Miantso ny vadin’ny miaramila hanao rodobe ! 11 mai 11

conf press  Villa Elisabeth 11 mai 11 (11)

Vonona hitarika ny rodobe hoan’ny fitiavan-tanindrazana ny fikambanan’ireo vehivavy, io no nivohitra tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Villa Elisabeth : »Izahay vehivavy no tena ianjadian’ny fahasahiranana, tonga hatrany anaty vilany ny krizy  » hoy izy ireo koa noho izany dia manentana ny vahoaka tsy an-kanavaka izy ireo ny 12 May hanao rodobe hampiseho hery , etsy amin’ny Masoivohon’ny Amerikana Andranomena.

Manao antso avo amin’ny vadin’ny miaramila ihany koa izy ireo hanampy azy amin’ny tolona rehetra izay hataony, maro amin’ireny vadina Tafika ireny no ianjadian’ny fahoriana toa anay hoy izy ireo.

Marihana fa nisy fanangonana izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo vahoaka marobe  avy any amin’ny faritra efa tonga eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *