Hanao fanambarana lehibe i Pr Zafy Albert rahampitso !

Magro 06 mai 11 (11)

Araka ny nambara teto amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany dia hisy vaovao lehibe andrasana avy amin’ny ankolafy telo rahampitso amin’ny tafa hifanaovan’ny Pr Zafy Albert amin’ny mpanao gazety.Fa ireto entinay aminao  ireto no famintinana ny kabary tetsy an-kianja : -Virginie avy any Diégo : Mitebiteby lava ny fiainanay any Diego noho ny ataon’ny  FOROS. Mandroba, mangalatra, mamono olona izy ireo. Manao izay tratrin’ny heriny ny polisy kanefa rehefa misy tratra ireo FOROS dia mivoaka noho ny fahafantarana olona ambony hoy izy. Lainga ihany koa ny filazana fa dia mahazo vahoaka i Rajoelina rehetra mianavaratra hoy I Virginie, ajanona daholo ny fampianarana rehefa mitety faritra izy ka dia terena hanatrika izany ny mpampianatra sy mpianatra ary ny mpiasa rehetra. -Ignace avy any Moramanga : “lasa tsy re tsaika, tonga tsy re dona ny FAT”. Ary ny mahagaga dia  ny sasany eto an-toerana efa milaza indray fa tsy ilaina izany fankatoavana iraisam-pirenena izany fa aleo isika tonga dia hoe miroso amin’ny fifidianana.Tsy mitovy fijery na ry zareo samy ao aza.Momba ny grevin’ny mpianatra dia nampitandrina I Ignace : Tandremo ry mpianatra fa mety mbola voafitaka indray ianareo. Misy fahamarinana ny tenin’ingahy Kaleta hoy I Ignace, tahaka ny hoe ry Yves Aimé dia tsy afaka miteny fa mouvance Ravalomanana izany ary tokony mamorona antoko fa tsy mampiasa ny anaran’i Ravalomanana. Ny tsy marina kosa dia ny famerenana ny filazana hoe naloham-bahoaka i Ravalomanana, hiteraka korontana ny fiverenany fa ny marina dia hoe raha miverina milatsaka i Ravalomanana dia ho lany amin’ny fifidianana. Ianareo koa matahotra ny fiverenany satria nandroba ny fananany, izany no atahoranareo. Haban’i Dany : inona no ilaina fahakatoavana raha ny eto aza tsy manaiky ? Tsy mety ny fifidianana raha tsy misy ny fitoniana. Aza ny CENI foana no resahana satria ny ao dia TGV avokoa ary ny HCC tokony mampanao lalana dia madika lalana ankehitriny. Halabato no mahamaika an’ ireo. Doc Julien : tapitra tamin’ny 08 desambra 2010 ny momba anareo HCC ary mpisandoka ve no hampifidianareo ny vahoaka ? Ry tanora sy mpianatra, aza hamidy vola ny fianarana sy ny hoavy hoy radoko. Olivier Rakotovazaha : hetsika lehibe roa no miandry antsika rahampitso hoy Rakotovazaha. Ny maraina any Anosy Motel de Tana, amin’ny 10 ora ary hanotrona izany ireo “associations nanao sonia adhesion” ? Hanao fanambarana lehibe ny profesora hahatongavana amin’ilay tetezamita tena izy. Ny hariva eto ihany isika « journée des associations »  eto Magro rahampitso hoy izy. Lainga izany hoe mangataka tafika malagasy hiaro azy izany ny amerikana satria tsy tafika repoblikana io ary toy izany ny SADC tsy afaka manaiky mpanongam-panjakana izany mihitsy satria henatra ho any Afrika izany fanohanana ny fanjakana tsy aran-dalana. Ny resaka Ankatso indray momba ny mpampianatra dia ny FAT no nanao sonia ny didim-panjakana tamin’ny oktobra 2009 ka hajao ny sonianareo ary hampiaro fa tsy kobaka am-bava no ataonareo. Mektoub : ho avy any Anosy ireo « associations » nanao sonia « adhésion » ary isika dia manome toerana ny mpanao gazety , hangina manoloana ny fanontanian’ireo mpanao gazety na inona na inona fa ny filoha no mamaly azy ireo. Iza moa ireo nanampy  ny hetsika tamin’ny 2009? Ary aiza ny mosquées any ireo ? Maninona ihany koa i Andry no tsy miresaka Ben Laden mihitsy na makasitraka na tsia ? Ary mifampiakina amin’izany ny diany any Torkia. Aoka ny toerana ho any izay mahay azy ary izao tontolo izao dia miray feo fa tsy izy intsony i AndryRajoelina. Misy frantsay iray aza milaza fa “seul Ravalomanana est capable de booster l’économie Malagasy” ka hoatran’ny baolina efa hirava io fanitarana andrim-panjakana io, izay te hijery dia mijery satria bojy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *