Fahombiazana ny santatry ny « Rodobe » !

Tafapetraka soa aman-tsara ny taratasy fisaorana naterin’ny « Rodobe  hoan’ny Taindrazana» hoan-dRamatoa Hilarry Clinton, sekreteram-panjakana Amerikanina ny 12 May tetsy Andranomena.Naharitra efapolo minitra teo ny resaka nifanaovan’ireo solon-tena enina mianadahy sy ny  Masoivoho Amerikana teto Andranomena : Manandafy Rakotonirina, Ruffine Tsiranana, Ange Andrianarisoa, Ihanta Randriamandranto, Miandrisoa Marcel, ary Bernard Joseph no nisolon-tena ny vahoaka, ny Profesora Zafy Albert kosa dia niandry ny tatitra fotsiny fa tsy isan’ny delegasiona nifampidinika noho ny arofenitra.

Fahombiazana avy hatrany no nilazan’ireo solon-tena ireo ny diany raha nanao tatitra tamin’ny mpanao gazey izy ireo Nidera ny fanehoan-kevitra am-pilaminana nataon’ny vahoaka ny Ambasadaoro ary maniry hatrany hivelaran’ny tena demokrasia, nitehaka ho azy koa izy enina mianadahy tamin’ny tatitra nataony farany teo momba ny raharaha  Madagasikara dia ny filazany fa tsy manaja ny zon’olombelona ny FAT.Na izany aza tsy adinon’ny roa tonta ny nidinika mahakasika ny famahana ny krizy eto amintsika: “ilaina ny diniky ny samy Malagasy” aloha, alohan’ny hamoahan’ny SADC ny fanam-pahan-keviny ny 20 May izao hoy I Manandafy Rakotonirina, noresahana ny MCA sy ny AGOA.Ny profesora Ange Andrianarisoa kosa dia nanamafy ny tokony hiverenan’ireo sesin-tany politika hiara-hamaha ny krizy eto mba tsy hisy Malagasy ho voahilika indray sy tsy hiverimberenan’ny krizy lava manimba ny firenena.

Androany 13 May moa dia mbola hitohy ny “rodobe” ka etsy amin’ny Villa Elisabeth no hahalalana ny tohin’ny tantara.

 

3 pensées sur “Fahombiazana ny santatry ny « Rodobe » !”

  1. Misaotra indrindra ny rehetra e! Misaotra ny mpampita ny vaovao rehetra ato amin’i Mydago koa, na ny an-tsoratra na ny an-tsary. Mankahery an-tsika rehetra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *