Ho an’ny Tanindrazana !

Inona moa ny 13 mai 1972 ? inona no tsy zakan’ny vahoaka Malgasy t@ izany ? Ary iza no nitroatra ?

Ny 13 mai 1972 dia hetsika napoakan’ny mpianatra fa ny lonilony sy ny alahelon’ny vahoaka no avy hatrany dia nanamafy izany. Tahakantsika @ izao fotoana koa. Maro ny Malagasy efa maratra mafy ao am-po, nohon’ny adalan’ny mpanogam-panjakana ary ny hetsika izay mitranga eo dia hiarahan’ny Malagasy rehetra. Ka antsoina manokana ho @ izany ireo mpanohitra ny Fitondrana Avoan’ny Tetezamita tarihin’i andry rajoelina, toy ny profesora Ranjeva, ny MONIMA ary indrindrindra ny ankoafy telo misokatra. Ity no RODOBEN’NY MALAGASY.ary ny firaisakina no hery.

Ny frantsay mpanjana-tany dia nampijaly ny Malagasy. Nohambaniana daholo izay rehetra maha-Malagasy ary nindraindraina kosa rehefa frantsay. Ny mpitondra t@ izany dia nanome tombony an’ireo voanjo nanao tsinotsinona ny Malagasy. Manao fitaovana ny Malagasy mba hamokarany hoan’y lafrantsa.

Ny fampijaliana sy ny vono ary ny fanagadrana dia saika isan’andro, ary ny famonoana ireo tia tanidrazana dia natao t@ habibiana, toy ny fanipazana olona avy eny ambonin’ny fiara manidina, fandripahana olona maro tao Moramanga, ny 29 mars 1947 sns…

Ny tetiky ny frantsay dia ny zarazarao hanjakana. Ka nisy ireo andiana Malagasy vitsy an’isa nomeny tombotsoa mba  hamehy ny Malagasy namany. Avy eo dia nomen’ny frantsay ny fahaleovantena saritsariny  fa mbola ny mpanjanaka ihany no teo ary tsy nisy niova ny fanao na kely aza. Mitovy @ izany ny mitranga ankehitriny. Ny FAT dia manome tombotsoa ny olom-bitsy toy ny miaramila sy ireo mpiray tsikombakomba politika,voky ireo dia hampiasaina hamoretana ny vahoaka Malagasy.

Tsy mahantaty izany tsindry hazo lena izany anefa ny Malgasy izay nangiana foana ka raha vao napoakan’ny mpianatra ny 13 mai 1972 dia niara nirohotra ny rehetra. Tsy misy ary tsy hisy olona afaka hanao izany tolona ho fanafahana ny Malgasy izany afa-tsy ny Malagasy irery ihany. Tsy hisy olona na firenena hafa hihetsika eo @ toerantsika.  Maro @ntsika no mbola matahotra ka aleo maty rahampitso @ aretina sy ny tsy fahampian-tsakafo ary ny fanagadrana toy izay maty androany @ tolona ho fandroasan’ny taranaka. Tsy midika velively nefa izany fa hisy ny sorona. Fa milaza kosa fa ny tolona ataontsika dia hoan’i Madagasikara, sy ny taranaka ary koa hoan’ny hoavintsika.. Ny fijaliantsika izao no hitondra ny fahasambaran’ny zanantsika sy ny any aoriana.

Koa RODOBE no hataontsika tsy hisy hihemotra intsony ary tsy hisy intsony hanaiky izany fisamborana sy fampitahorana izany intsony fa izay manao izany dia tsy maintsy handalo @ fitsaram-bahoaka.Koa samia mandray fepetra ary isika tsirairay avy hiantrika nhoavintsika aryt syhisy avelantika hisakana izany intsony na iza na iza.

RODOBEN’NY MALAGASY

10 pensées sur “Ho an’ny Tanindrazana !”

  1. Tena tsara ilay fanamarihana hoe ny MONIMA sy ny profesora Ranjeva. ho hita eo raha hiaraka @ vahoaka ry zareo na tsia.

  2. RODO BE QUAI D’ORSAY JEUDI 12/MAI/2011 à 8H30

    LASA IZAO A PARIS QUAI D’orsay ampitampitao ny sms sy ny facebook RDV 8H MIANDRY ANY TGV

    SY NY FORONGONY.MIARAKA NY BANDEROLLE merci…….. .

  3. Misaotra sy mankatelina ny taonao LAZALAZAO a ! Toa vitsy ihany izany isan’ny olona manoina ny antsonao izany ! Sa kosa angamba rehefa tsy miteny dia naman’ny maniky ?!
    Ny aty aloha dia efa vonona !

  4. Aoka tsy hihemotra intsony, rehefa tsy vita izao ity raharaha ity dia mahaiza mionona, vonjeo ny firenenao fa ho voavonjy koa ny fiainanao sy ny taranakao

  5. Ho hitantsika eo na mety ho tonga saina ihany ireto miaramila ireto na efa andevon’ny vola sy ny FATin’alika !

  6. Mafana, mafana, mafana.

    Manantena tanteraka ny firodorodoan’ny mpanohana ny aradalana any Paris sy any Dago izahay rehetra aty.

    Efa heno fa nisy olona nanao paika hafahafa any, dia ny nièce an’i Raharinaivo izay miafina ao ambadikin’ny anarana GTTinter. Ahoana no izy no raisin’ny frantsay????? AO RAHA….. Hatrizay anefa ny malagasy tao Frantsa tsy nisy norahirahian’ireo vozongo ireo fa ny nièce an’i raharinaivo no noraisiny???? Tena variana sy gaga mihintsy aho fa ilay ratsy tsy kely lalana.
    Tsy dia fombako loatra ny manaratsy ny sasany fa toa mila masiaka amin’izay izao.

    Hoy ny teny @ magro hoe: raha mamely ny fatin’alka maivandoha isany dia mamaly isika. Koa mamalia amin’izay ry namana any antanindrazana fa ilaozan’ny foza maivandoha mihahaka eo isika.

    Miantso ireo malalatanana koa ny mpitolona mba hanampy azy ireo eo amin’n famatsiana ireo tonga avy any aniraka fa dia ampitampitao ny hafatra.

    Veloma daholo nareo dia ataoko izay hiverimberenana eto. Izaho mantsy tsy dia forum loatra fa hiezaka aho.

  7. Inona moa no hiheverana ny vozongo ho ambony fa tadidio ry malagasy tsirairay fa taranaka tantsambo mahay daholo isika jiaby izay tsy nampiasa compas sy boussole fa nanana ny fomba nitondrana ny lakany ireo ka tonga teto Gasikara talohan’ny vazaha isany.Ankoatran’izany, nahay nanamboatra sambo ireo razantsika ireo ary nahafantatra an’izany hoe:gestion des stocks izany satria tsy nahalala izany hoe hanoanana izany tany aloha tany, ny eropeana nahalala izany mantsy tany aolha tany.Tsy fandinihana ny ntaolo ve ny hoe ny biby manana ravin-tsofina miteraka ary ny tsy manana manatody.Izay fomba fijery izay dia voamarina ara-tsiantifika taty aoriana.Hatramin’izao dia betsaka ny zanak’i Gasikara no deraina eran’izao tontolo izao amin’ny fahaizana, ny fahalemen-panahy,ny fahaizana amin’ny firahana aman’olona.Koa mitsangana ry Malagasy asehoy an’izao tontolo izao fa manana ny maha-izy azy ianao ary tia ny tanindrazanao.Masina ny tanindrazana.

  8. Tonga ny asabotsy, fotoana hieritreretana sy hisaintsainana izay zava-niseho nandritry ny erinandro ! Eo ny nahafaly, fa eo koa ny somary nahasorena !
    Asiana fihomehezana kely ihany anefa ny raharaha tsindraindray, ka hono hoa ry Bemafohy, voatery nijery sary mihintsy aho, fa tsy hitako hoe aiza no misy an’ilay izy !
    Ny ravin-tsofin’ny atsantsa sy ny trozona !!! Sa izireo anisan’ny atao hoe exceptions qui confirment la règle ?? MDR !!!
    Bon week-end daholo ê ! Mitohy ny tolona !!

  9. KMD!ao anatin’ny fanontanianao ihany no misy ny valiny( les exceptions qui confirment la règle).Mpampianatra malagasy anay no niteny anio ary sciences-nat ny formation initiale nataony talohan’ny nampianarany malagasy ka ataoko fa tsy niteniteny foana izy.Tsaroako izy niteny ny momba ny trozona,ny atsantsa no tsy voateniny.Efa maty moa izy izao.Mandra-piresaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *