoa ve izao no dikan’ilay hoe : parties prenantes ?).

Inona no hevitra fonosin’ny hoe :

  • Ala nenina farany ? Ary ala nenina ho an’iza ?
  • Rehefa miresaka ve dia tokony ho izay tianao hatao ihany no atao sa mba azo tanterahina koa ny hevitry ny hafa ?

Aza mandeha any raha hevitra taingina no ifanalàna baraka any an-tanin’olona any, ary raha mihevitra fa mpandresy dia ataovy izay tiana atao ho jerena, fa aza lany andro eo am-pisikinana fa « hamerim-bola » eo no hiafaràny.

Ny any an-gaboné tompoko, dia miditra tsirairay, tsy mifanatrika, samy manao izay tiany, tsy misy resaka fa manary izay rehetra nanavesatra azy avy.

  • Samy mampiasa izay tiany : Na taratasy misy an’ilay episitily, na koa rano, na…(tsy azo soratana eto). Dia ho sanatria ho toy izany ve ity hatao any Gaborone ity ?
  • Hoe hiditra ny trano fisainana dia hanao sonia fahatanitany toy ny mahazatra fotsiny indray ?

Tsaroana tsara anie ny vava ratsy niainga teto an-tanindrazana teto raha nihazo ho any Pretoria Afrika Atsimo ny mpihazona ny fahefana tamin’izany e !

« Sonia sisa no hatao », Izay marina sy izay tena dikan’ny hevitra tiana atao re no ndeha iadiana hevitra, dia mba tsy any an-gaboné intsony no fotoana amin’ny manaraka fa mba eny ampamoloana sy eny ambony lambanana. Izany no loabary an-dasy sy tenimiera, ary mifankatia sy mifamarafara mba tsy hiverenan’ny adilahy mandany rora fotsiny.

Rehefa tsy hanao an’izany dia mandiniha tena fa sao mba tsy aretin-kibo intsony no mahatonga ny fivalalana fa ny kibo mihitsy no efa feno kankam-pisaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *