Images CHOCS : Anosy 21 mai 11

Nampalahelo ny tranga tetsy Anosy androany. Zaza kely roa tsy manan-tsiny no toran’ny baomba mandatsa-dranomaso io hariva io, iray nosamborina an-terisetra.

Rehefa nipetrapetraka teo ambany hazo teo Anosy ny vahoaka dia noroahin’ireo miaramila vitsitsy hiala teo, be ireo nimenomenona kanefa dia tsy maintsy niala noho ny hery tsy mitovy.Rehefa tonga teo anoloan’ny fivarotana voninkazo indray ny vahoaka dia nandrarahan’ilay andiana miaramila « vovoka  » zavatra mahery tsy zaka, 20 minitra taorian’izay norarafana baomba mandatra-dranomaso ny vahoaka izay marihana fa tsy nibahana na nanao sakana teny amin’ny arabe.Maro no nametram-panonaniana mahakasika lalàna vaovao tsy hazahoana mijoro manoloana ny fiantsonan’ny fiara teo Anosy sy ny fivarotana voninkazo.

Nanao fahadisoana goavana ny herim-pamoretana androany « derapage » satria tsy nandika lalana ireo vahoaka no nasiana tsy misy hantra.Aiza ny zon’ireo maneho hevitra? tsy nohajaina ny zon’ireo mpandeha amin’ny fiara fitaterana sy ny mpivarotra, ary indrindra indrindra manoloana ny Hopitaly HJRA no nanapoahana tsotra izao ny « baomba baomba » io.

6 pensées sur “Images CHOCS : Anosy 21 mai 11”

  1. Tianareo ary maminareo ny teny malagasy, tsara dia tsara izany !
    Isika malagasy, dia samy mahafantatra ny zavatra miseho any an-toerana, ka noho izany tsara raha mba atao amin’ny teny vahiny hafa koa izay resaka mba atao eto.
    Efa nisy post nalefako teto hoe, nampahafantarina an’olon-kafa koa ity blog ity, mba ho fantatry ry zareo ny zava-mitranga any Madagasikara.
    Angamba zavatra tena mampalahelo toy izao, tsara raha mba atao amin’ny teny malagasy sy teny frantsay !
    Filoha afrikana 20, no nandeha nanome voninahitra an’i Sarkozy sy Ouattara androany !
    Tsy ny vahoaka afrikana rehetra no mankasitraka an’izany !
    Tsara raha mba misy fiaraha-mitolona, kanefa raha tsy fantatry ry zareo rahalahy sy anabavy rehetra izay mitranga, ahoana moa no mba ahafahany manampy ?
    Tsy manampy antsika ny firesahana amin’ny teny gasy lava izao !
    Misy manenjika foana hoe tsy manaja tenin-drazana, fa tsy fiarovana tanindrazana izany !
    Izay fomba rehetra mety daholo !!!!!
    En matière de communication, bien de choses sont à revoir !!!!
    Je comprends la grosse colère de joetke !!!!

  2. Tsy misy lainga no resahana eto ka tsy tokony hisy tahotra mihitsy … mijaly mahantra ny gasy satria andevon’ny Frantsay dia mamono sy manambaka ny gasy toa azy;

  3. Salut Kintana sy ny akolita,
    Ben, je pense qu’en ce moment, les vazaha sont trop occupés par leurs propres soucis. L’affaire DSK et TRON manginy fotsiny. Et oui après l’ingérence, le retour de bâton !
    Ils vont finir par se bouffer la ….
    Patience dônko e !

  4. Salut la miss ! Noheveriko fa nogadrain’i risara baomba ! Mbô marina mafy !!!!
    MDR !!!!!

  5. Kintana kou tena manapatsinay an !

    Fa angaha mbola mi existe le lasary bômba ? Noheveriko fa efa viré elabé !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *