Notangoronan’ny vehivavy i Jean Marc Chataigner !

Fanaterana taratasy Masoivoho Frantsay 26 mai 11 (2)

Asa na noho ny maha tokan-tena ny Masoivoho Frantsay, Jean Marc Chataigner, na kisendrasendra fotsiny ihany, na koa niniana natao mihitsy, fa dia notangoronan’ny vehivavin’ny « Rodobe » ny lehilahy io hariva io tetsy Ambatomena : ny senatera Ruffine Tsiranana sy Ihanta Randriamandranto no nitarika ny delegasiona tao.

Noraisin’ny masoivoho izy tenany mihitsy izahay, na dia tsy nisy arofenitra toy inona aza hoy ny zanaka vavin’ny filoham-pirenena teo aloha, ary dia nilaza izy fa « adin’ny samy Malagasy  » no mitranga eto koa dia tsy misy hidirany firy.

Mampametram-panontaniana ihany anefa ny fahamarinan’izany fanambarany izany raha ny fahitana ny fitsabatsabahan’ny LaFrantsa amin’ny raharaha tokantranon’ i Malagasy no jerena, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fampiantranoana an’i Andry Rajoelina tao amin’ny masoivoho Frantsay tamin’ireny fanonganam-panjakana ireny.

7 pensées sur “Notangoronan’ny vehivavy i Jean Marc Chataigner !”

  1. Izany no atao hoe vehivavy sahy ary tsy matahotra mandray andraikitra! Misaotra anareo e!
    Ny antsika lehilahy kosa dia ny hanohy ary hanamafy an’izany amin’ny alalan’ny « Rodobe »! Tokony ty hilefitra mihitsy isika e! tsy maintsy ho azo io!

  2. Ity indro Kely ?
    Tokony nohmafisina fa anjaran ny vahoaka Malagasy no mifidy ny ho mpitondra ny taniny sy ny fanjakany ?ary Tsy anjaran ny frantsay mihitsy ny manohana na misakana ny filatsahan ny olompirenena iraya ho fidiana.
    Ary tokony hamafisina aminy, ny zavatra fantany momba ny Revelations i Colonel Charles ,sy ny Fitsarana tsy manafilamatra maha fitsarana azy .

  3. Voalohany, dia misaotra ny hetsika ataonareo vehivavy !
    Faharoa, manohana sy manamafy ny voalazan’i ravelonarivo ny tenako, tsy fanakianana fa ahafahan’ny rehetra mieritreritra hoe : Hetsika sy « fihetsika » tokony ahoana no enti-manohitra an’ireto tsy valahara ireto ?
    Please ! Don’t straight around the bush !! Ne tournez pas autour du pot !!!
    Fomban’ny malagasy tsy dia miady laotra io miolakolaka lava io !!
    Il faut appeler un chat un chat, au Chataîgner !!! Il fallait rappeler à ce Monsieur que même Ambassadeur de la France, il n’avait et n’a pas à s’immiscer dans les affaires du pays, comme il le fait jusqu’à présent !!!
    Il n’y a rien à attendre de ce gars, qui n’est là que pour soutenir les putschistes !!!
    Certains membres de l’Ambassade et du Consulat, en sont même gênés pour ne pas dire outrés !!!
    Oui, il représente son pays, et a pour mission de défendre les intérêts de ce dernier, mais il y a des limites à tout !!

  4. Tsara dia tsara ny intention-nareo, saingy, ny indro-be fa tsy indro-kely dia; any amin’ny mpanolo-tsaina an’i Andry rajoelina no mangataka toro-hevitra??? sy fanampina!!?? Any amin’ny mpamosavy no manoko sikidy?

    Sa, tonga amin’ny hoe: adala ny manina fa tompom-bady no hafarana???
    Sao lahy tratry ilay fiteny hoe: AZA MANAO AN’I LABORDE HO TSY VAZAHA!
    Marina dia marina ny lazain’i ravelonarivo.
    « Manao fialan’ny jiosy » hoy ny fitenenana ny tenin’ingahy chataîgner hoe affaire magacho-malgache. Tsy haiko ry rahavavy havana raha tahotra, na ahoana?… Fa miharhary toy ny tafika andrefa-tanàna anie ny fandehan-javatra, ary tena tsy miafina mihintsy, koa: tsy azoko loatra! Fa toa lambolamboina ny resaka…???

  5. Si ce satané chat continue à nous chatouiller, faisons-lui rappeler que le chataign(i)er ne produit que des marrants.

  6. Hi hi hi !
    Des rigolos, des bouffons* du … roi d’geôl !!!
    * Sens médiéval ou des loubards du terme

  7. Miarahaba anao Neninoro !

    Mitovy fisainana aminao tokoa aho ry Neninoro !
    Angamba izaho no tsy mahazo ny fandehan’ny baolina ! ary enga anie ho izany! Fa ny ahy aza, dia toa manahy aho ho mpanaraka an’i Zoely ireto !
    TENA MIALA TSINY AHO RAHA DISO ALOHA E ! Atsipy ny tady……

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *