Mitandrema isika fa misy mitady hamadika ny tolona indray hoy Zafilahy sy Mektoub !

Magro 31 mai 11 (13) copy

Nafana ny hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny Magro tamin’ity Talata faran’ny volana May ity. Indro entinay aminao ny famintinana ny kabary heno teny an-kianja androany :

Tsihanihy :

mivonoana fa handresy amin’ity tolona ataontsika ity isika hoy ny solon-tenan’ny tokobe telo. Ohatra fotsiny ihany ny tany Toliara hoy izy : ny tokobe telo sy ny TIM no nisantatra ny tolona ary nitombo ny namana teny an-dalana. Ary rehefa tany ampigadrana aza izahay dia nanampy ny namana mpitolona ny Masters sy ny AVI satria nisy havany nigadra.

Matahotra ny FAT satria rehefa milamina ny tany dia very seza izy ireo. Azontsika foana ny fankatoavana iraisam-pirenena rehefa eo ny filoha telolahy no mitondra.

Zafilahy : mankarenin-tsofina ny fanaratsiana anay (Zafilahy, Edouard sy Mektoub). Tsy laitra rahonana, mafy hatoka ary tsy mety mandray vola. Ny ahy Ravalomanana miverina  eto Madagasika no hitolomako ary io no laharam-pahamehana ho, betsaka no te hamilivily sady tsy mila an’i Andry no tsy te hamerina an’i Ravalomanana.

Edouard : miomana fa hisy hetsika lehibe farany alohan’ny fandehanana any Gaborone. Hisy fahagagana eto Madagasikara amin’ity herinandro ity hoy izy.

Ignace : aza mba TGV ihany ! Ho any Gaborone sa tsy ho any i Andry ? Fanontanina io satry Hery Rasoahamaromaka izay TGV milaza fa vonona ! Tahaka izany koa i Vital izay voaasa tamin’ny fananganana “commission de réconcialiation” nefa milaza avy eo fa tsy ilaina izany fa tsy misy niady eto ka inona ny marina ? Ny fahitana azy dia tsy nahandry andro zoma ianareo, ny fahadisonareo no nahatonga ny krizy. Ary ankehitriny ny tetezana aza mbola tsy vita nefa ianareo te ho any ampita sahady. Io ilay tetezamita hodiniana any Gaborone fa tsy sonia ary indrindra tsy fifiadanana tahaka ny tenin’ny Leader Fanilo satria samy mahay amboletra. Matanjaka ara-basy tokoa ianareo fa kanosa ara-pifidianana. Tsy mety aminareo ny tany milamina satria ny korontana no mampanakarena anareo.

Mektoub : miasa ny virus ato anatin’ny tolona ary mahakivy ny mpitolona. Tsy azo sarahana ny fitiavana tanindrazana sy ny fiverenan’i Ravalomanana ary nanameloka ny 17 martsa 2009 izao tontolo izao fa i Andry dia nanongam-panjakana. Ny “ordre constitutionnelle” mihitsy no manery fa Ravalomanana tsy mantsy mody ka izay olona mitarika ka miteny zavatra hafa dia tsy te hamerina ny ara-dalana izany izy ary mpamadika.

Ny sasany vao nahazo minisim-panjakana dia nanadino ny lehibeny ka i Andry no lasa filamatra. Mila mahita malagasy mifankatia aho hoy i Zafy alohan’ny hahafatesako, ka rehefa mifankatia ny malagasy dia misy ho azy ny demokrasia.

Avelao hilatsaka amin’izay fifidianana ny rehetra fa any aminareo tanora ny vola, aty aminay kosa ny vahoaka.

 

8 pensées sur “Mitandrema isika fa misy mitady hamadika ny tolona indray hoy Zafilahy sy Mektoub !”

  1. Raha voaporofo fa Ravalomanana no nampamono olona tamin’ireny fikomiana notarihan’i TGVendrana ireny dia efa ela izy no tapin-dalan-kaleha ary notsaraina ohatran’i Radovan Karadzic.Koa satria nisy vavolombelona nahita fa nisy nitifitra avy aty an damosina ny olona nirohatra nakeny ambotsirohitra dia tsy manenjika azy ny TPI.Mbola ho avy ny andron’i Rajoelina tamin’ny fandoroana trano nisy olona velona.Tsy ho eo foana i reny malala indrindra moa fa tsy ahitany tombon-tsoa indray i Bemolanga.Ireny Ratko Mladic ireny aza tsara aro novotsorana ihany satria manelingelina ny vozongo.Ka izany no mahatonga an’i Radomelina sy ny namany manambitamby ny miaramila amin’ny vola be.Tsy hisy foana koa anie ny bois de rose ka efa akaiky ny farany ry bitrodia.

  2. Mankahereza jiaby e! Tsy mijanona isika raha tsy mipoly i Marc RAVALOMANANA!.. Efa akaiky! Efa akaiky e!

  3. Mba tsara ho fantatra ihany fa ny ratsy tsy kely lalana, sao dia mahay miresaka eto indray

  4. Ratko Mladic (Mladitch) ny an’ny serbe !
    Rakoto Maditra ny an’ny malagasy !!
    MDR !!!

  5. Ny aloa dia ny sazy iany no hitako mety andradomelina mianakavy ,ry tsirahonana sy sy dremanjato pasitera lahy antitra mpanompo sampy ireo sy ramino paul no tena fanetribempirenena dia jereo koa ty jeneraly rabarisoa invité ny Onitina realy tsy tahotra tsy henatra koa fa milaza fa radomelina président asa iza no nifidy an’ingahy nandra teo aminy??? mba olona ninatra fa « pourri » hatra@tsinaimaintiny ,tsra ve ny harena maloto ramiaramila ? tohizao fa tandremo sao tsy hahatahty ny vokany ;araki ny filazan’io rangahy io dia Ravalomanana hono tsraina fa namono olona ta@febroary ,ba jeneraly ve izy dia tsy mahatakatra nijery ny vidéo ,tsostsoka @zany no nanao commentaire fa ny tifitra dia avy anaty trano fa tsy avy eny @lapa akoty ,tsy maintsy hatao betsaka ny maty fa hiampangana andRA8 nefa aiza zo ty reconnaissance ???ANY ANKIBOn’nyomby ,tapina ny halatra sy vola sy harena daolo ny mason’reto miaramila f’inona no hidirana ppolitika ,namindrana fahefana enao nefa voavidin’ radomelina @vola sy harena fa marivo salosana ,naninona tsy notazonina ny fahefana napidramina ,koa raha tsy DOMELINA OTRANANREO DAOLO NY OLONA KOA hino zao atsanaga zao !hoano ny arena maloto fa ho hita eny ny taranakao zay ho vanona ,MBA menatra ?NA TSY HANAO POLITIKA AZA VE DIA EFA OLONA TAPeNANA MALOTO NY MASO TSY MAHITA ZAO FIRENENA EFA LATSAKA AMBANY be zao !Mba mieritreritra fa misy CERVEAU AO ANDOHANAREO SADY malagasy NY RA mikorina anatinareo a tsy tsostsoka satria ny tsostsoka zao no mitondra anty MCARA ,mba misaina fa ny reconnaissance ange tsy ho azonareo mandrakizay!
    é!

  6. Hialako fa diso tsipelina satria mbola tsy voaveriko voavaky dia voatsindriko ny bouton laisser un commentaire (etsy ambony)
    Ny tsara haton’ny trois mouvances miintsy no tokony hitory ANDRADOMELINA any @Tpi sy CPI fa tsy ho vita miintsy ty krizy ty raha tsy mahazo sanction individuelle reo HAT reo ,tapitra ny bois de rose dia ny vatosoa indray no avoakany koa ,ny tanin’olona hamidin’ny ministre fopla koa vola daolo zany ,refa kelikely koa hamidiny ny olona mahantra hangalana Taova ? NY VAHINY NO MANJAKA ETO MCAR ary hita fa VAHINY NO MITONDRA satria manao zay tiany ry zareo na hatramin’ny Afrikanina aza dia mi se permettre mangalatra sy mamaoka vatosoa satria vendrana IREO MILAZA AZY ho mpitondra @basy ka azo anaovana tsara ny hatao hoe « diviser pour régner  »
    JEREO ny Tanana maloto ,hita hoe tany tsisy fanjakana ka tokony hieritreritra ny opposants rehetra !
    Mila mitandrina be vao miditra RAVALOMANANA président ,mila diovina aloa eto MCARA ,aiza daolo reo miaramila sy polisy sy zandary mampanofa basy OLONA TSOTRA ENTINA HANGALARANA sy HAMPIHOROROANA VAHOKA ,basy firy no miparitaka etsy sy eroa amiko mila diovina eto ,mila mpampandry tany miditra eto Mcara aloan’nuy hidiran’i ra8 satria ry domelina mianakavy efa vonona hanakarama ny olona eny @bas quartier !HANAKOROTONA SY HANAO ADY ANTRANO.
    ry DOMELINA mianakavy efa vonona a@ny guerre civile fa tsy hisy akory io rahEFA tafiditra eto MCAR NY MPAMPANDRY TANY ALOAN’ny hidiranDRA8 !ZAY HANTENAINA TSY HO ELA INTSONY

  7. Marina daholo ireo lazainao ireo ry Bako ary efa nanambara sasany tamin’izy ireo aho.Fa amiko koa ny miaramila izay legalista (ataoko fa mbola misy) dia tokony handray ny andraikina rehefa tonga ny mpapandry tany.Ohatra hoe efa eo ambany ny fiadidiny ny toerana fametrahana fiadiana rehetra.

  8. Aza manahy ianareo fa misy dia misy tokoa ny MIARAMILA LEGALISTA fa kosa?
    Mbola tsy afaka mipoitra izy ireo sao mitonon-tena toa lolofitsy eo raha mbola
    eo ny foza aloha ka izay no tsy maintsy HANDRAVANA io fanjakam-poza io ,izay vao hijoro @izay izy ireo.
    Efa nisy nanome toky koa izy ireo fa hiaraka @ vahoaka hitsena an’i dada ary miandry sy miandrandra izany
    andro lehibe izany ,fa ny tohiny no tsy haiko na handray fepetra ry zareo na tsia @ momba ny fiaroavana an’i
    dada?Nefa efa eo aloha ny miaramilan’i SADC mandra-pa!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *