Mbola miantso ny miaramila misaina sy manam-panay aho !

MOA VE TSY MANGIRIFIRY , TSY MAHATSIARO MARARY , SA LANY FITSERANA SY TSY LAITRAN ’NY FIJALINAN ’ NY SASANY INDRINDRA TSY MIRAIKA INTSONY EO ANOLOHAN ’ NY FAHORIANAN ’ NY MADINIKA !

VERY FANAHY MBOLA VELON VE IANAREO SA TOA NY RIVOTRA MITSOKA , MANAO BAO TSY MIVILY..?

MAHAGAGA HANY ! FA DIA NIVARy LAVO TOKOA VE NY TAFIKA , NY TAFIKA REHETRA VE SA..BOLA MISY AM-PAHANY MBOLA MISAINA , MIERITRERITRA SY MBOLA MANGIRIFIRY MAHITA NY FAHORIAN ’ IREO SAHIRANA SY MIJALY !

FOTOANA TOKANA EO AMIN ’ NY FIAINANA MIARMILA IZAO FOTOANA IZAO..

IZAHAY ZOKINAREO DIA EFA VOASEDRA TAMIN ’ NY TREIZE MAI 1972..!NASEHONAY TAMIN ’ IZANY FA TSY NILAINA N BASY ENTINA MIARO NY MALAGASY ,INDRINDRA NY NITANDRO NY FIAINAN ’ IREO MPIANATRA IZAY NISY NATAO SESIN -TANY TANY NOSY LAVA !

KOA MIANTSO ANAREO ZANDRY AHO ! HASEHO NY HERINAREO -TSY AM-BASY – FA NY HERIN ’NY FO TIA TNINDRAZANA , NY HERIN-TSAINA HIADY AMIN ’ IRETO OLONA TSY MISAINA MAMPIHOROHORO NY MALGASY , NY HERIM -PANAHY IZAY MAHA OLONA ANAREO.., NY HERIM-BATANA IZAY ANANAREO HAMPIONDRIKA IREO JIOLAHY MAMINGAVINGA NY MAHA – MALAGASY ANTSIKA , IZAY MANDALA NY FIARAHA – ONINA SY NY FIRAISAN-KINA..NA EO AZA NY
HEVITRA MARO TSY MITOVY IZAY HARENTSIKA !!

IZAY NO ANTSOKO : TADY ATSIPY AN-TANDROKY NY OMBY IZANY ARY TENY AROSO HO AN ’NY MANAM- PANAHY ,MBA HO ERITRERETINA !

1 pensée sur “Mbola miantso ny miaramila misaina sy manam-panay aho !”

  1. Tena marina tokoa fa de inona loatra no mahazo ny tandroka herin’ny vozona no dia mirona manampy io saribakoly ny frantsay io e?vola ve?mbola ho lany io any aoriana any .Voninahitra ve?Tsy mitondra makaiza io.Seza ve?Misaotra fa Andriamanitra tsy andrinareo andrasanay eto.Sitrak’Andriamanitra ho any Malagasy ity tany ity ka samy ho eto ihany no hilevina.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *