Guy Maxime Ralaiseheno : tsy maintsy miala Rajoelina !

Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety tao amin’ny Villa Elisabeth, io tolakandro io ny Rodobe ny Malagasy hoan’ny Tia Tanindrazana ( RMT). Ny Ben’ny tanana Guy Maxime Ralaiseheno no nitondra teny tamin’izany : “tsy hitsahatra ny tolona ataonay raha tsy tratra ny tanjona dia ny fialan’I Andry Rajoelina” hoy izy.

Nambarany ihany koa fa misy mikasa hanimba ny hetsiky ny rodobe , nisy andian’olona saika hananaraotra handoro ny Lapan’ny tanana vaovao koa dia naleonay hijanona eto amin’ny Villa aloha fa tsy hamonjy ny kianjan’ny 13 may hoy izy.

Fanombohana ihany anefa izao izao hetsika izao hoy ny ben’ny Tananan’Ankaraobato mandra-pahatratra ny fahamarinan-toerana demokratika  eto Dago ary indrindra ny fahatoniana ara-politika mba tsy hisy intsony ny antsojay amin’ny mpiray tanindrazana.

1 pensée sur “Guy Maxime Ralaiseheno : tsy maintsy miala Rajoelina !”

  1. eny wa!!!!

    le kabary fait partie de notre héritage…il faut être capable de remettre en cause notre état d’esprit , parler de « fiananana » , dénoncer en permanence n’ont aucune portée juteuse…

    Ranavalona 1° savait mieux s’y prendre !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *