Fitakian’ny mpianatra Ankatso : herim-pamoretana hatrany ny Tafika !

Sakoroka Ankatso 17 mai 11  (18)

Nitohy androany ny hetsika nataon’ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo, hitakiana ny hamahana ny olana eo amin’ny mpampianatra sy ny mpampianatra mpikaroka mivondrona amin’ny SECES mahatonga ny tsy fidiran’ny taom-pianarana.Vokany : norarafana baomba mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana, natao hazalambo ny mpianatra, tsy nohajain’ny Emmoreg ny ilay faritra tsy azon’ny mpitandro ny filaminana hidirana na « franchise universitaire », « nohitsakitsahin’ny herim-pamoretana tarihin’ny Richard Baomba » ny faritra an’ny oniveriste hoy ny mpianatra sendra anay.

Fantatra tamin’izany ihany koa  fa mpianatra iray naratra mafy noho ny fifandonana, nisy ihany koa ny mpitarika ny tolon’ny mpianatra nosamborin’ny mpitandro filaminana.

Nifanome fotoana rahampitso indray ny mpianatra ary hanamafy ny fitakiana.

5 pensées sur “Fitakian’ny mpianatra Ankatso : herim-pamoretana hatrany ny Tafika !”

  1. Tsy hifarana inony izao raha tsy mianjera ny FAT. Tohizoihany ry namana fa ho avy ny rodobe Rahampitso. Tsy maintsy mandresy ny vahoaka Malagasy

  2. Raha mamely marary anareo r i Tanora dia valio ,
    hasivo tetika Miraisa ina ,aza avela mety misy Samboriny ,
    ny Raiamandreny dia mila mietsika daholo erakin ny tanana mba hampiparitaka ireo heriMPAMORETANANOHOFANIN NY FRANTSAY IREO .

  3. Hono a! Rahoaviana no hamono olona hoatra an’i Côte d’Ivoire, « commando invisible » sns, ity régime tsy manjary ity?
    Tamin’ny 1975 dia tsy nanaiky intsony ho baikona ny miaramila portugais ambany ny fahefan’ny dictateur Salazar, tamin’izany fotoana izany. Natao hoe « révolution des oeillets » izy io satria nomena ireo civils vonin-kazo oeillets ny miaramila nikomy.
    Izany ny hatao hoe Miaramila tia tanindrazana, sady tia ny fianakaviany.
    Any Madagasikara, toa betsaka ny vatatay no matahotra sy mangovitra ka na maro azy amin’ny zareo no te hanampy ny vahoaka gasy dia tsy sahy! Eo no hilaina ny FASAHIANA! Izany no tena anton’ny folon-alindahy! Hanampy ny vahoaka sy hanery ny mpitondra politika hanaja ny zom-bahoaka! Raha tsy izany dia karazana « troupes d’occupation étrangère » ny miaramila sy zandary gasy.
    Tokony heritreritra mafy tokoa izy ireo satria tsy hahomby naoviana naoviana ny fandrosoan’ny zanany amanjafiny rahatoa ka ireo olona tsy mihoatra ny 25000 fotsiny, no hafaka homana sy hianatra irery. Ahoana momba ny sasany izay mitenty 20.000.000? Azo hekena ve izany?
    M’excuse pour les fautes en Malgache, j’ai essayé d’en avoir le moins.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *