Democratie d’Andry Rajoelina : Bombe lacrymogène , arrestation musclé : 18 mey 2011

arrestation musclé

Tonga mavitrika nanohina ny antson’ny filoha Zafy Albert ny vahoaka Malagasy an’alinkisa androany, teo Anosy, haneho hevitra saingy daroka baomba sy fisamborana an-terisetra no nanjo azy.

Vao maraina dia efa nihenoheno nanodidina an’Anosy ny vahoakan’ny Ankolafy telo, niampy ireo avy any amin’ny faritra , ny mpitandro filaminanana kosa nihaodihaody eran’ny arabe nandrangaranga basy no sady nampitahotra ireo kanosa.

Mikiakiaka fahalalahana ny vahoaka Malagasy, saingy hampisehoan’ny herim-pamoretana ny heriny , hany hery dia milefa mandositra .

Iverenana ny tranga io tolakandro io.Raha vao nigadona teo anoloan’ny INSTAT ny Profesora Zafy Albert, niaraka tamin’ny mpitarika vitsisitsy dia nirodorodo nanaraka azy ny vahoaka marobe.Nihazo ny lapan’ny « Maitso » izay toa zary lasa tanana haolo : lasa nandositra daholo ny CST sy CT nivory tao.Vao nigadona teo anoloan’ny fiantsinan’ny taxibe 119 anefa dia nosakanan’ny mpitandro filaminana.Niverina manoloana ny lapan’ny fitsarana indray.Teo no nnanaovan’ny Pr Zafy Albert fanambarana tamin’ny mpitsara fa tokony havotsotra tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, vita izay dia hihazo manoloana ny radiom-pirenena sy tvm handefa hafatra amin’ireo manao ampihimamba y haino amanjerim-panjakana no norarafana lakrymozena tsy misy hantra ny vahoaka malagasy mpitolona.

Vokany,  enina teo eo no nosamborin’ny herim-pamoretana, nisy ny mpanao gazety nosamborina ary navotsitra indray, teo koa ny naratra noho izany.

Tsy niandry ela fa nampiantso mpanao gazety teny Ivandry ny Profesora ary nilaza fa tsy ara-drariny ny famoretana ny vahoaka, « hitohy hatrany ny hetsika fa tsy hijanona hatreo » hoy izy.

Entinay an-tsary sy sarimiaina ireo rehetra ireo afaka fotoana fohy…

15 pensées sur “Democratie d’Andry Rajoelina : Bombe lacrymogène , arrestation musclé : 18 mey 2011”

  1. Velom-pisaorana tanteraka aminao Solo Razafy amin’ny ezaka ataonao sy ny sary ho tanterinao !
    Mankalaza e !

  2. Miasa ho an’ny grade omena an’i Risara Baomba izany ireto andian’olona Mpanatanteraka ireto ? Aleo tsy antsoina hoe Miaramila fa mampisaina !

  3. Solo Razafy, avec les informations que nous avons, pourquoi n’avez vous pas de photos avec le ZAFY, le TIM et le MFM. Toujours d’après les gens sur place, le TIM et le MFM n’étaient meme pas présent. Pouvez-vous nous confirmer?

    Les gens sont venus par rapport au Rodobe et non à l’appel du TIM ni du MFM.

    Si c’est ainsi qu’ils s’y prennent, c’est pas étonnant que depuis deux ans Ravalomanana n’est pas revenu

  4. tsy maintsy mipoaka ny sarimbilany e,omeo azy am zay ny famerimbolany, tonga dia afafazo any amin iny tavantsoavaliny iny ho tadidiny tsara,zahay mbola ho any rapitso,de ma manaraka koa,

  5. io tsy misy hoe tany ve i anona sa tsy tany i anona, tolona be io,tsy maintsy mandeha makany daholo,zahay ho any foana na ahoana na ahoana e,ok,tongava daholo fa aza mifampiandry e ,

  6. ry pôly tsy maintsy tonga any foana fa zahay koa tsy maintsy makany e, tsy mila autorisation izany,aleo hifampitady kely any, tonga ny farany,

  7. zay e,ohatran ny androanyihany, tsisy manimba zavatra, ry zareo mazava vody koa izao ho any handoto rano fa tsy quoi io e, vao masil be ah de efa tonga any, am5 izao, za efa debout,vonona,okay

    any ny fotoana

  8. Prez > misy lamina tsy maintsy arahana
    matoa tsy hita mazava hoy ianao ny TIM sy ny MFM dia misy antony, tena mazava aminy efa mpitolona. Fa eny foana ry zareo, tsis mitsôka !

  9. Tolona !
    tsia zaza kely no mireseka aminao eto, averiko ETO indray NANINONA NO TSY TONGA ny TIM Sy ny MFM ? mBA VALIO KELY Adtoa MANANDAFY azafady.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *