Eny Anosy

Hatr@ izay nitombohan’ny krizy izany, izany hoe nanomboka teo @ fanonganam-panjakana, dia ny mamadibadika ny lalàna no nataon’ny FAT ka ny polisy indray no hampidirin’ny mpangalatra any Amponja.

Ireo zavatra nifamototra ireo dia hitantsika ohatra t@ fanafihan’ny miaramila ny lapa mpanjakana ny sy minisitera, dia ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna no niaro t@ izany. Rehefa voarombaka ny fahenfana dia ireo mpanao lalàna ao @ antenimieram-pirenana dia nahantona ary ny Légalistes t@ izy ireo dia nenjehina na no tambitambizana mba hivadika. Ny HCC dia terena hamoaka lalàna milaza fa ny mpanongam-panjakana no mitondra, ary eny na dia efa tapitra aza ilay fe-potoana nomeny dia tsy miteny izy arymbola manjakazaka ihany ny mpanogam-mpanajaka.

Ilay loholona indrindra @ mpitsara na “doyen des Juges” : Jean marie Ramangason dia izy io no nanome ny didy rehetra nandefasana ny légalistes efa ho 400 latsaka kely, tany amponja. Ka aoka samy hitadidy izany anarana izany isika rehetra.

Ny mpitsara moa dia hampitahorina ary ny “dossier” na antotan-taratasy mikasika ny politika dia omena ireo olona manohana ny FAT mba hanasaziana ny voampanga.

Alaina baraka ny “batonnier” fa tsy miray tsikombakomba @ FAT, afindra toerana ireo mpitsara tsy mihaino ny baiko ny FAT .Ataon’ny FAT fitaovana politika ny fitsarana. Ka I christine razanamahasoa no lohany @ izany. Efa nanao hetsika maromaro ihany ny SMM,na ny syndicat-n’ny mpitsara fa nanaovan’ny FAT fampanantenana poakaty . Tsy misy hasiny intsony ny fitsaràna Malagasy fa lasa kilalao maloton’nympanogam-panjakana.

Marihina eto fa t@ ireo olona 400 latsaka kely nalefan’ny Jean Marie Ramangason tany amponja ireo dia olona mpanohana ny ara-dalàna daholo. Miharihary @ izany ny endrika politikan’ny fitsarana.

Manarak’izany dia maro @ ireo voasambotra no tsy mahafantra akory ny antony hisamborana azy fa rehefa vosambotra vao mahalala, ka saika antony tsy fantam-piaviana daholo . Ohatra @ izany dia voalaza fa ny Kolonely Ralitera no nitifitra ilay mpivarotra boky tetsy Ambohijatovo. Niaraha nahita sy nahalala anefa fa miaramian’ny FAT no nanao izany.  Ary izaho mpanoratra dia niantrika izany fitifirana izany teo @ 20 metatra teo  eo. Fa dia lainga marivo tototra ny hatao.  Ao koa ireo nosamborina fa nahitana kiririoka, baiboly, vonikazo, fanamafisam-peo, prospectus… ary mbola ao ihany ireo notorahina t@ baomba madatsa-dranomaso ka niaro tena dia nolazaina fa nanakorotana. Tsy tenenina intsony izany ny fanosihosehana ny zon’olombelona ataon’ny herimpamoretana rehefa misambotra

Tany tsy misy lalana I madagasikara , ary ny FAT no manao izay tiany atao. Na ny lalampanorenana hijoroan’t FAT aza tsy misy ary ireo rafitra najoro ka nossoniavina dia notsipahany.

Afa-baraka tanteraka ny mpijatra eto madagasikara fa sady tsy henoina, no tsy  asina hasiny. Hamboamboarina daholo izay lalana mahametimety ny FAT ka voatery hitsahina ireo tena mpahay lalana.

 

 

MIJOROA RY MPITSARA MALAGASY MIANDRY ANAREO NY FIRENENA

1 pensée sur “Eny Anosy”

  1. Ka raha ny faniriana dia izay, Raha mihetsika ireo @ izao fihetsehan’ny mpianatra izao dia ho potika ny FAT, nefa raha mbola mahita ny tombotsoany manoka ireo dia mbola tsyhihetsika. Miandry ny fitiavan-tanindrazany isika. Aiza ny SMM @ io fanagadrana olona avy eny @ fitsrana izao e ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *