Magro : iaino an-tsary ny hatsàrany ! 24 mai 11

Rodoben’ny haza-trano !

Rehefa avy nifampitady tamin’ny miaramila nandritra ny herinandro ny » rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana » dia hanova paik’ady vaovao  indray manomboka rahampitso.

Ireo rehetra nahatonga ny « famoretana sy ny fampijaliana ny vahoaka »  naneho hevitra an-kalamanjana sady am-pilaminana  dia hanaovana « rodoben’ny haza-trano (lambo?) » indray.

Fantatra fa rahampitso dia hanatitra taratasy any amin’ny Masoivoho Sinoa, izay hitam-poko hitam-pirenena fa manampy ny FAT hamoritra ny vahoaka amin’ny famatsiana ireo fitaovam-piadiana hamoretana ny Malagasy té haneho hevitra, ny rodobe . Avy eo dia ny Masoivoho Frantsay ihany koa no hanaterana izany izay mbola tsy nolazaina ny andro anaovana izany.

Tsy vitan’izay ihany, fe ireo Malagasy manana andraikitra hanalava ny krizy ihany koa.Isan’izany ny Gal Dolin Rasolosoa, Gal Richard Ravalomanana, Liet Col Andry Rakotondrazaka, Raharinaivo Andrianatoandro, izay nolazain’ny Pr Zafy fa sakana sy fitaovana tsy hivoahana amin’ny krizy.

Andrasana ny valibontana hataon’ireo « mpiaro seza » ny fitakian’ny vahoaka izany! Aleo alan’Andriana toy izay alam-bahoaka hoy ny Ntaolo, asa raha ho tonga any amin’ireo « tandapan-dRajoelina » izany hafatra izany ?

 

4 pensées sur “Magro : iaino an-tsary ny hatsàrany ! 24 mai 11”

  1. Vonona izahay e! Tsy hiverina intsony io, ary ho hita eo izy fihetsik’ireo fahavalom-pirenena ireo! Tandremo anefa Professeur sao ny ainao indray no fofonin’ireo FATn’alika tsy mataho-tody ireo!

  2. raha misy iray maninomaninona de isika rehetra no hiditra an-tsehatra,raha misy iray misy misambotra de isika rehetra no hiara-hitroatra fa tsy ara-drariny izany ary amboletra,hovaintsika amin’izay ny fiarahantsika ka ho tanana havia sy havanana,zay didi-maharary.tsy misy manaiky horohoroana intsony a!

  3. Aoka mihitsy mba ho fady amintsika ny mihemotra, tena mangirifiry loatra izao toe-javatra iainana izao,ka raha sanatria mihemotra isika dia handihizan’ireo FATin’alika ireo mandrakizay. Aoka izay, tongava saina.

  4. ANTSO :

    Ianareo izay naka film video mikasika ny RODOBEN’NY VAHOAKA, angamba, tsara raha mba manandrana mandefa ireny film ireny amin’ny ACTUALITES ao Amin’ny Yahoo.fr ?!
    Sao dia mba ……iza no mahita, hoy ilay jamba ! Andramo ihany e !

    Ny fisamborana – Ny Tifitra……..
    Ny fampiasàna ny Gaz Lacrymogene indrindra indrindra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *